« Naneho ny voninahiny Izy ka nino Azy ny mpianany » (Jo. 2: 11)
Ry Kristianina havana, nofaranantsika tamin’ny Alahady lasa teo tamin’ny fankalazana ny batemin’ny Tompo ny vanimpotoanan’ny noely. Batemin’I Jesoa izay manambara ihany koa fa ny batemintsika tsy batemy fibebahana fotsiny fa batemy mampiditra antsika ho zanak’Andriamanitra ka mahatonga antsika ho Fianakaviam-ben’Andriamanitra, Olo Araiky isika jiaby. Rehefa zanany isika dia mivelona araka ny mahazanak’Andriamanitra izany sy mandray an-tànana ka mankalaza ny voninahitr’Andriamanitra amin’ny mahazanany antsika sy mizara ilay famonjena nomeny antsika amin’ireo manodidina antsika ka mampiditra antsika amin’ny fiainana andavanandro. Izany no banjinintsika amin’izao Alahady faharoa mandavantaona izao, mampiditra antsika amin’ny fiainana andavanandro ary ny fiainan’I Jesoa no zary fiainantsika amin’ny andavanandro. Androany ny lohahevitra“Ny hahasambatra antsika no sitrak’Andriamanitra” dia manasa antsika hiaina izany rehetra izany miaraka amin’Andriamanitra satria eo anivontsika I Jesoa.....[.........]
« Tamin’ilay natao batemy iny ny vahoaka rehetra dia natao batemy koa iJesoa» (Lk. 3: 21)
Ry Kristianina havana, izao Alahady fankalazana ny batemin'ny Tompo izao no amaranantsika ny fankalazana ny Noely ka hidirantsika amin'ny mandavantaona. Nohalalinintsika nandritra ny Noely fa Andriamanitra tsy lavitra ny Andriamanitsika fa eo anivontsika, eo anivon'ny fianakaviany, isika Olo Araiky Jiaby. Andriamanitra miara-dia, miara-dalana amintsika tokoa manorina lanitra vaovao sy tany vaovao mba hiova ny fiainantsika ho fiainan’ny Zanak’Andriamanitra.
Araka ny voalazantsika dia Noely miavaka ity noely satria mampiditra antsika amin’ny Taon-jobilin’ny famonjena. Taom-pahasoavana lehibe hivelomana ny batemy......[........]
“ Izao tontolo izao no irin’Andriamanitra ho Eglizy fianakaviany ”
Ry Kristianina havana, mbola ao anatin’ny fankalazana ny Noely isika, Andriamanitra eo anivontsika, Andriamanitra miseho amintsika.
Amin’izao Alahady Epifania fankalazana ny nisehoan’ny Tompo izao dia mbola anatin’ny Noely. Niseho tamin’ny vahoakany izy Tompo dia ilay vahoaka feno fahamarinana, fanetren-tena sy fahatsoram-po dia i Maria sy Josefa izay fianakaviana voafidy hiainany
ny maha-olombelona azy ary ireo mpiandry ondry nanambaran’ny anjely fa misy zaza teraka ao Betlehema, ny anarany atao hoe Emanoela.
Fa ireo mpiavonavona kosa dia tsy afaka nandray azy, hitantsika ireo mpandray vahiny nilaza fa tsy nisy toerana ho azy ireo
tao an-trano, tahaka an’I Heroda izay namono ny zaza tsy manantsiny. Toetrantsika olombelona izany, vokatry ny avonavona dia mifody ny fontsika ka tsy afaka mandray izay tena fahasambarana.......[........]
Mifohaza hianao, ka ento ny Zazakely sy ny reniny
Ry Kristianina havana, mankalaza manokana ny Fianakaviana masina isika androany dia ny fianakaviana nisy an’i Jesoa, Maria ary Josefa. Fianakaviana masina no iantsoana azy satria eo anivony Ilay Masina dia i Jesoa. Raha eo anivon’ny fiainantsika tokoa, eo anivon’ny fianakaviana, i Jesoa dia ho masina ny fianakaviantsika tsirairay ary izany no mahatonga antsika milaza fa Eglizy kely ny fianakaviana. Eglizy satria misy an’i Jesoa, Eglizy satria hiarahantsika mivavaka, Eglizy satria handalinantsika ny finoana amin’ny maha Kristianina antsika, Eglizy satria hijoroantsika vavolombelona manambara tahaka ny Fianakaviana masina izay eo anivony i Jesoa. Eglizy satria manompo sy manasoa ny hafa tahaka ny Fianakaviana masina tao Nazareta.......[........]
« Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny dia tao amin’Andriamanitra, ary Andriamanitrany Teny » (Jo. 1, 1)
Ry Kristianina havana, na dia efa natao tamin’ny fomba manetriketrika ny fiarahabana tamin’ny alina mialoha ny Noely dia an-kafaliana, an-karavoana no amerenako eto ny firarian-tsoa sy ny fiarahabana. Tahaka ny fary lava vaniny tokoa ny firarian-tsoa fa indrindra amin’izao fankalazana manetriketrika ny Noely izao ary hafaliana no amerenana azy amintsika oloaraiky. Bonne fête de Nôel antsika jiaby, enga anie ka ho
Noely hitondra fiadanana, tanteraka izany fiadanan’ny Noely izany raha manome voninahitra an’Andriamanitra ny fiainantsika manontolo. Araky ny fantatsika ao amin’ny vakiteny faharoa, taratasin’ I Hebrio, efa ela tokoa isika olombelona no maniry sy mangetaheta mba hiova ny fiainantsika.......[........]
Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky
MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA