NY OLOMBELONA REHETRA NO KENDREN’ANDRIAMANITRA HIDITRA AO AMIN’NY FANJAKANY
Ry Kristianina havana, raha nibanjina an'i Masina Maria nampakarina amim-boninahitra vatana sy fanahy any an-danitra isika tamin'ny 15 aogositra ary dia faly sy ravo satria nisy havantsika tafita. Amin'izao Alahady faha 20 mandavantaona dia azo lazaina fa mbola manohy an'izany fifaliana sy firavoana izany isika satria ireo vakiteny izay aroson'ny Eglizy androany dia handalinantsika ny finoana ka hahatonga antsika Kristy mpiara-belona amin'ireo manodidina antsika dia ny fiainana ilay toetra lehibe anankiray izay hita ao amin'i Masina....[.....]
Tsindrio eto hihaino ny toriteny
MAMPATOKY NY MANATONA AN’I JESOA MPAMONJY
Tian'ny Eglizy amin'izao Alahady faha-19 mandavantaona izao ny hampianatra antsika mba hahatoky manatona an'i Jesoa na dia misamboaravoara aza ny fiainana, na dia misy aza mitady handrava, na dia misy aza mitady hanapotika ...[......]
Tsindrio eto hihaino ny toriteny
Ry Kristianina havana, izao Alahady izao dia Alahady faha-18 mandavantaona fa noho izy mifanojo amin'izao daty 06 aogositra izao izay ankalazana amin'ny fomba manetriketrika ny fiovan'ny Tompo tarehy teo an-tendrombohitra, dia izay fankalazana izay no tsaroantsika manokana anio ary mifanaraka tsara amin'izao fandalinam-pinoana ataontsika amin'izao taona hibanjinantsika manokana an'i Kristy mpiara-belona amintsika ary irintsika mba isika ihany koa ho tonga Kristy mpiara-belona amin'ireo manodidina antsika.... [....]
Ry Kristianina havana, ny fivelomantsika ny maha vavolombelona antsika eo anivon'ny fiaraha monina ka mahatonga antsika ho Kristy mpiara-belona amin'ireo manodidina antsika dia mitaky safidy matotra ary mitaky fahendrena izay tsy arak'izao tontolo izao fa ilay fahendrena omen'Andriamanitra tsilovin'ny Fanahy masina antsika. Izany ny fotom-pampianarana amin'izao Alahady faha-17 mandavantaona handalinantsika ny finoantsika izao ...[....]
MAHANDRY ANDRIAMANITRA ARY MAMINDRA FO
Amin’izao Alahady faha 16 mandavantaona izao dia mampianatra antsika ny tenin’Andriamanitra manambara fa Andriamanitra maharitra tokoa izy, mamindra fo, mahandry, tsy mivadika amin’ny fanekeny. Ray mpamindra fo Andriamanitra, izy no mitondra antsika amin’ny fiainana feno famindram-po. Ray ny Andriamanintsika ary tsy misy miafiana aminy ny momba antsika, Ray be fitiavana sy famindram-po izy ary indrindra tsy manana fitsara mitanila, ny hahasoa antsika no tadiaviny, aoka ary hahatoky azy isika. Izany no tian’i Jesoa ambara momba ny fanoharana mikasika ny ahi-dratsy sy ny voatsara ao amin’ny Evanjely ka anoharany momba ny fanjakan’ny lanitra....[.......]
Tsindrio eto hihaino ny toriteny
Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky
MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA