ITY TANY ITY FANDALOVAM-BAHINY
Amin'izao Alahady faha 32 mandavantaona izao dia ampianarany isika amin'ny alalan'ireo vakiteny handalina tsara kokoa ary hifikitra amin'izay tena fahendrena marina dia ny fahendrena izay tsy inona fa ny fahaizantsika mijery ny hoavy izany. Izany no mahatonga antsika matetika mamerimberina hoe niany ny hoavy fa tsy amaray. Raha haintsika tokoa ny mametraka izao andro iainantsika izao dia izay ataontsika amin'ny andro iainantsika izao no tsy maintsy hanomanantsika ny hoavy, izany hoe raha mieritreritra ny hoavy isika dia tiantsika ho feno hafaliana, ho feno hasambarana, ho feno fiadanana izany hoavintsika izany ka dieny androany no tsy maintsy mamolavola hoe "inona marina ny fiadanana ho ahy, inona ny fahasambarana ho ahy, inona ny lamina mandrakizay ho ahy" ....[........]
Tsindrio eto hihaino ny toriteny
TOETRA MAHITSY SY MANETRY TENA NO ILAINA HANOMPOANA NY FIANGONANA
Miroso hatrany isika hivelona ny teny fanevan'izao taonan'ny fandalinam-pinoana izao dia ny hahatonga antsika ho Kristy mpiara-belona amin'olona ka ho zary fanasina sy fahazavana fa indrindra amin'izao vanim-potoana iainantsika izao izay mitaky tokoa ho vavolombelona fa tsy mpitoriteny. Manana ohatra velona isika amin'izany dia i Kristy, manana ny toetra maha-Andriamanitra azy izy kanefa nataony tsinontsinona izany, nietry tena izy ary naneho izany tamy mpiara-belona.
Ny foto-kevitra tian'ny Eglizy ho raisintsika amin'izao Alahady faha 31 mandavantaona izao dia tsy inona fa toetra mibaribary ao amin'i Kristy dia toetra feno fahamarinana sy mahitsy fo ary feno fanetren-tena ka ilaina tokoa raha te ho mpanompo tahaka an'i Kristy isika...[......]
Tsindrio eto hihaino ny toriteny
Tamin'ny Alahady lasa teo, faha 30 mandavataona no namaranantsika ny volan'ny raozery izay nibanjinantsika ny misterin'ny famonjena antsika : misterin'ny fahatongavana ho nofo, misterin'ny famirapiratan'ny fahazavana, misterin'ny fijaliana izay nibanjinantsika an'i Jesoa manolotra ny ainy ho fanavotana antsika ary ny mistery be voninahitra izay hibanjinantsika miaraka amin'i Masina Maria ny fiainan-koavy izay andrasantsika. Androany izay mampiditra antsika amin'ny volana novambra ka hatsarovantsika ireo nialoha làlana antsika indrindra mampahatsiaro antsika fa any an-danitra no tena fiainana....[......]
Tsindrio eto hihaino ny toriteny
TIA AN’ANDRIAMANITRA SY NY NAMANA NO MAHA-KRISTIANINA ANTSIKA
Izao Alahady faha 30 mandavantaona iizao dia ny fototry ny fiainantsika tokoa no antintranterin'ireo tenin'Andriamanitra androany dia ilay lazaina amin'ny fomba matetika hoe ; ny didiy roa lehibe izay mifamatotra sy mifameno ary mifampitohy dia ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny fitiavana ny namana. Izany no maha Kristianina antsika, maha mpiara-dàlana amin'i Kristy ka mahatonga antsika ho Kristy mpiara-belona amin'olona. Ny hafatra androany dia ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny fitiavana namana, vokatr'izany dia isika ihany koa manaja ny hafa ary manaja ny tontolo iainantsika. Hiezaka tokoa isika araky ny averintsika matetika ho generation mpanorina fa tsy mpandrava isika raha manatanteraka io hafatra aroson'ny Eglizy ho antsika anio io....[....]
Tsindrio eto hihaino ny toriteny
NY ANDRIAMANITSIKA: MIZANA BE TSY MIANGATRA
Amin'ity fiainana ADY sady DIA ity dia tsy maintsy misy safidy ataontsika raha tsy izany dia rendrika isika, revo tanteraka ao anatin’izany Ady izany ary tsy ho tody amin'ny tiantsika aleha dia ny fiainana mandrakizay.
Ry Kristianina havana ny fototry ny fampianarana amin'izao Alahady faha 29 mandavantaona izao dia ny fanontaniana hoe : iza no fidintsika, iza no manentana ny fiainantsika, ary hevitr'iza no arahintsika eo amin'ny fiainantsika andavanandro, ny hevitr'izao tontolo izao ve sa Andriamanitra ? Dia ambaran'i Jesoa amin'io hevitra sy amin'ny fampianarana io ny tiany ambara amin'ny hoe iza no arahintsika eo amin'ny fiainantsika andavanandro. Iza no tompointsika satria izay tompoina no andoavana “hetra” ......[........]
Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky
MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA