Home » FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

15 oktobra 2017 - ALAHADY FAHA 28 MANDAVANTAONA A

ANTSOIN’NY TOMPO HANKEO AMIN’NY FANASANY ISIKA

Amin'izao Alahady faha 28 mandavantaona izao dia antsoin'Andriamanitra isika amin'ny fanasana lehibe iombonana aminy ka hazahoantsika ny tena hasambarana ary efa mampitsinjo antsika sahady amin'ny fiafarantsika koa. Averimberintsika matetika fa ady sady dia ny fiainana, ADY amin'ireo fakam-panahy manapotika sy mitady handrendrika antsika, tsy hahaizantsika mandavorary ny fiainantsika, tsy hahazoantsika ny tena fiadanana sy ny hasambarana, DIA mankany amin'ny tena fiainana, dia ny fiainana maha zanak'Andriamanitra ka hanasan'ny Tompo antsika ankehitriny ..[......]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

08 oktobra 2017 - ALAHADY FAHA 27 MANDAVANTAONA A

TANIMBOALOBOK’ANDRIAMANITRA ISIKA

Ry Kristianina havana, tsy mitsahatra isika fa indrindra moa ao anatin'izao volana oktobra volan'ny raozery hibanjinantsika miaraka amin'i Masina MARIA ireo misterin'ny famonjena antsika ka hahatonga antsika tokoa ho Kristy mpiara-belona amin'olona hitondra ny famonjena. Amin'izao Alahady faha 27 mandavantaona izao dia mampitodika antsika tokoa ireo vakiteny atolotry ny Eglizy amintsika, mampitodika antsika amin'ny fiainantsika, ny firenentsika , ny fiaraha monintsika, ny tanintsika ity, tsy iza tokoa ny tanimboalobok'Andriamanitra fa isika ihany....[.....]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

01 oktobra 2017 - ALAHADY FAHA 26 MANDAVANTAONA A

NY TOKY FITAKA, FA NY ATAO NO HITA 

Anio 1 oktobra dia mankalaza an’I Mb Terezin’I Jesoa Zazakely isika. Izy no Mpiaro voalohan’ny Misiona. Androtsaka ny Oran-draozam-pahasoavana amintsika anie izy ka ho misionera tokoa isika jiaby. Raha tamin'ny Alahady lasa isika nandinika ny hoe tsy mahazo mipetrapetraka isika fa tsy maintsy miasa, izay no mbola antintranterin'i Jesoa amin'ny fanoharana ataony androany ao amin'ny Evanjely izay vakintsika amin'izao Alahady faha 26 mandavantaona izao. Tsy ampy ny manome toky fotsiny hoe handeha hiasa fa tsy maintsy manantanteraka an'izany asa izany isika ary raha miara-miasa amin'Andriamanitra isika dia Andriamanitra tokoa hanao ny asantsika....[......]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

24 septambra 2017 - ALAHADY FAHA 25 MANDAVANTAONA A

NY FIHEVITR’ANDRIAMANITRA TSY FIHEVITSIKA

Amin'izao Alahady faha 25 mandavantaona sady Alahady mamarana ny volana septambra izao dia asain'ny Eglizy isika hibanjina manokana ny anjara toeran'ny lahika eo anivon'ny fiainana andavanandro, Alahady antsoina hoe andron'ny lahika. Marina fa andron'ny lahika ny andro rehetra fa tian'ny eglizy asongadina handalinana sy handinihana ny anjara toerany androany izany hoe ny maha apôstôoly ny lahika eo anivon'izao tontolo izao. Ny lahika dia ireo miaina eo anivon'izao tontolo izao, amin'ny alalan'ny fiainany no anambarany ny vaovao mahafaly ka hitondrany ny toe-panahy maha Kristianina ...[.....]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

17 septambra 2017 - ALAHADY FAHA 24 MANDAVANTAONA A

IZAY MAMELA NO HAVELA

Amin'izao Alahady mandavantaona faha 24 izao dia toetra anankiray izay azo lazaina fa takin'i Kristy ho an'ny mpianany satria tsy hoe nampianarin'i Kristy fotsiny fa niainany ary azo lazaina fa toetra hahafahantsika mampijoro, manorina ny Eglizy olona satria izany no tanjona ho antsika eo anivon'izao tontolo izao ho fanitarana ny fanjakan'Andriamanitra.  Ny fanitarana ny fanjakan'andriamanitra dia fanorenana  Eglizy olona mifototra amin'ny fianakaviana Eglizy kely ka io no manorina ny eglizy fiombonana izay zary Eglizy fototra ka zary lasa Eglizy iraka ary mitondra ny Vaovao Mahafaly eran'izao tontolo izao......[.....]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

 

TWITTER DE MGR RAMAROSON BENJAMIN

https://x.com/OloAraiky

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..