“ Izao tontolo izao no irin’Andriamanitra ho Eglizy fianakaviany ”
Ry Kristianina havana, mbola ao anatin’ny fankalazana ny Noely isika, Andriamanitra eo anivontsika, Andriamanitra miseho amintsika. Amin’izao Alahady Epifania fankalazana ny nisehoan’ny Tompo izao dia mbola anatin’ny Noely. Niseho tamin’ny vahoakany izy Tompo dia ilay vahoaka feno fahamarinana, fanetren-tena sy fahatsoram-po dia i Maria sy Josefa izay fianakaviana voafidy hiainany ny maha-olombelona azy ary ireo mpiandry ondry nanambaran’ny anjely fa misy zaza teraka ao Betlehema, ny anarany atao hoe Emanoela. Fa ireo mpiavonavona kosa dia tsy afaka nandray azy, hitantsika ireo mpandray vahiny nilaza fa tsy nisy
toerana ho azy ireo tao an-trano, tahaka an’I Heroda izay namono ny zaza tsy manantsiny. Toetrantsika olombelona izany, vokatry ny avonavona dia mifody ny fontsika ka tsy afaka mandray izay tena fahasambarana.....[....]
Tsindrio eto hihaino ny toriteny
RENIN’ANDRIAMANITRA SY MPANJAKAVAVIN’NY FIADANANA I MASINA MARIA
Ry Kristianina havana, ho antsika kristianina katolika dia efa nifampiarahaba sy nifampirary soa ny taom-baovao isika taorian’ny fankalazana an’I Kristy Mpanjaka dia tamin’ny alahady voalohany fiaviana no nanombohantsika ny taombaovao litorjika ka efa mamakivaky ny taona vaovao isika amin’izao kanefa araky ny averimberintsika matetika na dia tsy anisan’izao tontolo izao aza isika kristianina dia eo anivon’izao tontolo izao ho famantaram-pamonjena sy mizara ny manta sy ny masaka amin’ny vahoaka manodidina azy ka an-karavoana no iarahabako antsika jiaby oloaraiky amin’izao voalohan’ny volana janoary fankalazana an’I Masina Maria Renin’Andriamanitra izao. Izao no andro ho firariantsoa, amin’ny maha Ray aman-dReny ny tena dia an-kafaliana no angatahako ny tsodranon’Andriamanitra ho antsika tsirairay.....[....]
Mifohaza ianao, ka ento ny Zazakely sy ny reniny
Ry Kristianina havana, mankalaza manokana ny Fianakaviana Masina isika androany dia ny fianakaviana nisy an'i Jesoa, Maria ary Josefa ary anio koa araka ny hafatr’i Papa no hamaranana ny taon-jobilin’ny fanavotana ka hanakatonana ny Varavarana Masina. Ny Varavarana Masina no mikatona fa ny fanantenana nentin’ny fankalazana mitohy satria “tsy manodoka ny Fanantenana dia i Kristy izay tonga eo anivontsika”. Tsy mahagaga raha alahadin’ny Fianakaviana Masina no hanakatona azy ary isika izao no misolo ny fianakaviana rehetra manambara na dia eo aza izao krizy mafy dia matoky isika fa miara-dalana amintsika ka ho tonga amin’ny tena fiainana isika mianakavy. Tsy afenina tokoa fa marary ny fianakaviana ka mila ny fanasitranana avy amin’Andriamanitra. Raha marary ny fianakaviana dia marary ny fiaraha-monina, marary ny firenena....[.....]
« Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny dia tao amin’Andriamamtra, ary Andriamanitra ny Teny» (Jo. 1, 1)
Ry Kristianina havana, na dia efa natao tamin'ny fomba manetriketrika ny fiarahabana tamin'ny alina mialoha ny Noely dia an-kafaliana, an-karavoana no amerenana ny firarian-tsoa sy ny fiarahabana. Tahaka ny fary lava vaniny tokoa ny firarian-tsoa fa indrindra amin'izao fankalazana manetriketrika ny Noely izao ary hafaliana no amerenana azy amintsika olo araiky jiaby. Bonne et sainte fête de Noël antsika jiaby e, enga anie ho Noely hitondra fiadanana tanteraka izao Noely 2025 izao, ao anatin’ny famaranana ny taon-jobilin’ny fanavotana izao. Tanteraka eo anivon'ny fiainantsika izany fiadanan'ny Noely izany raha manome voninahitra an'Andriamanitra ny fiainantsika manontolo......[.....]
"Indro ny Virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy, ary ny Anarany hatao hoe Emanoela, izany hoe: amintsika Andriamanitra”
Ry Kristianina havana afaka andro vitsivitsy dia hiaraka hankalaza ny fetin'ny Noely isika, anio tokoa manko ny Alahady faha-4 fiavian'ny Tompo. Matetika isika namerimberina fa ny fankalazana ho antsika dia midika zavatra lalina satria tsy hoe mahatsiaro fotsiny isika fa ny Noely dia Andriamanitra eto amintsika, Emanoela no anarany. Tsy hoe "anniversaire"n'i Jesoa no ankalazaintsika fa noho ny asan'ny Fanahy masina dia mahatsiaro ilay fiaviana tamin'izany fotoana izany isika no sady mivelona no miaina an'izany fotoan-dehibe nahatongavan'ny zanak'Andriamanitra ho olombelona izany ka izao Alahady faha-4 izao dia mialoha an'io fankalazana io ......[........]
Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky
MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA