“Mitsangàna, ary mandehàna, fa ny finoanao no nahavonjy anao”.
Ry Kristianina havana, tamin’ny Alahady lasa teo izay andron’ny lahika izany hoe ny Kristianina vita batemy mivelona eo anivon’izao tontolo izao, mampitraotra ny finoana sy ny fiainana andavanandro, izay no maha-lahika ny lahika, izay ny dikan’ny lahika : mivelona ny finoana, mivelona ny maha-Kristianina. Ny teny hoe Kristianina dia avy amin’i Kristy. Raha tadidintsika dia niresaka momba ny finoana isika tamin'ny Alahady lasa teo . Raha manam-pinoana hoatry ny voantsinapy aza ianareo ka milaza amin’ny tendrombohitra hoe miongota dia afaka misintaka any andranomasina izy hoy ny tenin'i Jesoa. Nandalina momba ny finoana isika ary nifaritantsika tamin’izay ry Kristianina havana ary nifandray tamin’ny andro fankalazana ny andron’ny lahika : ny finoana hoy isika dia tsy tany malemy hanorenam-pangady fa tany lonaka hiasan’ny fahasoavan’Andriamanitra mba hamokatra ary izay no antitraterin’ireo tenin’Andriamanitra amin’izao Alahady hiarahantsika mivavaka, Alahady voalohan’ny volana oktobra faha-28 mandavantaona. Raha manam-pinoana tokoa isika dia mahavita zavatra mahagaga ary hanehoan’Andriamanitra ny fahasoavana ..[.......]
NY OLONA MANAM-PINOANA TSY MIANDRY VALISOA EO NO HO EO
Ry Kristianina havana nahatsapa ireo apostoly ka nanatona an’i Jesoa dia niangavy azy ka nanao hoe : ampitomboy ny finoanay. Tsapan’izy ireo fa io no fototry ny fianana tsy maintsy ampifanarahana amin’ny finoana ny fiainana ary tsapan’ireo apostoly izay fa tsy mandeha hoazy izay. Io no ampiatsihivin’ny vakiteny voalohany Habakoka mpaminany izay milaza fa ny marina no ho velona. Azo lazaina ary fa ny fahavelomantsika no fahamarinana ao amin’ny Tompo, ao amin’i jesoa no hahafahantsika miroso amin’ny lalindalina kokoa. Ka raha nangataka ireo mpianatra hoe ampitomboy ny finoanay dia nolazain’i Jesoa ary fa na dia bitika izany finoantsika izany dia mahavita zava mahagaga isika. Ny finoana dia ny famelantsika Andriamanitra hiasa ao amintsika izany hoe Andriamanitra mila atsika izy mba hiasa eo anivon’izao tontolo izao mba hitondra fahazavana ka isika izany no fahazavana raha avelantsika hiasa ao amintsika Andriamanitra..[.....]
Ry olon’Andriamanitra, katsaho ny fahamarinana, ny fahazotoa-mivavaka, ny finoana, ny fitiavana, ny faharetana, ny fahalemem-panahy
Ry kristianina havana, mbola tohizantsika amin'izao mandavantaona izao ireo fanoharana nentin'i Jesoa ampitaina ny hafatra mikasika ny fiainantsika maha-Kristianina izany hoe ny hivelomantsika mpanara-dia azy ka hahaizantsika mampitraotra ny finoana sy ny fianana andavanandro. Amin'izao Alahady faha-26 mandavantaona izao dia ny fanoharan'i Lazara sy ilay mpanankarena no atolotry ny Eglizy amintsika. Azo lazaina fa ireo vakiteny telo dia mifanaraka amin'ilay hafatra tiana hampitaina amintsika dia ny mba hivelomantsika ny finoana eo amin'ny fiainantsika andavanandro. Fampianarana telo no tiana hasongadina androany : - ny voalohany : inona ny anjara toeran'ny harena eo amin'ny fiainantsika andavanandro ? - ny faharoa : inona ny hoavy ? - ny fahatelo : ny fahaizana mihaino ny tenin'Andriamanitra..[.....]
Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny harena ianareo
Ry kristianina havana, amin'izao Alahady faha-25 manadavantaona izao dia mananatra atsika ny tenin'Andriamanitra aroson'ny Eglizy ho sakafom-panahy hamelombelona ny finoantsika hahafahantsika hahay hampitraotra ny finoana sy ny fiainana andavanandro. Mananatra atsika ireo tenin'Andriamanitra ireo hahay hampiasa ny vola na ny marimarina kokoa hahafantatra tsara ny anjaran'ny vola eo amin'ny fiainana, tsy inona fa ny vola dia atao hanompo fa tsy tompoina, atao hifanasoavana ny vola fa tsy atao hanapotehana ny fiombonana sy ny fihavanana. Indrisy anefa fa amin'ny adim-piainana isankarazany amin'izao vaninandrontsika izao, dia efa lasa Andriamanitra mihitsy ny vola ka izy no tompoina ..[....]
Hisy hafaliana lehibe any an-danitra amin’ny mpanota iray mibebeka
Amin'izao Alahady faha-24 mandavantaona izao dia asongadin'ireo vakiteny amintsika fa Ray aman-dReny tsy mahafoy zanaka Andriamanitra. Isika no be siasia ka te handeha amin'ny varavarana malalaka any amin'ny fahaverezana ka manadino an'Andriamanitra fa izy kosa Ray be famindram-po. Ny tadiavin'Andriamanitra dia isika hiverina aminy, hanokatra ny fontsika aminy, hitoetra eo an-tongotr'i Jesoa, handray ny fahendren'Andriamanitra. Izany tokoa ry Krisitianina havana no matetika mahatonga atsika very lalana satria isika tsy mihaino an'i Jesoa, tsy manokatra ny fontsika amin'ny famindrampon'Andriamanitra, tsy mandray ny fampianaran'i Jesoa fa mirona amin'ny fampianarana izay mahatonga atsika very fanahy mbola velona ka tsy mahita intsony ny lalan-kombana...[....]
Tsindrio eto hihaino ny toriteny
Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky
MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA