Home » FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

ALAHADY FAHA-05 TSOTRA MANDAVANTAONA D2025

ISIKA TSIRAIRAY NO ANTSOIN’ANDRIAMANITRA SY IRAHINY….

Raha tamin’ny alahady lasa teo dia niara-nankalaza ny nanolorana ny Tompo isika. Jiro Masina ho antsika satria i Jesoa no Jiro manila antsika ary isika noho ny Batemy dia zary jiro manila ny manodidina antsika. Indro amin’izao alahady izao fa azo lazaina manohy tanteraka izany ireo vakiteny, izany hoe hivelomantsika izay maha-Jiro antsika ka azo lazaina ho “Alahadin’ny vôkasiona”, satria samy hitantsika eto ny antso natao tamin'i Izaia sy i Masindahy Paoly ary tamin’ireo Apòstòly efatra voalohany. Hararaotintsika handinihana mikasika ny vokasiona fa indrindra amin’izao taon-jobily izao izay iantsoana antsika ho Mpivahinin’ny Fanantenana ary iatrehantsika ny Sinaody faha-7 fijanonana faha-3 satria fivelomana an’io vokasiontsika io no tanjona sy fototra ny dinika rehetra.....[....]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY 02 FEBROARY FANKALAZANA NANOLORANA NY TOMPO

Ankehitriny, ryTompo, vaoalefanao am-piadanana araka ny teninao ny mpanomponao,fa ny masoko nahita ny famonjena avy aminao


Ry Kristianina havana, raha ny marina dia alahady faha-4 mandavantaona anio nefa noho izy mifanindry amin’ny 02 febroary ankalazantsika ny nanolorana ny Tompo tao an-tempoly izay antsointsika hoe fetin'ny Jiro masina dia ny 2 febroary no ankalazaintsika. Isaorantsika Andriamanitra satria manampy antsika tokoa amin’izao fiarahan-dia ataontsika Mpivahinin’ny Fanantenana, amin’izao taon-jobilin’ny famonjena izao ny fibanjinantsika ny 2 febroary. Manasa antsika hanaraka ny litorjia fa tena fampianarana mikasika ny maha-mpivahiny antsika antsoina hitondra fahazavana dia I Kristy eo anivon’izao tontolo izao.
Fanamasinana ny jiro masina no anombohana azy ety ivelan’ny Eglizy mialoha ny fankalazana ny Eokaristia.....[....]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY FAHA-03 TSOTRA MANDAVANTAONA D2025

« Nampianatrataoamin’nysinagôgan’izyireoIzy, ka nankalazain’izyrehetra » (Lk. 1: 15)

 
Ry Kristianina havana, amin’izao mandavantaona izao dia fandalinam-pinoana no ataontsika izany hoe miainga amin’ireo vakiteny aroson’ny Eglizy amin’izao taonan’i Md Lioka izao, dia alalinintsika ny fiainan’I Jesoa mba ho zary fiainantsika izany ny maha-kristianina mpanara-dia an’i Kristy, ho Kristy Mpiara-belona amin’ny olona, ho Tabernakla velona tahaka an’I Masina Maria, ho Mpivahinin’ny Fanantenana mamafy hafaliana, fiadanana, fihavanana sady kristianina no malagasy manasitrana ny ratran’izao tontolo izao. Izao tokoa ny fotoana tsara hirosoantsika lalindalina kokoa amin’ny Sinaody faha-7 fijanonana faha-3 ka hivelona ny lohahevitra FIANAKAVIANA EGLIZY KELY MIFANASOA MIFAMPITSIMBINA MIKATSAKA NY SOA IOMBONANA…[..........]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY FAHA-02 TSOTRA MANDAVANTAONA D2025

« Naneho ny voninahiny Izy ka nino Azy ny mpianany » (Jo. 2: 11)

 
Ry Kristianina havana, nofaranantsika tamin’ny Alahady lasa teo tamin’ny fankalazana ny batemin’ny Tompo ny vanimpotoanan’ny noely. Batemin’I Jesoa izay manambara ihany koa fa ny batemintsika tsy batemy fibebahana fotsiny fa batemy mampiditra antsika ho zanak’Andriamanitra ka mahatonga antsika ho Fianakaviam-ben’Andriamanitra, Olo Araiky isika jiaby. Rehefa zanany isika dia mivelona araka ny mahazanak’Andriamanitra izany sy mandray an-tànana ka mankalaza ny voninahitr’Andriamanitra amin’ny mahazanany antsika sy mizara ilay famonjena nomeny antsika amin’ireo manodidina antsika ka mampiditra antsika amin’ny fiainana andavanandro. Izany no banjinintsika amin’izao Alahady faharoa mandavantaona izao, mampiditra antsika amin’ny fiainana andavanandro ary ny fiainan’I Jesoa no zary fiainantsika amin’ny andavanandro. Androany ny lohahevitra“Ny hahasambatra antsika no sitrak’Andriamanitra” dia manasa antsika hiaina izany rehetra izany miaraka amin’Andriamanitra satria eo anivontsika I Jesoa.....[.........]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY BATEMIN'NY TOMPO TAONA D2025

« Tamin’ilay natao batemy iny ny vahoaka rehetra dia natao batemy koa iJesoa» (Lk. 3: 21)


Ry Kristianina havana, izao Alahady fankalazana ny batemin'ny Tompo izao no amaranantsika ny fankalazana ny Noely ka hidirantsika amin'ny mandavantaona. Nohalalinintsika nandritra ny Noely fa Andriamanitra tsy lavitra ny Andriamanitsika fa eo anivontsika, eo anivon'ny fianakaviany, isika Olo Araiky Jiaby. Andriamanitra miara-dia, miara-dalana amintsika tokoa manorina lanitra vaovao sy tany vaovao mba hiova ny fiainantsika ho fiainan’ny Zanak’Andriamanitra.
Araka ny voalazantsika dia Noely miavaka ity noely satria mampiditra antsika amin’ny Taon-jobilin’ny famonjena. Taom-pahasoavana lehibe hivelomana ny batemy......[........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

TWITTER DE MGR RAMAROSON BENJAMIN

https://x.com/OloAraiky

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..