NY ANDRIAMANITSIKA: MIZANA BE TSY MIANGATRA
Amin'ity fiainana ADY sady DIA ity dia tsy maintsy misy safidy ataontsika raha tsy izany dia rendrika isika, revo tanteraka ao anatin’izany Ady izany ary tsy ho tody amin'ny tiantsika aleha dia ny fiainana mandrakizay.
Ry Kristianina havana ny fototry ny fampianarana amin'izao Alahady faha 29 mandavantaona izao dia ny fanontaniana hoe : iza no fidintsika, iza no manentana ny fiainantsika, ary hevitr'iza no arahintsika eo amin'ny fiainantsika andavanandro, ny hevitr'izao tontolo izao ve sa Andriamanitra ? Dia ambaran'i Jesoa amin'io hevitra sy amin'ny fampianarana io ny tiany ambara amin'ny hoe iza no arahintsika eo amin'ny fiainantsika andavanandro. Iza no tompointsika satria izay tompoina no andoavana “hetra” ......[........]
ANTSOIN’NY TOMPO HANKEO AMIN’NY FANASANY ISIKA
Amin'izao Alahady faha 28 mandavantaona izao dia antsoin'Andriamanitra isika amin'ny fanasana lehibe iombonana aminy ka hazahoantsika ny tena hasambarana ary efa mampitsinjo antsika sahady amin'ny fiafarantsika koa. Averimberintsika matetika fa ady sady dia ny fiainana, ADY amin'ireo fakam-panahy manapotika sy mitady handrendrika antsika, tsy hahaizantsika mandavorary ny fiainantsika, tsy hahazoantsika ny tena fiadanana sy ny hasambarana, DIA mankany amin'ny tena fiainana, dia ny fiainana maha zanak'Andriamanitra ka hanasan'ny Tompo antsika ankehitriny ..[......]
TANIMBOALOBOK’ANDRIAMANITRA ISIKA
Ry Kristianina havana, tsy mitsahatra isika fa indrindra moa ao anatin'izao volana oktobra volan'ny raozery hibanjinantsika miaraka amin'i Masina MARIA ireo misterin'ny famonjena antsika ka hahatonga antsika tokoa ho Kristy mpiara-belona amin'olona hitondra ny famonjena. Amin'izao Alahady faha 27 mandavantaona izao dia mampitodika antsika tokoa ireo vakiteny atolotry ny Eglizy amintsika, mampitodika antsika amin'ny fiainantsika, ny firenentsika , ny fiaraha monintsika, ny tanintsika ity, tsy iza tokoa ny tanimboalobok'Andriamanitra fa isika ihany....[.....]
NY TOKY FITAKA, FA NY ATAO NO HITA
Anio 1 oktobra dia mankalaza an’I Mb Terezin’I Jesoa Zazakely isika. Izy no Mpiaro voalohan’ny Misiona. Androtsaka ny Oran-draozam-pahasoavana amintsika anie izy ka ho misionera tokoa isika jiaby. Raha tamin'ny Alahady lasa isika nandinika ny hoe tsy mahazo mipetrapetraka isika fa tsy maintsy miasa, izay no mbola antintranterin'i Jesoa amin'ny fanoharana ataony androany ao amin'ny Evanjely izay vakintsika amin'izao Alahady faha 26 mandavantaona izao. Tsy ampy ny manome toky fotsiny hoe handeha hiasa fa tsy maintsy manantanteraka an'izany asa izany isika ary raha miara-miasa amin'Andriamanitra isika dia Andriamanitra tokoa hanao ny asantsika....[......]
NY FIHEVITR’ANDRIAMANITRA TSY FIHEVITSIKA
Amin'izao Alahady faha 25 mandavantaona sady Alahady mamarana ny volana septambra izao dia asain'ny Eglizy isika hibanjina manokana ny anjara toeran'ny lahika eo anivon'ny fiainana andavanandro, Alahady antsoina hoe andron'ny lahika. Marina fa andron'ny lahika ny andro rehetra fa tian'ny eglizy asongadina handalinana sy handinihana ny anjara toerany androany izany hoe ny maha apôstôoly ny lahika eo anivon'izao tontolo izao. Ny lahika dia ireo miaina eo anivon'izao tontolo izao, amin'ny alalan'ny fiainany no anambarany ny vaovao mahafaly ka hitondrany ny toe-panahy maha Kristianina ...[.....]
Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky
MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA