Home » FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

Alarobia 01 mars 2017 - FANOSORANA LAVENONA

Ny Rainao izay mahita ny miafina no hamaly soa anao

Amin’izao Alarobia fanosorana ny lavenona izao no vanim-potoana lehibe entintsika miomana amin’ny Paka izay fandalovana, miala amin’ny ratsy miditra amin’ny tsara, miala amin’ny fahafatesana miditra amin’ny fiainana, miala amin’ny fahotana miditra ao amin’ny fiadanana ary dia atombontsika androany Alarobia voalohany volana marsa izao ihany koa ny volan’i Md Josefa mifanojo amin’ny fanombohantsika ny karemy. Fantantsika ny anjara toerany amin’ny famonjena, izy ilay lehilahy marina sy tia vavaka ka noho izany azo lazaina fa i Md Josefa dia modely ho antsika amin’izao hamakivakiantsika ny karemy izao ....[.......]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

 

 

Alahady 26 Febroary 2017 - ALAHADY FAHA 8 - MANDAVANTAONA A

Alahady 26 Febroary 2017 - ALAHADY FAHA 8 - MANDAVANTAONA A - Archidiocèse d'Antsiranana

RAY AMAN-DRENY TSY MAHAFOY ZANAKA ANDRIAMANITRA

Tsy manery Andriamanitra, tsy manery i Jesoa fa isika no tsy maintsy misafidy hanaraka azy ka hivelona ny hafatra rehetra avelany amintsika ka hahatonga atsika ho Kristianina, mpanara-dia azy, mivelona an'izay nampianariny fa tsy hanaraka an'izao tontolo izao : ny vola, ny harena, ny voninahitra, poerapoera, azo lazaina fa filamatra ka anjarantsika no misafidy handeha any amin'ny fitapitak'izao tontolo izao asan'ny ratsy sy ny demony ao anatin'ny haizina sa hanaraka ny fahazavana dia i Jesoa làlana sy fahamarinana ary fiainana ?

Izany indrindra no averin'i Jesoa amintsika androany Alahady faha - 8, : TSY MISY OLONA MAHAY HANOMPO TOMPO ROA fa ny anankiray alany....[.......]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Alahady 19 Febroary 2017 - ALAHADY FAHA 7 - MANDAVANTAONA A

Alahady 19 Febroary 2017 - ALAHADY FAHA 7 - MANDAVANTAONA A - Archidiocèse d'Antsiranana

Koa aoka ho lavorary hianareo tahaka ny fahalavorarian’ny Rainareo izay any an-danitra

Mbola ny fampianaran’i Jesoa teo an-tendrombohitra hatrany no aroson’ny Eglizy hodinihintsika amin’izao Alahady Faha-7 tsotra Mandavantaona izao. Ao amin’ny Evanjely toko faha-5 n'i Md Matio no hahitantsika ny hafatr’i Jesoa ho an’izay te-hanaradia azy. Aoka ho masina tahaka ny Ray isika raha te hanaradia azy, izy izay mampiposaka ny masoandro ho an’ny rehetra tsy misy avakavaka ary dia izay koa no tian’i Kristy hiainantsika ; hanana ny fitiavana izay fitiavana lavorary ao amin’Andriamanitra dia ilay fitiavan’Andriamanitra tsy manavakavaka. Tiany isika hanana an’izany fitiavana izany ary hitia hatramin’ireo fahavalo aza. Izany  no fomba tian'i Kristy hitiavantsika. Hasoavintsika ary amin’ny alalan’izany fitiavana izany na dia ny fahavalo aza, ny hampiova ny fony no tanjona ...[......]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Alahady 12 Febroary 2017 - ALAHADY FAHA 6 - MANDAVATAONA A

Alahady 12 Febroary 2017 - ALAHADY FAHA 6 - MANDAVATAONA A - Archidiocèse d'Antsiranana

TSY MISY DÉLÉSTAGE AO AMIN’I JESOA

Matetika isika varimbariana amin’ny zavatra maro ka adinontsika ny "essentiel", ny tena izy amin’ny fiainantsika. "Encombré" loatra ny fontsika ka tsy hahita izay tena fahendren’Andriamanitra isika. Ry Kristianina havana,  amin’izao Alahady faha-06 mandavataona izao mbola manohy ny fandalinam-pinoana isika satria izay rahateo ny maha mandavantaona azy.  Ny toriteny teny an-tendrombohitra izay hahatonga atsika hivelona ny fahasambarana, hahatonga atsika ho fanasina sy fahazavana no mbola tohizantsika ho dinihina. Mikasika ny fahendrena no voasongadina amin’izao Alahady faha-06 izao...[......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Alahady 05 Febroary 2017 - ALAHADY FAHA 5 - MANDAVATAONA A

Alahady 05 Febroary 2017 - ALAHADY FAHA 5 - MANDAVATAONA A - Archidiocèse d'Antsiranana

Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no manana ny fahazavan’ny fiainana.

Atolotry ny Eglizy ho atsika androany ho fanohizana ny fetin'ny jiro fa mivelona ny hafatr'i Kristy isika dia zary fahazavana sy fanasina eo amin'ny fiainantsika. Isika no Eglizy, isika izay vita batemy no tempolin'Andriamanitra izay manolotra ny tenantsika amin'Andriamanitra.

Ambaran'ny vakiteny voalohany (Iz. 58, 7-10) izay horenesintsika koa rehefa tonga ny vanimpotoananan'ny karemy dia ny fifadiana. Matetika dia heverintsika fa ny fanajana sy fanarahana ambokony ny fifadiana no tena fiainana sy ny fivelomana an'ireo sata izay manambara ny fandraran'Andriamanitra an'izao sy izao. Tsy izany ny teny folo na ny tenin'ny fiainana nomen'Andriamanitra tao Sinai....[.......]

Tsindrio eto hihaion ny toriteny

Archidiocèse d'Antsiranana

EOV DIASPORA regroupe les originaires du diocèse d'Antsiranana résidant en Europe

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA - Archidiocèse d'Antsiranana

Ecoutez la Radio Faniry en ligne

Archidiocèse d'Antsiranana

Mission 2020 - 2021 Les prêtres du diocèse Antsiranana

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..