Home » FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

ALAHADY FAHA-16 TSOTRA MANDAVANTAONA A2023

MAHANDRY ANDRIAMANITRA ARY MAMINDRA FO


Ry Kristianina havana, ao anatin’ny fanatanterahana ny Sinaody isika ary miomana amin’ny fanamasinana ireo diakra ho pretra eto amin’ny diosezy ka izao indrindra no fotoana tsy maintsy anaovantsika vavaka totoafo mba hihavao tokoa ny fo amam-panahintsika fa indrindra ny lohahevitra dinihintsika amin’izao fijanonana faharoa, dingana faharoa dia ny hoe “Eglizy kely miaro sy mikolokolo ny tontolo iainana izao”. Naverimberintsika fa io ny vôkasiontsika tamin’ny nahariana antsika, raha tiantsika hiarina indray ity Tranobe Iombonana efa robaka ity dia tsy maintsy mivelona indray io vôkasiontsika io isika. Mitaky fiovam-penitra mahery vaika mitondra antsika hanana toetra manambara halemem-panahy, manambara fahatsoram-po. Ho sambatra isika amin’izany satria ho tonga diosezy maintso ny diosezintsika, ity faritra misy antsika ity. Zary diosezy feno fanantenana ny diosezintsika, ka ho feno fanantenana koa ny ho avy.
Izany tokoa ny manamarina ny teny faneva na slogan averimberintsika tsy amaray ny ho avy fa niany......[.......]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY FAHA-15 TSOTRA MANDAVANTAONA A2023

NOKENDREN’ANDRIAMANITRA HISY VOKANY EO AMIN’NY FIAINANTSIKA, NY TENINY

Ry Kristianina havana, mandeha hatrany fiainana na dia eo aza ity krizy marolafy mikiky ny fiainantsika ity. Sahirana tokoa isika rehetra. Mitaky firaisan-kina bebe kokoa izao krizy izao. Mitaky fifarimbonana na solidarité. Io ny fihavanana hiainana fa tsy resaka fotsiny. Tsy hoe mandeha anjambany isika amin’izany rehetra satria miara-dalana miatrika izao Sinaody izao mba EOV EGLIZY OLO VELOMIN’NY BATEMY MIOMBONA MIARA-DIA MANDRAY AN-TANANA ZARY MISIONERA TABERNAKLA VELONA. Miatrika ny dingana faharoa isika izao. Raha Kristy Mpiara-belona eo anivon'ny fiaraha-monina misy antsika ka tonga fahazavana sy fanasina fa eo ny Tenin'Andriamanitra manilo antsika, manilo ny fiainantsika, Izy no jiro maninteraka ny fiainantsika dia afaka mametraka rafitra manampy antsika hiatrika izao krizy izao.
Raha ny lohahevi-dehibe androany Alahady faha-15 mandavantaona dia manampy antsika handinika ny zava-misy ka manosika antsika handalina ny finoantsika bebe kokoa........[.........]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY FAHA-14 TSOTRA MANDAVANTAONA A2023

I JESOA: BE FITIAVANA SY MALEMY FANAHY


Ry Kristianina havana, isaky ny Alahady mandritra ny vaninandro mandavantaona dia manome toetra anankiray antsika ny Eglizy amin'ny alalan'ireo vakiteny izay henointsika ny Alahady ka halalinintsika mandritra ny herinandro mba hahatonga antsika ho Kristy mpiara-belona amin'olona, hahatonga antsika ho EOV, Eglizy Olo Velo miombona miara-dalana mandray an-tanana irahina ho Misionera, ho Tabernakla Velona.
Ny fanaovana asa soa, ny fandraisana ny vahiny, ny fandraisana ny hafa no nohalalinintsika tamin'ny Alahady faha-13 lasa teo mba hahatonga antsika ho Kristy eo anivon'ny mpiara-belona amintsika, hahatonga antsika ho fanasina amin'ireo mpiara-belona amintsika.......[.......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY FAHA-13 TSOTRA MANDAVANTAONA A2023

NY SOA ATAO, LEVENAM-BOLA


Ry Kristianina havana, averimberintsika matetika fa izao vanim-potoana mandavan-taona izao no entintsika hanamafy ny fandalinam-pinoana fa indrindra amin'izao isika miatrika ny Sinaody faha-7 izao. Araka ny averimberintsika koa tsy hoe manao Sinaody par étape isika fa étapen’ny sinaody, raha atao amin’ny teny hafa, dingan’ny sinaody. Sinaody iray ihany no ataontsika mba ahafahantsika mamehy aza tsara ary hitondra antsika amin’ny Pantekoty vaovao no andalinantsika araka ny station. Ny vakiteny koa manasa antsika handalina ny finoana satria vakiteny mitohy ho an’ny Evanjely sy amin’ny vakiteny faharoa fa ny vakiteny voalohany no safidiana mifanaraka amin’ny Evanjely. Ny tanjona fa indrindra amin’ny Sinaody dia ny hahatonga antsika ho Tabernakla velona tahaka an’I Masina Maria mitondra an’I Jesoa eo anivon’ny Mpiara-belona izany hoe hahatonga antsika no Kristy mpiara-belona amin'olona......[........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY FAHA-12 TSOTRA MANDAVANTAONA A2023

MAHATOKY ANDRIAMANITRA KA RESEO NY TAHOTRA


Ry Kristianina havana, avy nankalaza tamin’ny fomba manetriketrika ny Fankalazana ny Fo Masin’I Jesoa Mpiaron’ny diosezintsika isika izay mampiditra tanteraka antsika amin’ny vanim-potoana mandavantaona. Efa natombotsika tamin’ny alahady lasa teo sy notsipihintsika fa tsy misy kisendrasendra ao amin’Andriamanitra. Ny Evanjely sy ireo vakiteny dia miresaka ny vôkasiona. Nohararaotintsika ny nandalina mikasika ny atao “vôkasiona” miainga avy amin’ireo Tenin’Andriamanitra. Nilaina izany amin’izao isika miatrika ny Sinaody faha 7 izao. Io fivelomana ny “vôkasiona” io indrindra no averintsika matetika mba hahatonga antsika hivelona ny vôkasiona naharian’Andriamanitra antsika hatramin’ny voalohany. Anisan’ny manampy antsika amin’izany ireny vavaka diabe prôsesio nataontsika ireny. Ny vôkasiontsika tokoa dia ho Olo Araiky Isika, ho Fianakaviam-ben’Andriamanitra ka zary EGLIZY OLO VELOMIN’NY BATEMY MIARA-DIA MIOMBONA MANDRAY AN-TANANA IRAHINA HO MISIONERA HO TABERNAKLA VELONA.......[........]

 

Tsinddrio eto hihaino ny toriteny

Archidiocèse d'Antsiranana

EOV DIASPORA regroupe les originaires du diocèse d'Antsiranana résidant en Europe

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA - Archidiocèse d'Antsiranana

Ecoutez la Radio Faniry en ligne

Archidiocèse d'Antsiranana

Mission 2020 - 2021 Les prêtres du diocèse Antsiranana

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..