Home » FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

ZOMA MASINA - FANKALAZANA NY FIJALIAN’NY TOMPO

ZOMA MASINA - FANKALAZANA NY FIJALIAN’NY TOMPO - Archidiocèse d'Antsiranana

Noratraina Izy noho ny fahotantsika.

Ny Fijalian’i Jesoa Kristy Tompontsika no nanafoanan'Andriamanitra ny fahafatesana lova nifandimbiasan’ny taranaka rehetra noho ny fahotana tamin’ny fototra; koa mivavaka isika mba manahaka an’i Jesoa Kristy isika mba ho toy ny nitondrantsika tsy fidiny ny endriky ny tany niaviantsika no handraisantsika ny endriky ny lanitra noho ny hasin’ny fahasoavan'Andriamanitra [.......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAKAMISY MASINA - FAHATSIAROVANA NY FANASAN’NY TOMPO

ALAKAMISY MASINA - FAHATSIAROVANA NY FANASAN’NY TOMPO - Archidiocèse d'Antsiranana

Isaky ny mihinana sy misotro amin’izao ianareo, dia manambara ny fahafatesan’ny Tompo

Mankalaza ny Fanasana masina ny Tompo isika, dia ilay Fanasana nohafaran’ilay Zanany Lahy tokana tamin’ny Eglizy, fony Izy hanolo-tena ho faty mba ho sorona vaovao maharitra mandrakizay sy ho Fanasana hampiharihary ny fitiavany; koa enga anie afaka manovo fitiavana feno sy fiainana tonga lafatra isika amin’izao Alakamisy masina fankalazana ny Sakramenta Eokaristia izao [.......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Alahady 09 Aprily 2017 - ALAHADY SAMPANKAZO - TAONA A

FANDINIHANA NY FIJALIAN’NY TOMPO

Ry Kristianina havana, miditra amin’ny herinandro lehibe amin’ny tantaram-pamonjena antsika isika amin’izao Alahady fahatsiarovana ny nidiran’i Jesoa tamim-boninahitra tao Jerosalema izao izany hoe ny Alahadin’ny Sampankazo araka ny mahazatra antsika. Araky ny averimberina matetika amintsika dia tsy hoe mahatsiaro fotsiny ny zavatra nitranga tamin’izany fotoana izany isika rehefa mankalaza fa noho ny fanentanan’ny Fanahy masina dia mivelona azy ary dia izany no irin’ny Eglizy sy anentanany antsika amin’izao Herinandro masina izao fa indrindra amin’ity taona izay natokantsika handalinana an’i Jesoa mpiara-belona amintsika ity...[......]

 

Tsindrio eto  hihaino ny toriteny

Alahady 02 Aprily 2017 - ALAHADY KAREMY 5 - TAONA A

I KRISTY NO FIAINANA SY FANANGANANA HO VELONA

Ry Kristianina havana, izao Alahady fahadimy amin'ny karemy izao no iarahantsika eran'ny Eglizy iraka tsirairay ato amin’ny diosezy hiaraka hiakatra hanao ny pelirinajy. Eny amin’ny “montagne de français” ho antsika eto andrenivohitry ny diosezy, hiaraka hiakatra any an-tendrombohitra isika, hiaraka handinika  ny làlan'ny hazo fijaliana, hiaraka hivavaka mba hihavao tokoa ka hahafahantsika hiaraka hitsangana amin’i Kristy raha miara-maty aminy amin'ny fahotana izany hoe hampiakatra ny fiainantsika mba tsy hirefarefa amin'ny tany. Nanaiky ho fahotana i Jesoa na dia tsy mpanota aza mba hanavotra atsika ao anatin'ny fahotana ka hahazoantsika fianam-baovao ao aminy, izy tokoa miara-belona amintsika ....[.........] 

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Alahady 26 Marsa 2017 - ALAHADY KAREMY 4 - TAONA A

NY FINOANA AN'I KRISTY NO FAHAZAVANA VAOVAO

Androany Alahady faha 4 ny KAREMY dia ny tantaran'i Jesoa mihaona amin'ilay jamba ka nahiratra no Evanjely enontsika. Isika koa dia tahaka ilay jamba nahiratra raha mandray an’i Jesoa. Azo lazaina fa azahoantsika onina fa hazavana i Kristy satria izy no fahazavana mitondra ny fiainantsika. Jamban'ny fahotana maro isankarazany isika ka tsy hitantsika ny lalankombantsika, rehefa ao amin'i Jesoa isika, miara-mandresy amin'i Jesoa dia misokatra ny masontsika, ny masom-pinoana niainantsika tamin’ny taonan'ny famindrampo. I Jesoa no ilay mibaby atsika, mandray ny fahontantsika ka ny mason'i Jesoa no hijerentsika an'izao rehetra izao; raha mason'Andriamanitra no masontsika dia miova ny fiainantsika..[......]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Archidiocèse d'Antsiranana

EOV DIASPORA regroupe les originaires du diocèse d'Antsiranana résidant en Europe

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA - Archidiocèse d'Antsiranana

Ecoutez la Radio Faniry en ligne

Archidiocèse d'Antsiranana

Mission 2020 - 2021 Les prêtres du diocèse Antsiranana

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..