TSY MISY DÉLÉSTAGE AO AMIN’I JESOA
Matetika isika varimbariana amin’ny zavatra maro ka adinontsika ny "essentiel", ny tena izy amin’ny fiainantsika. "Encombré" loatra ny fontsika ka tsy hahita izay tena fahendren’Andriamanitra isika. Ry Kristianina havana, amin’izao Alahady faha-06 mandavataona izao mbola manohy ny fandalinam-pinoana isika satria izay rahateo ny maha mandavantaona azy. Ny toriteny teny an-tendrombohitra izay hahatonga atsika hivelona ny fahasambarana, hahatonga atsika ho fanasina sy fahazavana no mbola tohizantsika ho dinihina. Mikasika ny fahendrena no voasongadina amin’izao Alahady faha-06 izao...[......]
Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no manana ny fahazavan’ny fiainana.
Atolotry ny Eglizy ho atsika androany ho fanohizana ny fetin'ny jiro fa mivelona ny hafatr'i Kristy isika dia zary fahazavana sy fanasina eo amin'ny fiainantsika. Isika no Eglizy, isika izay vita batemy no tempolin'Andriamanitra izay manolotra ny tenantsika amin'Andriamanitra.
Ambaran'ny vakiteny voalohany (Iz. 58, 7-10) izay horenesintsika koa rehefa tonga ny vanimpotoananan'ny karemy dia ny fifadiana. Matetika dia heverintsika fa ny fanajana sy fanarahana ambokony ny fifadiana no tena fiainana sy ny fivelomana an'ireo sata izay manambara ny fandraran'Andriamanitra an'izao sy izao. Tsy izany ny teny folo na ny tenin'ny fiainana nomen'Andriamanitra tao Sinai....[.......]
Tsindrio eto hihaion ny toriteny
Ry kristianina havana, faly nankalaza ny nahaterahan’ny Tompo isika, efapolo andro lasa izay. Ary tonga indray anio ny andro iray toa zato, ankalazantsika an’i Jesoa natolotra tao an-Tempoly sy nankatò ny lalàna am-pahibemaso, ary niseho tao tokoa nitsena ny vahoakany miandry Azy. Notarihin’ny Fanahy Masina hankao amin’ny Tempoly i Simeôna sy i Anina efa zokiolona, ka nankalaza ny Tompo ary faly nanambara Azy am-pahibemaso. Isika koa natambatry ny Fanahy Masina ho fianakaviana iray, ka hankalaza sy hidera an'Andriamanitra ary enga anie hanambara sy hivelona ny fahazavan'i Kristy amin'ny fiainantsika andavanandro .... [.......]
SAMBATRA NY MAHANTRA FA AZY NY FANJAKAN’NY LANITRA
Nanomboka tamin'ny alahady faha 2 mandavantaona dia namaky ny evanjelin'i Md Matio sy nametra-panontaniana hoe ; “iza marina i Jesoa eo anivontsika ?”. Amin’izao Alahady faha 4 izao dia tohizantsika ny famakiana ny evanjelin’i Md Matio izay nanoratra manokana ho an’ny jody sy nampianatra ny azy. Nangoniny arakaraky ny lohahevitra ny fampianaran’i Jesoa sy ireo famantarana ary fahagagana nataony, hanampy hino fa i Jesoa tokoa no mesia ilay nandrasan’ny vahoaka Jody, izy tokoa ny famonjena ary izy miara-dàlana amintsika ...[...........]
Ho atsika rehetra afaka mandray izao fampianarana amin'ny Alahady fahatelo mandavataona izao dia fantaro fa hanilo atsika i Jesoa. Maro ny zavatra mandrakotra ny fiainantsika, ny fontsika dia efa ‘encombré” amin’ny zavatra maro. Ka i Jesoa dia tonga mba hanilo atsika, isika izay mandeha amin’ny haizimpito hotsolovin’i Jesoa. Aoka isika hahay handray azy, na dia natao ho an’ny Jody ny famonjena hoy Md Paoly, fantaro fa natao ho an’ny be sy ny maro, ho an’izay mandray azy...[.....]
Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky
MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA