Home » FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

ALAHADY FAHA-20 TSOTRA MANDAVANTAONA A2023

NY OLOMBELONA REHETRA NO KENDREN’ANDRIAMANITRA HIDITRA AO AMIN’NY FANJAKANY

 

Ry Kristianina havana, raha nibanjina an'i Masina Maria nampakarina amim-boninahitra vatana sy fanahy any an-danitra isika tamin'ny 15 aogositra lasa teo ary dia faly sy ravo satria nisy havantsika tafita. Izany koa ny miandry antsika raha miombona amin'Andriamanitra isika, raha mivelona tahaka ny niveloman'i Masina Maria ny finoana ary izy no ohatra voalohany ho antsika amin'ny fiombonam-po tanteraka amin'i Kristy.

Vanim-potoana lehibe ho antsika ihany koa iny 15 Août satria nanamasinana an’ireo Zanatsika telo mirahalahy. Niaraka tamin’I Maria izy ireo nanao “ENY”. Fantatsika ny “eny’n’I Masina Maria. Nanao “eny” tamin’ny filazan’ny Arkanjely Gabriely izy ary tsy “eny” indray mandeha fa isan-teteky hatramin’ny teo am-pototry ny hazofijaliana. Satria ny “eny” dia fiombonam-piainana tanteraka tamin’I Jesoa Zanany. Ahoana ny fisehoan’izay “eny” izay? Tahaka ny an’I Jesoa tamin’ny fanompoana.....[........]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

15 AOGOSITRA - FANKALAZANA NAMPAKARINA AN'I MASINA MARIA AN-DANITRA

Nanao zava-dehibe tamiko ilay Mahefa; nasandrany ireo manetry tena.


Ny faha 15 aogositra dia miombona ny Eglizy eran-tany mankalaza amin’ny fomba manetriketrika ny Nampakarina an’i Masina Maria any an-danitra. Fety lehibe ho an’ny Eglizy izany satria ny fidiran’i Masina Maria ao amin’ny voninahitr’Andriamanitra no ankalazaintsika anio. Tsara marihina fa hafa ny fomba fiteny raha hilaza an’i Jesoa nitsangan-ko velona sy niakatra any an-danitra. Fa Masina Maria kosa lazaina hoe Nampakarina any an-danitra izany hoe tsy vokatry ny famendrehan’i Masina fa vokatry ny fanomezam-pahasoavana manokana avy amin’i Jesoa Zanany no ampakarana azy. Finoana no andraisantsika an’izany satria i Masina Maria no Renin’i Jesoa ary i Jesoa dia zanak’Andriamanitra ka noho izany dia Renin’Andriamanitra i Maria. Ao amin’ny voninahitry ny zanany izany i Masina Maria ary fanomezam-pahasoavana manokana avy amin’i Jesoa zanany........[.........]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY FAHA-19 TSOTRA MANDAVANTAONA A2023

MAMPATOKY NY MANATONA AN’I JESOA MPAMONJY


Ry Kristianina havana, tamin'ny Alahady lasa teo dia nankalaza an'i Jesoa niova tarehy teo an- tendrombohitra isika izay andro namaranana koa ny JMJ ka nanirahan’I Papa François an'ireo tanora maro be tany Lisbone mba ho tahaka an’I Masina Maria ho “Tabernakla velona”, “Mitsangana miainga malaky” hitondra an’I Jesoa, ho Kristy Mpiara-belona , ho "génération" mpanorina fa "tsy mpandrava" . Araka izany dia hitantsika fa mifanaraka tanteraka amin’ny Sinaody fa indrindra izao dingana faharoa izao dia Fianakaviana Eglizy kely miaro sy mikolokolo ny tontolo iainana izao. Mila génération mpanorina isika mba handova ny tany dia ity tranobe iombonana ity, ho voakolokolo satria napetrak'Andriamanitra ho karakaraintsika, fanamby ho antsika tokoa izany ka hivelomantsika ny maha Kristy mpiara-belona amin'ny olona antsika, ho mpanorina isika fa tsy hoe sanatria ho mpandrava na mpanapotika, ho taranaka mpandova ny tany, ho taranaka mpanorina, manatsara sy mandavorary ny fiainana ary i Kristy no modely ho antsika amin'izany.......[......]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY 06 AOGOSITRA - FANKALAZANA NY FIOVAN'NY TOMPO TAREHY

Ny Tavany namirapiratra tahaka ny masoandro.


Ry Kristianina havana, izao Alahady izao dia Alahady faha-18 mandavantaona fa noho izy mifanojo amin'izao daty 06 aogositra izao izay ankalazana amin'ny fomba manetriketrika ny fiovan'ny Tompo tarehy teo an-tendrombohitra, dia izay fankalazana izay no tsaroantsika manokana anio. Tsara ihany koa ny mampahatsiahy fa anio ny fanirahana an’ireo tanora marobe mitraotro aty Lisbonne toerana anaovana ny JMJ. Araka ny efa naverina matetika amintsika, ny lohahevitra dia I Maria nijoro nandeha haingana…. Azo lazaina àry fa mifanaraka amin’izao fankalazana ny Fiovan’ny Tompo tarehy anio izao izany lohahevitra izany satria manantena isika fa ireo tanora teto Lisbone, noho ny Fahasoavan’Andriamanitra, dia nifanojo tamin’I Jesoa ka niova, nibebaka ka tahaka an’I Maria vonona hijoro ary hiainga miala eto hitondra an’I Jesoa hanavao izao rehetra izao fa indrindra ny fifandraisana amin’ny lafiny telo izay mandrafitra ny mahaolona isika ka hivelona indray ny vôkasiontsika olombelona araka ny naharian’Andriamanitra antsika dia ny fifandraisana amin’ny zava-boaary.....[........]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY FAHA-17 TSOTRA MANDAVANTAONA A2023

I JESOA ILAY VATOSOA SAROBIDY


Ry Kristianina havana, ny fivelomantsika ny maha-vavolombelona antsika eo anivon'ny fiaraha- monina ka mahatonga antsika ho Kristy mpiara-belona amin'ireo manodidina antsika dia mitaky safidy matotra ary mitaky fahendrena izay tsy arak'izao tontolo izao fa ilay fahendrena omen'Andriamanitra tsilovin'ny Fanahy masina antsika. Izany ny foto-pampianarana amin'izao Alahady faha-17 mandavantaona handalinantsika ny finoantsika izao. Nahatsapa an'izany ny Mpanjaka Salomona henontsika tamin'ny vakiteny voalohany androany fa ny faharitan-tsaina sy fahendrena tena izy dia tovozina ao amin'Andriamanitra fa tsy eo anivon'ny herin-tsaina na vokatry ny harena fotsiny. Ny tena harena marina dia ny fahendrena izay manampy ny olona hanana ny fivelarana ny maha-olona manontolo sy ny olon-drehetra......[.........]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Archidiocèse d'Antsiranana

EOV DIASPORA regroupe les originaires du diocèse d'Antsiranana résidant en Europe

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA - Archidiocèse d'Antsiranana

Ecoutez la Radio Faniry en ligne

Archidiocèse d'Antsiranana

Mission 2020 - 2021 Les prêtres du diocèse Antsiranana

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..