« Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako » (Jo. 14: 6)
Ry Kristianina havana, matetika isika eo amin'ny fiainantsika no very hevitra noho ny zava-misy, mety sahiran-tsaina tokoa hoy ny fiteny ka manontany tena hoe : mbola misy ve izao Andriamanitra izao, aiza ny lalan-kombàna, aiza ny hiafarana ? Very fanahy mbola velona isika matetika. Ary raha misy fotoana tena hivolagnantsika izany dia izao krizy izao ka samy manontany tena ho tafita ve isika sa ho rendrika ka hijaly bebe kokoa …. Ary ny tena mafy ao anatin’izao “maizina” izao dia ny mifanome tsiny ary mifanaratsy mihitsy azy….[......]
« Lazaiko marina dia marina aminareo fa izaho no varavaran’ny ondry »
Ry Kristianina havana, Alahady fahaefatra amin'ny Paka anio ka mahatsiaro manokana an'i Jesoa mpiandry ondry tsara isika, Izy ilay mpiara-belona amintsika, eo anivontsika. Tsy lavitra antsika i Jesoa izay nitsangan-ko velona. Miara-dalana amintsika Izy. Aoka hahatsapa izany bebe kokoa isika amin’izao Sinaody izao. Izany hoe miara-dalana amintsika Jesoa Mpiara-belona mba hivelomantsika indray NY VOKASIONTSIKA ARAKA NY NAHARIAN’ANDRIAMANITRA ANTSIKA HATRAMIN’NY VOALOHANY, izany hoe ny maha endrik’Andriamanitra antsika ka hanavao indray ny fifandraisana efa potika dia ny fifandraisana amin’ny zava-boary, amintsika samy isika eo anivon’ny fiaraha-monina ary amin’Andriamanitra.......[......]
« Dia mba notantarain’izy ireo kosa ny zavatra niseho taminy teny an-dàlana sy ny
nahafantarany azy tamin’ny famakiana ny mofo"
Ry Kristianina havana, tena mbola ao anatin'ny hafalian'ny Paka tokoa isika ka asiantsika Aleloia ny fiainana, izany hoe araka ny dikany hoe Aleloia “miderà ny Tompo” dia fenointsika fiderana sy fihobiana an’I Jesoa Nandresy ny fiainantsika na dia maro aza ny sedra sy mangidy satria tsy Andriamanitra lavitra ny Andriamanitsika fa Andriamanitra miara-dàlana amintsika i Jesoa nitsangan-ko velona, mpiara-belona amintsika. Izy no làlana sy fahamarinana ary fiainana. Izany no foto-kevitra tian’ny Eglizy tsapantsika amin’izao Alahady fahtelo amin’ny Paka izao. Tena mbola ao anatin’ny fahasahiranana isika miatriaka izao “ady lehibe mitsitoko izao”.......[.......]
"Sambatra izay tsy nahita ka nino”.
Ry Kristianina havana, izao Alahady manaraka ny Paka izao no antsoina amin’ny teny latina hoe "Quasimodo". Mbola Paka ihany koa ho antsika satria ny Paka dia tsy inona fa i Kristy nitsangan-ko velona. Ity Alahady faharoan'ny Paka ity no andrenesantsika ny Evanjely mikasika an'i Md Tomà izay nanambara hoe "Tompoko sy Andriamanitro". Tahaka an’i Md Tomà isika tsirairay avy rehefa miaiky ny fahalementsika ka manaiky an'i Kristy sy miaina ny famindrampon'Andriamanitra. Nantsoin'i Papa Md Joany Paoly II ho Alahadin’ny Famindram-pon’Andriamanitra ity Alahady faharoa amin’ny Paka ity nanomboka tamin'ny 30 aprily 2000, andro nananganana ho olomasina an'i Mb Faustine izay nambaran’ny Fo masin’i Jesoa hampibaribary ny famindram-pon’Andriamanitra.....[......]
NITSANGAN-KO VELONA TOKOA I JESOA
Ry Kristianina havana, an-kafaliana sy an-karavoana ary am-pitiavana no anolorana ny fiarahabana sy ny firarian-tsoa ho antsika olo araiky jiaby, ho antsika mianakavy, ho antsika eglizy kely, eglizy fiombonana, eglizy fototra, eglizy iraka, isika diosezy jiaby, isika Fianakaviamben’Andriamanitra, Isika Olo Araiky Jiaby, Fratelli Tutti ary izay rehetra afaka mamaky izao hafatra sy fampianarana izao amin’izao andron’ny Paka izao. Nitsangan-ko velona tokoa ny Tompo Aleloia.....[....]
Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky
MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA