"Sambatra izay tsy nahita ka nino”.
Izao Alahady manaraka ny Paka izao no antsoina amin’ny teny latina hoe "Quasimodo". Mbola Paka ihany koa ho antsika satria ny Paka dia tsy inona fa i Kristy nitsangan-ko velona. Ity Alahady faharoan'ny Paka ity no andrenesantsika ny Evanjely mikasika an'i Md Tomà izay nanambara hoe "Tompoko sy Andriamanitro". Tahaka an’i Md Tomà isika tsirairay avy rehefa miaiky ny fahalementsika ka manaiky an'i Kristy sy miaina ny famindrampon'Andriamanitra. Nantsoin'i Papa Md Joany Paoly II ho Alahadin’ny Famindram-pon’Andriamanitra ity Alahady faharoa amin’ny Paka ity nanomboka tamin'ny 30 aprily 2000, andro nananganana ho olomasina an'i Mb Faustine izay nambaran’ny Fo masin’i Jesoa hampibaribary ny famindram-pon’Andriamanitra ....[.......]
NITSANGAN-KO VELONA TOKOA I JESOA
Ry Kristianina havana, ankafaliana sy ankaravoana ary am-pitiavana no anolorana ny fiarahabana sy ny firariantsoa ho antsika olo araiky jiaby, ho antsika mianakavy, ho antsika eglizy kely, eglizy fiombonana, eglizy fototra, eglizy iraka, isika diosezy jiaby ary izay rehetra afaka mamaky izao hafatra sy fampianarana amin’izao andron’ny Paka izao. Nitsangan-ko velona tokoa ny Tompo Aleloia. Tamin’ny Alahady ny sampankazo isika no nanomboka ny dingana lehibe rehefa avy nanao ny ezaka ny karemy dia tsy inona fa ny fidirantsika ao Jerosalema izany hoe i Jesoa mpiara-belona amintsika ka miaraka aminy isika miditra ao Jerosalema...[.....]
Amin’izao alina masina indrindra izao, ry kristianina havana, no ialan’i Jesoa Kristy Tompontsika amin’ny fahafatesana hidirany amin’ny fiainana. Koa miangavy ny zanany rehetra miely patrana eran’ny vazan-tany ny Eglizy, mba hiari-tory sy hivavaka. Hiara-mahatsiaro ny Paka fandalovan’ny Tompo àry isika, ka hihaino ny Teniny sy hankalaza ny Sakramenta noforoniny, ary dia hatoky manantena fa hiombona amin’Izy Tompo nandresy ny fahafatesana ka hiara-belona aminy ao amin’Andriamanitra mandrakizay.
Noratraina Izy noho ny fahotantsika.
Ny Fijalian’i Jesoa Kristy Tompontsika no nanafoanan'Andriamanitra ny fahafatesana lova nifandimbiasan’ny taranaka rehetra noho ny fahotana tamin’ny fototra; koa mivavaka isika mba manahaka an’i Jesoa Kristy isika mba ho toy ny nitondrantsika tsy fidiny ny endriky ny tany niaviantsika no handraisantsika ny endriky ny lanitra noho ny hasin’ny fahasoavan'Andriamanitra [.......]
Isaky ny mihinana sy misotro amin’izao ianareo, dia manambara ny fahafatesan’ny Tompo
Mankalaza ny Fanasana masina ny Tompo isika, dia ilay Fanasana nohafaran’ilay Zanany Lahy tokana tamin’ny Eglizy, fony Izy hanolo-tena ho faty mba ho sorona vaovao maharitra mandrakizay sy ho Fanasana hampiharihary ny fitiavany; koa enga anie afaka manovo fitiavana feno sy fiainana tonga lafatra isika amin’izao Alakamisy masina fankalazana ny Sakramenta Eokaristia izao [.......]
Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky
MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA