Home » FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

Alahady 07 Mey 2017- ALAHADY PAKA 4 - TAONA A

Alahady 07 Mey 2017- ALAHADY PAKA 4 - TAONA A - Archidiocèse d'Antsiranana

« Lazaiko marina dia marina aminareo fa izaho no varavaran’ny ondry »

Amin'izao Alahady fahaefatra izao dia i Jesoa mpiandry ondry tsara no ankalazaintsika izay hahatsiarovantsika manokana ireo  izay mpiara-dia sy manokana ny fiainany manontolo ho an'i Jesoa. Tsy midika akory izany fa ny lahika vita batemy tsy mpanara-dia azy, rehefa vita batemy isika dia mandray an'i Kristy eo anivontsika fa ireo pretra, ny eveka, ny papa sy ireo mpandraharaha rehetra no heverintsika ho mpiandry ondry tsara.
Tsy araky ny fomba fieritreretantsika hoe mpiandry ôndrikôndriky na tsy "magnaja" araka ny fomba fitenintsika aty avaratra. Magnaja i Jesoa ary nanolotra ny ainy izy, miombona amintsika izay ondriny tiany izy. Izany koa no andrasana amin'ireo izay nanolotra ny ainy ho mpiara-dàlana amin'i Kristy dia ireo pretra sy ny voatokana rehetra ....[......]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Alahady 30 Aprily 2017- ALAHADY PAKA 3 - TAONA A

Alahady 30 Aprily 2017- ALAHADY PAKA 3 - TAONA A - Archidiocèse d'Antsiranana

« Dia mba notantarain’izy ireo kosa ny zavatra niseho taminy teny an-dàlana sy ny nahafantarany azy tamin’ny famakiana ny mofo"

Mbola ao anatin'ny hafalian'ny Paka  isika ka asiantsika Aleloia ny fiainana  izany hoe miara-dàlana amintsika i Jesoa nitsangan-ko velona, mpiara-belona amintsika izy. Izy no làlana sy fahamarinana ary fiainana. Izany no ankalazaintsika amin'izao Alahady fahatelo ny Paka izao.
Ny Evanjely  androany mitantara ireo mpianatry Emaosy avy any Jerosalema ilay tanàna masina, nirehidrehitra ny fon'izy ireo raha niresaka sy nanazava tamin'izy ireo ny tenin'Andriamanitra i Jesoa ary aza adino fa teo am-pamakiana ny mofo no nahafantarany azy ireo an'i Jesoa. Lehibe tokoa ny anjara toeran'ny Eokaristia ary tsy misaraka ny tenin'Andriamnaitra sy ny Eokaristia..[....]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny 

Alahady 23 Aprily 2017- ALAHADY PAKA 2 - Famindrampon'Andriamanitra - TAONA A

Alahady 23 Aprily 2017- ALAHADY PAKA 2 - Famindrampon'Andriamanitra - TAONA A - Archidiocèse d'Antsiranana

"Sambatra izay tsy nahita ka nino”. 

Izao Alahady manaraka ny Paka izao no antsoina  amin’ny teny latina hoe "Quasimodo". Mbola Paka ihany koa ho antsika satria ny Paka dia tsy inona fa i Kristy nitsangan-ko velona.  Ity Alahady faharoan'ny Paka ity no andrenesantsika ny Evanjely mikasika an'i Md Tomà izay nanambara hoe "Tompoko sy Andriamanitro". Tahaka an’i Md Tomà isika tsirairay avy rehefa miaiky ny fahalementsika ka manaiky an'i Kristy sy miaina ny famindrampon'Andriamanitra. Nantsoin'i Papa Md Joany Paoly II ho Alahadin’ny Famindram-pon’Andriamanitra ity Alahady faharoa amin’ny Paka ity nanomboka tamin'ny 30 aprily 2000, andro nananganana ho olomasina an'i Mb Faustine izay nambaran’ny  Fo masin’i Jesoa hampibaribary ny famindram-pon’Andriamanitra ....[.......]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Alahady 16 Aprily 2017- ALAHADY PAKA TAONA A

Alahady 16 Aprily 2017- ALAHADY PAKA  TAONA A - Archidiocèse d'Antsiranana

NITSANGAN-KO VELONA TOKOA I JESOA

Ry Kristianina havana, ankafaliana sy ankaravoana ary am-pitiavana no anolorana ny fiarahabana sy ny firariantsoa ho antsika olo araiky jiaby, ho antsika mianakavy, ho antsika eglizy kely, eglizy fiombonana, eglizy fototra, eglizy iraka, isika diosezy jiaby ary izay rehetra afaka mamaky izao hafatra sy fampianarana amin’izao andron’ny Paka izao. Nitsangan-ko velona tokoa ny Tompo Aleloia. Tamin’ny Alahady ny sampankazo isika no nanomboka ny dingana lehibe rehefa avy nanao ny ezaka ny karemy dia tsy inona fa ny fidirantsika ao Jerosalema  izany hoe i Jesoa mpiara-belona amintsika ka miaraka aminy isika miditra ao Jerosalema...[.....]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ASABOTSY MASINA - FIARETAN-TORY ANKALAZANA NY FITSANGANAN’NY TOMPO

ASABOTSY MASINA - FIARETAN-TORY ANKALAZANA NY FITSANGANAN’NY TOMPO - Archidiocèse d'Antsiranana

Amin’izao alina masina indrindra izao, ry kristianina havana, no ialan’i Jesoa Kristy Tompontsika amin’ny fahafatesana hidirany amin’ny fiainana. Koa miangavy ny zanany rehetra miely patrana eran’ny vazan-tany ny Eglizy, mba hiari-tory sy hivavaka. Hiara-mahatsiaro ny Paka fandalovan’ny Tompo àry isika, ka hihaino ny Teniny sy hankalaza ny Sakramenta noforoniny, ary dia hatoky manantena fa hiombona amin’Izy Tompo nandresy ny fahafatesana ka hiara-belona aminy ao amin’Andriamanitra mandrakizay.

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny 

Archidiocèse d'Antsiranana

EOV DIASPORA regroupe les originaires du diocèse d'Antsiranana résidant en Europe

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA - Archidiocèse d'Antsiranana

Ecoutez la Radio Faniry en ligne

Archidiocèse d'Antsiranana

Mission 2020 - 2021 Les prêtres du diocèse Antsiranana

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..