« Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra avy amin’Andriamanitra » (Lk. 4: 4)
Ry Kristianina havana, natombotsika tamin’ny Alarobia teo ny 40 andron’ny Karemy. Indro fa amin’izao Alahady voalohan’ny Karemy izao dia apetraky ny Eglizy mazava tsara amin’ny alalan’ireo vakiteny fa ADY sady DIA ny fiainana. Averimberintsika matetika izany teny izany ary io tokoa no fiainam-pinoantsika. Izao Karemy izao dia fivelomantsika izany finoana izany satria ny fototry ny finoantsika dia ny fitsanganan’i Jesoa ho velona izay hankalazaintsika amin’ny Paka. Araka ny asongadintsika tamin’ny andro voalohan’ny Karemy dia misy dikany manokana ho antsika ity karemy ity satria mitondra amin’ny Paka ankalazaintsika ny fototra ny famonjena antsika....[.....]
Ny Rainao izay mahita ny miafina no hamaly soa anao.
Ry Kristianina havana, amin’izao Alarobia fanosorana ny lavenona izao no hanombohantsika ny vaninandro manokana hiomanantsika sy hivelomantsika ny misterin’ny famonjena antsika mitondra antsika amin’ny fankalazana ny Paka. Fotoana izay hamakivakiantsika mandritra ny 40 andro ny karemy handalinana ny finoantsika, katolika aho ka halaliniko izay inoako. Marina ny vanim-potoana rehetra amin’izao taon-jobily izao dia tena sarobidy avokoa fa izao KAREMY 2025 dia tena manokana tokoa satria mampiditra antsika amin’izao taon-jobilin’ny famonjenantsika. Mampirisika antsika àry hivelona ny Karemy. Hiezaka hanaraka tsara ireo hafatra sy fanentanana hanampy antsika hiroso lalindalina.....[.....]
NY TENY LAZAINA NO AMANTARANA NY FO
Ry Kristianina havana, tamin’ny Alahady lasa teo Alahady faha-7 mandavantaona dia nandinika sy nandalina isika ny momba ny fifandraisantsika samy isika ka napetraka ho fototr’izany fifandraisana izany ny famindram-po sy ny famelan-keloka hanahafantsika an’i Kristy hahatonga antsika ho Kristy mpiara-belona amin’olona, hampanjaka ny marina ao anatin’ny fanetren-tena, rehefa manjaka tokoa ny famindram-po sy ny fifamelan-keloka dia ho hisy tokoa ny tena fihavanana marina fa tena fihavanana mifototra amin’ny fahamarinana izany hoe fihavanana sady kristianina no Malagasy ary tsy anatin’ny henamaso na fihatsaram-belatsihy ....[......]
SOAVY IREO TSY TIA ANTSIKA……
Ry Kristianina havana, averimberintsika fa ny mandavantaona tahaka izao dia fotoana fandalinam-pinoana mba hanampy antsika ho OLON-DEHIBE AMIN’NY FINOANA izany hoe hanahaka an’i Kristy ka ho kristianina azo tavandraina, tsy “spectateur” fa tena “acteur”. Izany no tanjon’izao Sinaody izao arak any vavaka fanaontsika. Ny foto-kevitra amin'ity Alahady ity dia ny famelana. Anisan’ny toetran’i Jesoa izay tena manaitra tokoa io. Irin’ny Eglizy mba hivelona izany toetra izany isika vita batemy jiaby.
Ny famelan-keloka, izay vokatry ny fiainana miombona tanteraka amin’i Jesoa. Mamindra fo amin'ny namana, araka ny ohatra tsara nomen'i Jesoa antsika. Midika izany fa ny lalan’ny fitiavana no asandratsika amin'ny toerana ambony dia ambony.......[....]
ANDRIAMANITRA NO TENA MAHASAMBA IRA FA TSY NY HAREN’NY TANY
Ry Kristianina havana, amin’izao Alahady mandavantaona tsotra fandalinam-pinoana ataontsika izao dia nibanjina manokana ny fiantsoan’Andriamanitra isika tamin’ny alahady lasa teo, nirahin’Andriamanitra isika ho mpanarato olona tahaka an’i Simona Piera, nirahina mba hamokatra tokoa isika raha miara-miasa amin’Izy Andriamanitra. Raha manao ny asan’Andriamanitra isika dia Andriamanitra no hanao ny asantsika. Izany tokoa ny “vocation” dia ny fanatanterahana ny sitrak’Andriamanitra. Nilaza tamintsika I Jesoa tamin’ny Alahadyfaha-5 mandavantaona lasa teo “Alatsaho ny harato mirosoa amin’ny lalindalina kokoa”. Amin’izao Alahady faha-6 mandavantaona izao dia manasa antsika indray kosa ireo vakiteny aroson’ny Eglizy mba hiroso lalindalina kokoa isika eo anivon’ny fiainantsika satria irahina isika hikatsaka ny hasambarana......[.....]
Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky
MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA