“ Koa aoka izay nakamban’Andriamanitra tsy hosarahin’olombelona “ (Mk. 10, 9)
Ry Kristianina havana, amin’izao Alahady 6 Oktobra 2024, Alahady tsotra faha-27 mandavantaona izao, alahady anombohantsika ny fikatrohana pastoraly hidirantsika amin’ny fiatrehana ny SINAODY faha-7 fijanonana faha-3 na 3ème session izao, hoy isika, ka ny lohahevitra sady tanjona no toe-panahy manentana antsika dia ny hoe FIANAKAVIANA EGLIZY KELY MIFAMPITSIMBINA MIFANASOA MIKATSAKA NY SOA IOMBONANA. Azo lazaina fa sady fanohizana no fivelomana ny KEN 2024 FIHAVANANA HANASITRANA AN’IZAO TONTOLO IZAO, MPIRAY TAMPO ISIKA JIABY.
Mahavariana ny fandaharany fa ny lohahevitra amin’izao alahady faha-27 izao dia mikasika ny dinika irintsika atao : Olo Araiky Isika Jiaby, fianakaviana iray ny Olombelona, Fratelli Tutti hoy ny Papa François amin’ny Ansiklikany,.....[.....]
“ Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika »(Mk. 9: 39)“
Ry Kristianina havana, tamin’ny Alahady lasa teo isika nanantitrantitra ireo toetra fototra lehibe nahatonga an’i Jesoa nanambara fa tsy maintsy manana ny toetry ny zazakely isika eo amin’ny fifandraisantsika andavanandro sy nilazany koa fa izay te ho lehibe aminareo aoka izy ho tahaka ny zazakely ary ho vonona hanompo satria izany no làlana hahafahana miroso lalindalina kokoa amin’ny fiainana sy fiombonana amin’Andriamanitra. Averintsika vetivety ireo toetry ny zazakely tsara ananana : fitokisana an’Andriamanitra, fahatsorana mitondra amin’ny marina mandrakariva ary fahadiovam-po.
Naverintsika ireo satria toetra ahafahantsika MIHAINO izay tena ilaina tokoa amin’izao SINAODY fijanonana faha 3, 3ème session izao satria tsy afaka hifampitsimbina sy hifanasoa ka hikatsaka ny soa iombonana raha tsy mivelona ireo toetra izao.....[......]
“NY FIALONANA MANDRAVA FITIAVANA, NY FANETREN-TENA AHAVITANA SOA”
Ry kristianina havana malala, araka ny fanantenana natao tamintsika dia ho fivelomana ny vokatry ny KEN 2024 dia tohizantsika amin’izao taona pastoraly manomboka ny SINAODY FIJANONANA FAHA-3 dia ny FIANAKAVIANA EGLIZY KELY MIFANASOA SY MIFAMPITSIMBINA MIKATSAKA NY SOA IOMBONANA. Ho tonga any amintsika tsy ho ela ny torolalana na lineamenta entintsika mikatroka madinika azy. Manantena antsika jiaby hiatrika ny Sinaody.
Fa anisan’ny fivelomanana an’izany koa ny fankalazana aty Anivorano. Feno 70 taonan’ny batemy voalohany teto. Izany indrindra no nodinihin’izy ireo nandritra ny taona : “Nataonao inona ny bateminao?” Miankina amin’ny valintenintsika mitambatra sy isaky fikambanana sy firohotana ary asam-baomiera no hahafantarana fa efa latsa-paka ny finoana. Izany hoe tsy finoana entim-pahazarana intsony fa finoana velona latsa-paka. Isika eto Anivorano no afaka mamaly an’izany ary isika eto amin’ny diosezy ihany koa?.....[.......]
Avy ao Jesoa sy ny mpianany, dia nankany amin'ny vohitra manodidina an'i Sezarean'i Filipo, ary teny an-dàlana dia nanontany ny mpianany izy nanao hoe: Ataon'ny olona ho iza moa aho?
Ry Kristianina havana malala, manohy hatrany ny diantsika isika vokatry ny KEN. Tamin’ny alahady lasa teo tany Vohémar no niara-nisaotra an’Andriamanitra isika satria eo anivontsika tokoa Andriamanitra ary miantso antsika Izy hanohy ny asany. Manambara izany fa mitohy hatrany ny vanim-potoana hirosoantsika amin’ny « départ vaovao » ao anatin’ny Pantekoty Vaovao, omban’ny Fahasoavan’Andriamanitra amin’izao SINAODY izao. Anisan’izany fahasoavana raisintsika ny fametrahana an’I Mompera Rédemporista nialoha lalana miandry ny fitsanganan-ko velona ao amin’ny fasana vaovao niaraka tamin’ny voadin’ireo zandriny, zanany. Izany no manaporofo fa Olo Araiky ao amin’Andriamanitra Isika Jiaby araka ny fiekem-pinoana ataontsika « Izaho mino ny fiombonan’ny Olomasina… ». Ataoko fa mazava amintsika tsara amin’izao ny dikan’ny litanian’ny Olomasina amin’ny fanamasinana sy amin’ny voady....[....]
“« Tsara avokoa ny zavatra rehetra nataony, fa nampalady ny marenina Izy sy nampiteny ny moana » (Mk. 7: 37)“
Ry Kristianina havana, anio alahady faha-8 n'ny volana septambra, septambra volana ibanjinana manokana ny tontolo iainana araka ny hafatry ny Papa "Manantena ary miasa miaraka amin'ny zava-boary". Ezaka mitohy ataontsika miaraka amin’ny diosezy maitso. Manentana antsika jiaby hiaro sy hikolokolo ny tontolo iainana.
Vita iny ny KEN 2024. Miara-misaotra an’Andriamanitra fa nanampy antsika hivelona bebe kokoa nymahakristianina antsika ary indrindra amin’izao taom-bavaka izao manomana ny taon-jobilin’ny famonjena ka hahatonga antsika ho “MPIVAHININ’NY FANANTENANA MIVELONA NY FIAINANA EOKARISTIKA MAHAFOY MANOMPO AO ANATIN’NY FAHAMARINANA......[.......]
Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky
MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA