Home » FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

02 Febroary 2017 - Fankalazana manetriketrika NY NANOLORANA NY TOMPO

02 Febroary 2017 - Fankalazana manetriketrika NY NANOLORANA NY TOMPO - Archidiocèse d'Antsiranana

 

Ry kristianina havana, faly nankalaza ny nahaterahan’ny Tompo isika, efapolo andro lasa izay. Ary tonga indray anio ny andro iray toa zato, ankalazantsika an’i Jesoa natolotra tao an-Tempoly sy nankatò ny lalàna am-pahibemaso, ary niseho tao tokoa nitsena ny vahoakany miandry Azy. Notarihin’ny Fanahy Masina hankao amin’ny Tempoly i Simeôna sy i Anina efa zokiolona, ka nankalaza ny Tompo ary faly nanambara Azy am-pahibemaso. Isika koa natambatry ny Fanahy Masina ho fianakaviana iray, ka hankalaza sy hidera an'Andriamanitra ary enga anie hanambara sy hivelona  ny fahazavan'i Kristy  amin'ny fiainantsika andavanandro .... [.......] 

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Alahady 29 Janoary 2017 - ALAHADY FAHA-04 TSOTRA MANDAVANTAONA A

Alahady 29 Janoary 2017 - ALAHADY FAHA-04 TSOTRA MANDAVANTAONA A - Archidiocèse d'Antsiranana

SAMBATRA NY MAHANTRA FA AZY NY FANJAKAN’NY LANITRA

Nanomboka tamin'ny alahady faha 2 mandavantaona dia namaky ny evanjelin'i Md Matio sy nametra-panontaniana hoe ; “iza marina i Jesoa eo anivontsika ?”. Amin’izao Alahady faha 4 izao dia tohizantsika ny famakiana ny evanjelin’i Md Matio izay nanoratra manokana ho an’ny jody sy nampianatra ny azy. Nangoniny arakaraky ny lohahevitra ny fampianaran’i Jesoa sy ireo famantarana ary fahagagana nataony, hanampy hino fa i Jesoa tokoa no mesia ilay nandrasan’ny vahoaka Jody, izy tokoa ny famonjena ary izy miara-dàlana amintsika ...[...........]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Alahady 22 Janoary 2017 - ALAHADY FAHA 3 mandavantaona A

Alahady 22 Janoary 2017 - ALAHADY FAHA 3 mandavantaona A - Archidiocèse d'Antsiranana

Ho atsika rehetra afaka mandray izao fampianarana  amin'ny Alahady fahatelo mandavataona izao dia fantaro fa hanilo atsika i Jesoa. Maro ny zavatra mandrakotra ny fiainantsika, ny fontsika dia efa  ‘encombré” amin’ny zavatra maro. Ka i Jesoa dia tonga mba hanilo atsika, isika izay mandeha amin’ny haizimpito hotsolovin’i Jesoa. Aoka isika hahay handray azy, na dia natao ho an’ny Jody ny famonjena hoy Md Paoly, fantaro fa natao ho an’ny be sy ny maro, ho an’izay mandray azy...[.....]

  

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Alahady 15 Janoary 2017 - ALAHADY FAHA 2 mandavantaona A

Alahady 15 Janoary 2017 - ALAHADY FAHA 2 mandavantaona A - Archidiocèse d'Antsiranana

Ry Kristianina havana, tamin'ny Alahady lasa teo ny Epifania nisehoan'ny Tompo izany hoe eto anivontsika tokoa Andriamanitra, sady mbola tanatin'ny fankalazana ny Noely  isika no hiditra sahady amin'ny mandavantaona satria i Jesoa ilay miara-dàlana amintsika, eo anivontsika. Mibanjina an'i Jesoa isika rehefa miditra amin'ny vanim-potoanan'ny mandavantaona tahaka izao. Fandalinam-pinoana no ataontsika izay hisontonan'ny Eglizy ny saintsika mba hiezaka hahalala bebe kokoa an'i Kristy mba hahatonga atsika ho tena Kristianina marina...[......]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Alahady 08 Janoary 2017 - EPIFANIA - Taona A

Alahady 08 Janoary 2017 - EPIFANIA - Taona A - Archidiocèse d'Antsiranana

IZAO TONTOLO IZAO NO IRIN’ANDRIAMANITRA HO EGLIZY FIANAKAVIANY

Ry Kristianina havana, mbola ao anatin’ny fankalazana ny Noely Andriamanitra eto anivontsika isika izao ary izany rahateo ny lohahevitra entintsika mamakivaky an’izao taonan’ny fandalinam-pinoana hibanjinantsika an’i  Jesoa Mpiarabelona amintsika miara-dalana amintsika.

Izao fankalazana ny Epifania Andriamanitra miseho eo anivon’izao tontolo izao dia mampibaribary amintsika ny hoe Andriamanitra eto anivontsika. Raha mankalaza an’izao Epifania izao isika dia mankalaza ny lahatr’Andriamanitra hatramin’ny voalohany dia izao tontolo izao irin’andriamanitra ho Eglizy fianakaviany, ho olo araiky aoaminy ..[....]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Archidiocèse d'Antsiranana

EOV DIASPORA regroupe les originaires du diocèse d'Antsiranana résidant en Europe

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA - Archidiocèse d'Antsiranana

Ecoutez la Radio Faniry en ligne

Archidiocèse d'Antsiranana

Mission 2020 - 2021 Les prêtres du diocèse Antsiranana

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..