MASOANDRO BE LOHATAONA I KRISTY KA TSY MIFIDY OLON-KOSOAVINA
Ry Kristianina havamalala, tena anatin’ny mandavantaona isika izao, hivelona izay nankalazaintsika tamin’ny noely isika izany hoe Andriamanitra eto anivontsika. Izany no antitranterin’ireo vakiteny telo amin’izao Alahady faha-3 mandavantaona izao, mananatra antsika mba hibebaka tokoa, ohatra velona amintsika amin’izany i Md Paoly izay ankalazantsika anio 25 janoary ny fibebahany, niara-nankalaza izany ny eglizy rehetra maneran-tany ary isika eto amin’ny diosezy dia mampahatsiaro antsika ny 12 taona lasa izay nankalazantsika sy nanombohantsika ny làlan’i Damasy, làlana niarahantsika rehetra hiroso amin’ny fiaraha-miasa amin’i Kristy dia isika EOV tolagna telo :
lahika, voatokana ary ny pretra....[......]
I KRISTY NO ZANAK’ANDRIAMANITRA VELONA
Ry Kristianina havamalala, tamin’ny alahady lasa teo isika nankalaza ny batemin’i Jesoa izay nampahatsiaro ny batemintsika isika : vita batemy ka irahina, izay koa no mampiditra antsika amin’ny vanim-potoana mandavantaona mahatonga antsika hivelona ny batemy, ao anatin’ny fikatrohana amin’izao taona pastôraly izao fa indrindra amin’izao fanaovantsika ny Sinaody faha-7 fijanonana faha-4 « FIANAKAVIANA EGLIZY KELY MANDRAY AN-TANANA » izay azo lazaina fampivondronana ireo fijanonana telo voalohany ka mahatonga antsika hirahina, EOV misionera, mitondra ny Evanjely amin’ny mpiara-belona, mba hahatonga ny rehetra ho zanak’Andriamanitra noho ny finoana fanomezan’Andriamanitra
.....[.....]
I JESOA NATAO BATEMY: TANDINDON’NY BATEMINTSIKA
Ry Kristianina havana, androany isika no mankalaza ny Batemin’ny Tompo, amin’izao Alahady manaraka ny nisehoan’ny Tompo izao dia ny Epifania ary Alahady mamarana ny vanim-potoan’ny noely izay nandinihantsika sy nibanjinantsika an’i Jesoa eto anivontsika. Nivoaka ny Trinite masina izy, nirahin’Andriamanitra Ray ilay zanany lahitokana dia i Jesoa, tonga eto anivontsika izy, nitondra ny fiadanana sy fanantenana. Tsy hoe sarisarin’olombelona izy fa tena olombelona natera-behivavy, izay no nibanjinantsika ny Teny tonga nofo ary miara-dàlana amintsika izy mamakivaky izao taona vaovao izao sy ny taona manaraka rehetra ary ny taona teo aloha koa aza. Raha ny saintsika olombeloa tokoa dia tsy ho takatsika. Nefa araka ny voalazan’ny Teny Fanombohan’ny Evanjelin’I Md Joany : “Fa izay rehetra nandray azy dia nomeny fahazoana ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany.....[....]
“ Izao tontolo izao no irin’Andriamanitra ho Eglizy fianakaviany ”
Ry Kristianina havana, mbola ao anatin’ny fankalazana ny Noely isika, Andriamanitra eo anivontsika, Andriamanitra miseho amintsika. Amin’izao Alahady Epifania fankalazana ny nisehoan’ny Tompo izao dia mbola anatin’ny Noely. Niseho tamin’ny vahoakany izy Tompo dia ilay vahoaka feno fahamarinana, fanetren-tena sy fahatsoram-po dia i Maria sy Josefa izay fianakaviana voafidy hiainany ny maha-olombelona azy ary ireo mpiandry ondry nanambaran’ny anjely fa misy zaza teraka ao Betlehema, ny anarany atao hoe Emanoela. Fa ireo mpiavonavona kosa dia tsy afaka nandray azy, hitantsika ireo mpandray vahiny nilaza fa tsy nisy
toerana ho azy ireo tao an-trano, tahaka an’I Heroda izay namono ny zaza tsy manantsiny. Toetrantsika olombelona izany, vokatry ny avonavona dia mifody ny fontsika ka tsy afaka mandray izay tena fahasambarana.....[....]
Tsindrio eto hihaino ny toriteny
RENIN’ANDRIAMANITRA SY MPANJAKAVAVIN’NY FIADANANA I MASINA MARIA
Ry Kristianina havana, ho antsika kristianina katolika dia efa nifampiarahaba sy nifampirary soa ny taom-baovao isika taorian’ny fankalazana an’I Kristy Mpanjaka dia tamin’ny alahady voalohany fiaviana no nanombohantsika ny taombaovao litorjika ka efa mamakivaky ny taona vaovao isika amin’izao kanefa araky ny averimberintsika matetika na dia tsy anisan’izao tontolo izao aza isika kristianina dia eo anivon’izao tontolo izao ho famantaram-pamonjena sy mizara ny manta sy ny masaka amin’ny vahoaka manodidina azy ka an-karavoana no iarahabako antsika jiaby oloaraiky amin’izao voalohan’ny volana janoary fankalazana an’I Masina Maria Renin’Andriamanitra izao. Izao no andro ho firariantsoa, amin’ny maha Ray aman-dReny ny tena dia an-kafaliana no angatahako ny tsodranon’Andriamanitra ho antsika tsirairay.....[....]
Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky
MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA