Home » FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

Alahady 22 Janoary 2017 - ALAHADY FAHA 3 mandavantaona A

Alahady 22 Janoary 2017 - ALAHADY FAHA 3 mandavantaona A - Archidiocèse d'Antsiranana

Ho atsika rehetra afaka mandray izao fampianarana  amin'ny Alahady fahatelo mandavataona izao dia fantaro fa hanilo atsika i Jesoa. Maro ny zavatra mandrakotra ny fiainantsika, ny fontsika dia efa  ‘encombré” amin’ny zavatra maro. Ka i Jesoa dia tonga mba hanilo atsika, isika izay mandeha amin’ny haizimpito hotsolovin’i Jesoa. Aoka isika hahay handray azy, na dia natao ho an’ny Jody ny famonjena hoy Md Paoly, fantaro fa natao ho an’ny be sy ny maro, ho an’izay mandray azy...[.....]

  

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Alahady 15 Janoary 2017 - ALAHADY FAHA 2 mandavantaona A

Alahady 15 Janoary 2017 - ALAHADY FAHA 2 mandavantaona A - Archidiocèse d'Antsiranana

Ry Kristianina havana, tamin'ny Alahady lasa teo ny Epifania nisehoan'ny Tompo izany hoe eto anivontsika tokoa Andriamanitra, sady mbola tanatin'ny fankalazana ny Noely  isika no hiditra sahady amin'ny mandavantaona satria i Jesoa ilay miara-dàlana amintsika, eo anivontsika. Mibanjina an'i Jesoa isika rehefa miditra amin'ny vanim-potoanan'ny mandavantaona tahaka izao. Fandalinam-pinoana no ataontsika izay hisontonan'ny Eglizy ny saintsika mba hiezaka hahalala bebe kokoa an'i Kristy mba hahatonga atsika ho tena Kristianina marina...[......]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Alahady 08 Janoary 2017 - EPIFANIA - Taona A

Alahady 08 Janoary 2017 - EPIFANIA - Taona A - Archidiocèse d'Antsiranana

IZAO TONTOLO IZAO NO IRIN’ANDRIAMANITRA HO EGLIZY FIANAKAVIANY

Ry Kristianina havana, mbola ao anatin’ny fankalazana ny Noely Andriamanitra eto anivontsika isika izao ary izany rahateo ny lohahevitra entintsika mamakivaky an’izao taonan’ny fandalinam-pinoana hibanjinantsika an’i  Jesoa Mpiarabelona amintsika miara-dalana amintsika.

Izao fankalazana ny Epifania Andriamanitra miseho eo anivon’izao tontolo izao dia mampibaribary amintsika ny hoe Andriamanitra eto anivontsika. Raha mankalaza an’izao Epifania izao isika dia mankalaza ny lahatr’Andriamanitra hatramin’ny voalohany dia izao tontolo izao irin’andriamanitra ho Eglizy fianakaviany, ho olo araiky aoaminy ..[....]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Alahady 01 Janoary 2017 - MASINA MARIA RENIN'ANDRIAMANITRA - Taona A

Alahady 01 Janoary 2017 - MASINA MARIA RENIN'ANDRIAMANITRA - Taona A - Archidiocèse d'Antsiranana

RENIN’ANDRIAMANITRA SY MPANJAKAVAVIN’NY
FIADANANA I MASINA MARIA

Ry Kristianina havana, mbola anatin’ny fankalazana ny fetin’ny Noely isika amin’izao andro voalohany taona “1er janvier” izay ankalazantsika an’i Masina Maria Renin’Andriamanitra ka ankaravoana sy ankafaliana no hiarahabana atsika oloaraiky jiaby.
Izao voalohan-taona izao dia fankalazana telo sosona no ataontsika :
1-  Andro voalohany Janoary, voalohan’ny taona araka ny “calendrier civil” fa araka ny calendrier liturgique dia efa nankalazaintsika izany tamin’ny Alahady voalohan’ny Fiaviana 
2-  Hibanjinantsika bebe kokoa ka hampidirintsika i Jesoa amin’ny ataontsika sy ny fiainantsika rehetra, tsy i Jesoa lavitra fa i Jesoa eto anivontsika, miara-dàlana amintsika izy. 
- Ankalazantsika an’i Masina Maria Renin’Andriamanitra...[........]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

30 desambra 2016 - FANKALAZANA NY FIANAKAVIANA MASINA - Taona A

30 desambra 2016 - FANKALAZANA NY FIANAKAVIANA MASINA - Taona A - Archidiocèse d'Antsiranana

Mankalaza manokana ny fianakaviana masina isika androany dia ny fianakaviana nisy an’i Jesoa, Maria ary Josefa. Fianakaviana masina no iantsoana azy satria eo anivony ilay masina dia i Jesoa. Maro ny ohatra tsara tiana asongadina sy ny toetra tsara izay azontsika tarafina ary horaisintsika modely amin’ny alalan’ny fianakaviana masina, anisan’izany ireto manaraka ireto :

1- Fianakaviana mivavaka
2- Josefa raim-pianakaviana modely amin’ny fitiavam-bady sy fitiavan-janaka
3- Fianakaviana manatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra. 
4- Fianakaviana mahay mifanaja

Tsindrio eto hamaky ny tohiny [.....]

TWITTER DE MGR RAMAROSON BENJAMIN

https://x.com/OloAraiky

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..