Home » FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

ALAHADY FAHA-30 TSOTRA MANDAVANTAONA A2023

TIA AN’ANDRIAMANITRA SY NY NAMANA NO MAHA-KRISTIANINA


Ry Kristianina havana, amin'izao Alahady faha-30 taona mandavantaona izao dia sady Alahady hamaranantsika ny volan'ny raozery no volan’ny misiona. Mbola ao am-pontsika ny fankalazana ny Sinaody ary ao an-tsaintsika ireo fehin-kevitra maniraka antsika hiroso amin’ny lalindalina kokoa ka hahatonga antsika ho EGLIZY OLO VELONA MIARA-DALANA MIOMBONA MANDRAY AN-TANANA MISIONERA ZARY TABERNAKLA VELONA.
Ny foto-kevitra lehibe aroson'ny Eglizy ho saintsainintsika sy ho halalinintsika ary hivelomantsika eo amin'ny fiainantsika andavanandro ka hahatonga antsika hanana fiainana mirindra, araka ny averimberina amintsika hahay hampitraotra ny fiainana andavanandro sy ny finoana hahatonga antsika ho Kristy mpiara-belona amin'olona dia fivelomana tokoa ny identitén-tsika, ny maha-kristianina antsika.......[........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY FAHA-29 TSOTRA MANDAVANTAONA A2023

 NY ANDRIAMANITSIKA: MIZANA BE TSY MIANGATRA

Ry Kristianina havana, avy niatrika ny Fijanonana faharoa na koa ny dingana faharoa amin’ny Sinaody isika. Nahatsapa isika fa maro ny zavatra mbola tsy maintsy halalinina mba hahatonga antsika ho OLON-DEHIBE AMIN’NY FINOANA. Amintsika miresaka izao dia mikatroka koa ny any Roma, mivory mandinika mikasika ny Sinaody faha-16 handalinana ny maha-Eglizy miara-dia. Entintsika am-bavaka izany araka ny fangatahan’ireo Tompon’andraikitra. Ao anatin’ny volana oktobra, volan’ny mission izany rehetra izany no miseho. Tsy misy kisendrasendra hoy isika amin’ny Tompo fa ataon’izao rehetra izao hahasoa ireo izay tiany. Tiany tokoa isika satria amin’izao volana oktobra izao izany no handinihantsika manokana ny maha EOV MISIONERA antsika , ny maha Tabernakala velona antsika ary tsy irery isika fa miaraka amin’i Masina Maria ilay Misionera voalohany sy Mb Teresin’I jesoa Zazakely izay Mpiaro voalohan’ny misiona.....[.......]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY FAHA-28 TSOTRA MANDAVANTAONA A2023

ANTSOIN’NY TOMPO HANKEO AMIN’NY FANASANY ISIKA 
 
Ry Kristianina havana, antsoin'Andriamanitra isika ho ao anatin’ny hasambarana miaraka Aminy, ho Olo Araiky sy fianakaviambe ao Aminy. Koa amin'izao Alahady faha-28 mandavantaona izao dia antsoiny isika amin'ny fanasana lehibe iombonana Aminy mba hahazahoantsika ny tena hasambarana ary efa mampitsinjo antsika sahady ny amin'ny fiafarantsika koa Izy. 
Ry Kristianina havana inona tokoa moa no niainantsika nandritra ny fankalazana ny Sinaody dingana faha 2 na ny Fijanona faharoa nibanjinantsika ny “fianakaviana “Eglizy kely” miara-miaro sy mikoloko ny tontolo iaianana”. Ny fandalinana nataontsika dia  nanampy antsika hahatsapa ny vôkasiontsika hatramin’ny naharian’Andriamanitra antsika. Tsy inona fa noharian’Andriamanitra amin’ny hasambarana isika ka ny loharano sy fototra dia ny fivelomantsika indray ny fifandraisana amin’ny zava-boary, amintsika samy isika ary amin'Andriamanitra......[..........]
 

ALAHADY FAHA-27 TSOTRA MANDAVANTAONA A2023

TANIMBOALOBOK’ANDRIAMANITRA ISIKA 
 
Ry Kristianina havana, tsy mitsahatra isika fa indrindra amin’izao volana oktobra volan'ny raozery izao hibanjinantsika miaraka an'i MASINA MARIA ireo misterin'ny famonjena antsika ka hahatonga antsika tokoa ho Kristy mpiara-belona amin'olona hitondra ny famonjena. Aoka tsy hadino koa fa ny volan’ny oktobra dia volan’ny Misiona, volan’ny Iraka. Tsy isika no nifidy izao alahady izao ho fanirahana antsika nahavita ny fijanonana faharoa, ny dingana faharoa amin’izao Sinaody faha-7 izao. Isaorantsika Andriamanitra satria na dia maro aza ny tsy lavorary dia am-panetren-tena ihany koa no anambarantsika fa nahavita dingana isika ka afaka milaza fa EOV EGLIZY OLO VELOMIN’NY BATEMY MIOMBONA MIARA-DALANA MANDRAY AN-TANANA IRAHINA HO MISIONERA…[......]

ALAHADY FAHA-26 TSOTRA MANDAVANTAONA A2023

NY TOKY FITAKA, FA NY ATAO NO HITA 
 
Ry Kristianina havana, miditra amin'ny lalindalina kokoa amin'ny fandalinam-pinoana isika satria ity herinandro ity no anatanterahantsika ny dingana faharoa amin’ny Sinaody ka ny lohahevitra halalinintsika dia ny hoe “FIANAKAVIANA EGLIZY KELY MIARA-MIARO NY TONTOLO IAINANA SY MIKOLOKOLO NY ZAVA-BOAARY”. Araka ny  averimberina dia ny volana septambra iny no volana natokana hivavahana ho an’ny fiovana’ny toetr’andro sy ny firotsahana bebe kokoa amin’ny fiarovana sy ny fanorenana ny Tranobe Iombonana. Amin’ny 4 Oktobra no hamaranantsika io iray volana io fa ny fiainana kosa mitohy indrindra fa ny vokatry ny Sinaody izao. Matetika isika no milaza fa tsy misy kisendrasendra fa asehon’Andriamanitra amintsika tokoa ny sitrany. Sitrany izao fanatanterahantsika ny Sinaody izao ary iombonantsika amin’ny Eglizy Erantany satria amin’izao volana oktobra izao no miatrika ny dingana faha-3 ny Sinaody any Roma ny solontena avy eran’izao tontolo izao tahaka ireo solontenantsika avy amin’ny lafy valon’ny diosezy. ....[.......]
 
Archidiocèse d'Antsiranana

EOV DIASPORA regroupe les originaires du diocèse d'Antsiranana résidant en Europe

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA - Archidiocèse d'Antsiranana

Ecoutez la Radio Faniry en ligne

Archidiocèse d'Antsiranana

Mission 2020 - 2021 Les prêtres du diocèse Antsiranana

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..