Home » FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FIAVIAN'NY TOMPO - ALAHADY FAHA-2 - TAONA D2024

"Amboary ny lalan'ny Tompo, ahitsio ny halehany; ny lohasaha rehetra hototofana, ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra haetry" Lk 3,5


Ry Kristianina Havana, tena tafiditra ao anatin'ny fiomanana amin’ny fahatongavana na Avent isika. Araka ny volagnintsika dia manokana ity fankalazana ny Avent, fankalazana ny fiavian'ny Tompo ity satria tena mampiditra antsika amin’ny fiatrehana ny Sinaody izay azo lazaina fomba lehibe handraisantsika ny Tompo eo anivon’ny fiainantsika ka hanaovantsika « DEPART VAOVAO », fiaingana vaovao hoy isika. Ary izay no hahatongan’ny Tompo eto anivon’ny fiainantsika. Ary ny tena tsipihina manokana dia izao Avent izao no manomana antsika amin’ny Jobilin’ny famonjena antsika....[.......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

 

FIAVIAN'NY TOMPO - ALAHADY VOALOHANY - TAONA D2024

« Miandrandrà ka asandrato ny lohanareo, fa efa akaiky ny fanavotana anareo »


Ry Kristianina havana, nankalaza an'i Kristy mpanjaka isika tamin'ny Alahady lasa teo izay namaranantsika ny taona litorjika ary izao Alahady izao no hanombohantsika ny volana desambra volana hamaranantsika ny taona 2024. Izao Alahady voalohan’ny Avent izao no idirantsika amin'ny taona litorjika vaovao, Taonan’i Md Lioka satria ny Evanjeliny no hobanjinintsika manokana amin'ity taona D ity. Md Lioka izay mampisongadina bebe kokoa mikasika ny famindrampon'Andriamanitra sy
i Masina Maria. Mandritra ny taona isika no handalina izany. Faly sy ravo miarahaba antsika amin'izao taona vaovao litorjika izao izay taona ho entintsika Olo Araiky Jiaby.......[.......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY FAHA-34 TSOTRA MANDAVANTAONA B2024

« Dia hoy i Pilaty taminy: Koa Mpanjaka izany Ianao ? Ary novalian’i Jesoa hoe : Efa voalazanao : Mpanjaka Aho » (Jo. 18: 37)


Ry Kristianina havana, anio no Alahady mamarana ny taona litorjika ka asain’ny Eglizy isika androany hibanjina ny faran’izao rehetra izao sady volana novambra izay volana hibanjinantsika ny fiainan-ko avy. Tsarovy fa nanantitrantitra isika tamin’ny Alahady lasa teo fa mbola hiverina amin’ny fomba manetriketrika I Kristy. Izao alahady faha-34 izao tokoa no famaranana ny taona litorjika ka ankalazantsika an’i Kristy Mpanjakan’izao rehetra izao. Fombantsika ny mifampiarahaba rehefa mifarana ny taona ka isika Kristianina katolika dia androany no mamarana ny taona litorjika taona B......[....]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY FAHA-33 TSOTRA MANDAVANTAONA B2024

« Dia ho hita amin’izay ny Zanak’olona avy eo ambonin’ny rahona amin-kery lehibe sy voninahitra » (Mk. 13: 26)


Ry Kristianina havana, tamin’ny Alahady faha-32 mandavantaona lasa teo ny fampianarana azontsika dia ny hoe izay tia mahafoy, fototry ny fiainantsika sy ny maha zanak’Andriamanitra antsika ny fahafoizana, fototry ny maha Kristianina antsika ny fahafoizana eo amin’ny mpiara belona amintsika, fototry ny maha mpanorina antsika EOV sy ETA. Averimberintsika matetika araka ny fampianaran’I Papa François fa ny “politika lavorary” dia ny fahafoizana sy fanompoana. Miatrika izao Sinaody faha-7 izao isika ary ao anatin’ny fiomanana hanatanteraka ny hasim-pinoana.Ary izao Alahady faha-33 izao no nofidin’ny Papa ho andro fanasoavana ny mahantra. Indrisy fa vokatr’ity KRIZY MAROLAFY mikiky antsika ity dia mihamaro ny mahantra eto amintsika.....[....]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY FAHA-32 TSOTRA MANDAVANTAONA B2024

« Lazaiko marina aminareo fa io mpitondratena mahantra io no nandatsaka be indrindra tamin’izay rehetra
nandatsaka tao amin’ny fandatsahan-drakitra »(Mk. 12: 43)


Ry Kristianina havana, raha tamin’ny Alahady lasa teo isika nandinika ny fitsipika volamena mba hialantsika amin’ilay fivavahana ety ivelany sy ny fanatanterahana fitsipika fotsiny izay nanomezan’i Jesoa tsiny an’ireo mpanora-dalàna sy Farisiana tamin’ny fotoanandrony, amin’izao Alahady faha-32 mandavantaona izao dia miditra lalindalina amin’izany fandinihana ny fitsipika volamena izany isika. Nilaza i Jesoa : “Mihainoa ry Israely, ny Tompo Andriamanintsika no Tompo Andriamanitra tokana ka tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao, amin’ny fanahinao, amin’ny sainao ary herinao manontolo”, izany no didy voalohany, ny faharoa mitovy amin’izany : “Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.....[......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

TWITTER DE MGR RAMAROSON BENJAMIN

https://x.com/OloAraiky

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..