Home » FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

Alahady 26 Jiona 2016 - ALAHADY FAHA-13 TSOTRA MANDAVANTAONA D

Alahady 26 Jiona 2016 - ALAHADY FAHA-13 TSOTRA MANDAVANTAONA D - Archidiocèse d'Antsiranana

Ry kristianina havana, mifanojo amin'ny fetim-pirenena izao Alahady faha-13 mandavantaona izao ary ny tenin'Andriamanitra dia mampitodika atsika tokoa mba hiroso lalindalina kokoa amin'ny fandraisana an-tànana izany fiainam-pirenena izany fa indrindra amin'izao fotoana sarotra lalovantsika izao. Ary matetika moa ny firenena izay mazava ho azy fa ny tànana izay misy atsika ary indrindra fa mandritra ny volan'ny Fo Masin'i Jesoa izay fantantsika tsara fa ambany fiarovany ny tananantsika sy ny diosezintsika. Fetim-pirenena tokoa androany ka faly miarahaba atsika ary mirary soa ho atsika rehetra. Ndao ary isika hivavaka ho an'ny firenentsika ary mba hijery izay tokony ho tandrify atsika tsirairay amin'ny fampandrosoana azy...[.....]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Alahady faha 19 Jiona 2016 - ALAHADY FAHA-12 TSOTRA - TAONA D

Alahady faha 19 Jiona 2016 - ALAHADY FAHA-12 TSOTRA - TAONA D - Archidiocèse d'Antsiranana

Ry kristianina havana, misy fotoana tsy maintsy mipetraka mazava ny finoantsika ary tsy maintsy miroso manazava an'izay ary mijoro manambara ny finoana isika, izay ny foto-pampianarana amin'izao Alahady faha-12 mandavantaona izao. Marina fa nambaran'i Jesoa amin'ny Apôstoly sy amintsika ihany koa ny tsiambaratelony manontolo, ny momba azy manontolo ary isika koa tsy maintsy manambara an'izay. Io no atao hoe foto-pinoana ka ambarantsika rehefa manao fiekem-pinoana isika. Zava-dehibe izay satria fototry ny fiainanantsika Kristianina.....[.....]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Alahady faha 12 Jiona 2016 - ALAHADY FAHA-11 TSOTRA - TAONA D

Alahady faha 12 Jiona 2016 - ALAHADY FAHA-11 TSOTRA - TAONA D - Archidiocèse d'Antsiranana

Amin'izao Alahady faha-11 mandavantaona no sady anatin'ny taona masina famindram-po izao dia asain'ny Eglizy isika hibanjina ny fon'Andriamanitra ary iriny ho tahaka izany tokoa ny fontsika satria fo mangoraka sy be fitiavana izy. Tsy ny fahotantsika no jeren'Andriamanitra fa isika ary  izay ny mahatonga ny faniriany hamindra ny fony ao amintsika mba hanahaka an'i Jesoa tokoa ny fontsika tsirairay avy sy eto anivon'ity tanànantsika ity koa. Ny foto-kevitra amin'izao Alahady faha-11 mandavantaona izao dia " Miantra sy be indrafo tokoa Andriamanitra"
...[......]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Alahady faha 05 Jiona 2016 - ALAHADY FAHA-10 TSOTRA -TAONA D

Alahady faha 05 Jiona 2016 - ALAHADY FAHA-10 TSOTRA -TAONA D - Archidiocèse d'Antsiranana

Ry kristianina havana, rehefa avy namakivaky ireo vanim-potoana lehibe nibanjinantsika tokoa ny famonjena nentin’i Kristy isika ka amin’izao  Alahady izao fa indrindra amin’ny toerana izay tsy ankalazana ny Fo Masin’i Jesoa dia miditra amin’ny vanim-potoana mandavan-taona isika ka ny Alahady faha-10 androany.
Rehefa mandavan-taona tahaka izao araka ny efa nambara atsika matetika dia ny fandalinam-pinoana no atolotrin’ny Eglizy. Dia amin’ny alalan’ireo vakiteny fa indrindra ny Evanjely dia vakiteny mitohy ary toy izany koa ny vakiteny faharoa fa ny vakiteny voalohany kosa dia ny lohahevitra mifanaraka amin’ny Evanjely no atolotrin’ny Eglizy mba ho voavakintsika daholo mandritra ny taona telo (taona litorjika A, B, D) ireo soratra masina ao amin’ny baiboly. Raha manaraka isika ny tenin’Andriamanitra ao amin’ny baiboly dia sakafo mahavelona tokoa satria mahavelona ny finoantsika...[.....]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ZOMA faha 03 Jiona 2016 - FO MASIN'I JESOA - TAONA D

ZOMA faha 03 Jiona 2016 - FO MASIN'I JESOA - TAONA D - Archidiocèse d'Antsiranana

Ry Kristianina havana hararaoty ary izao fankalazana ny Fo Masin'i Jesoa izao, hitantsika i Jesoa nanolotra ny ainy , hitantsika ny rano sy rà avy ami'ny Fony manambara ny fahaterahantsika ka Izao taona masina izao anie ho fahaterahana ho antsika, ho fahaterahan'ny diosezintsika tokoa.
Tsy hoe fahatsiarovana na fankalazana fotsiny fa matoa mankalaza isika dia entanin'ny  Fanahy Masina ka mivelona ny Fon'i Jesoa ka ho entintsika eo anivon'ny manodidina atsika manomboka ao amin'ny Eglizy kely fianakaviantsika. Ho hisy Fon'i Jesoa anie ny Eglizy kely tsirairay avy ka hihitatra ao amin'ny Eglizy fiombonana. Ho feno Fon'i Jesoa ny Eglizy fiombonana rehetra eto amin'ny diosezy, ho feno Fon'i Jesoa ny Eglizy fototra rehetra ka mivahatra amin'ny Fon'i Jesoa tokoa ny fiainantsika manontolo ... [.....]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Archidiocèse d'Antsiranana

EOV DIASPORA regroupe les originaires du diocèse d'Antsiranana résidant en Europe

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA - Archidiocèse d'Antsiranana

Ecoutez la Radio Faniry en ligne

Archidiocèse d'Antsiranana

Mission 2020 - 2021 Les prêtres du diocèse Antsiranana

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..