Home » FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

ALAHADY FAHA-28 MANDAVANTAONA - TAONA A2026

ANTSOIN’NY TOMPO HANKEO AMIN’NY FANASANY ISIKA


Ry Kristianina havana, antsoin'Andriamanitra isika ho ao anatin’ny hasambarana miaraka Aminy, ho Olo Araiky sy fianakaviam-be ao Aminy. Izany no iriko vokatry ny Sinaody hanentana ny fiainantsika isika Olo Raiky EOV manaraka ny guide pastoral. Koa amin'izao Alahady faha-28 mandavantaona izao dia antsoiny isika amin'ny fanasana lehibe iombonana amin’Andriamanitra manambara fa Fianakaviany mba hahazahoantsika ny tena hasambarana ary efa mampitsinjo antsika sahady ny amin'ny fiafarantsika koa Izy......[.......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY FAHA-27 MANDAVANTAONA - TAONA A2026

TANIMBOALOBOK’ANDRIAMANITRA ISIKA


Ry Kristianina havana, ao anatin’ny sinaody isika ary efa fotoana fanirahana azy ka misaotra an’Andriamanitra satria tanteraka soa aman-tsara ny dinika rehetra anisan’izany ny dinika ny fianakaviana eglizy kely. Manamasina sy maniraka ireto hamasinina. Tena fambara sy tandinona lalina fa indrindra moa volan’ny Misiona izao volan’ny oktobra izao sady anio fankalazana an’I Md François d’Assise izay ny tanjom-piainana dia ny hanorina ny Eglizy Olo sy ny Eglizy Trano. Izay ihany koa ny tanjon’izao Sinaody izao fa indrindra izao fijanonana faha-efatra izao : Fianakaviana, Eglizy kely mandray an-tanana. Izay fandraisana an-tanana izay no kinendrin’I Md François d’Assise. Ny mahavariana dia izany ihany koa no foto-kevitr’ireo Tenin’Andriamanitra ireo atolotry ny Eglizy androany: TANIMBOALOBOK’ANDRIAMANITRA ISIKA.......[......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY FAHA-26 MANDAVANTAONA - TAONA A2026

NY TOKY FITAKA, FA NY ATAO NO HITA


Ry Kristianina havana, miditra amin'ny lalindalina kokoa amin'ny fiarahan-dia amin’ny Sinaody faha-7 iombonantsika satria izao herinandro misokatra izao no mitondra antsika amin’ny fanatanterahana azy. Tsy misy koa ny kisendrasendra amin’Andriamanitra hoy isika matetika satria miara-dalana amintsika tokoa Izy. Eo anivontsika tokoa izy. Tsy inona tokoa fa amin'izao Alahady faha-26 mandavantaona, Alahady mamarana ny volana septambra izao dia asain'ny Eglizy isika hibanjina manokana ny anjara toeran'ny lahika eo anivon'ny fiainana andavanandro, Alahady antsoina hoe andron'ny lahika. Marina fa andron'ny lahika ny andro rehetra fa tian'ny eglizy asongadina handalinana sy handinihana ny anjara toerany androany izany hoe ny maha-Apostoly ny lahika eo anivon'izao tontolo izao.......[........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY FAHA-20 MANDAVANTAONA - TAONA A2026

NY OLOMBELONA REHETRA NO KENDREN’ANDRIAMANITRA HIDITRA AO AMIN’NY FANJAKANY


Ry Kristianina havana, raha nibanjina an'i Masina Maria nampakarina amim-boninahitra vatana sy fanahy any an-danitra isika tamin'ny 15 aogositra lasa teo ary dia faly sy ravo satria nisy havantsika tafita. Izany koa ny miandry antsika raha miombona amin'Andriamanitra isika, raha matoky Azy na dia nisamboaravoara ny ranomasim-piainantsika, raha mivelona tahaka ny niveloman'i Masina Maria ny finoana ary izy no ohatra voalohany ho antsika amin'ny fiombonam-po tanteraka amin'i Kristy ary farany Izy mivavaka ho antsika mba ho tafita koa isika….....[....]

Tsindrio eto  hihaino ny toriteny

15 AOGOSITRA - FANKALAZANA ASSOMPTION TAONA A2026

MASINA NAMPAKARINA VATANA SY FANAHY ANY AN-DANITRA


Ry Kristianina havana, tamin’ny Alahady tsotra faha-19 mandavantaona dia nolazaintsika fa miara-dalana amintsika ny Andriamanitsika satria tsy Andriamanitra lavitra ny Andriamanitsika ary ny irina dia hahatafita antsika. Mila matoky azy anefa isika fa tsy hatoky tena. Io ny fampianarana entin’ny tantaran’I Piera. Raha vao mihevitra I Piera fa mahavita tena mipoerapoera dia rendrika fa raha miantso an’I Jesoa izy dia toloran’I Jesoa tanana dia miarina indray mandeha mamakivaky ny ranomasina.....[...]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

TWITTER DE MGR RAMAROSON BENJAMIN

https://x.com/OloAraiky

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..