Home » FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

26 aogositra 2018 - ALAHADY FAHA 21 TSOTRA TAONA B

“Tompo ô, hankany amin’iza àry izahay? Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay ”.

Mbola tohizantsika ny fandalinana ny Eokaristia miainga amin’ny Evanjely Joany 6 izay manambara ny famantarana nataon’i Jesoa dia ny fampitomboana ny mofo ka niainga avy amin’izany izy no nampianatra ny fanorenana ny Eokaristia loharano sy  fototra ny fiainantsika. Maro ireo tsy nahazo ny fampianarana nataon'i Kristy ka nihemontra ka tsy niaraka aminy intson. 

Amin’ny Evanjely androany Alahady faha 21 tsotra mandavantaona i Md Piera no nisolo vava ireo mpianatra rehefa nanontany I Jesoa hoe ary ianareo mba ahoana, te-hiala koa ? namaly i Piera nanao hoe “hankany amin’iza izahay ianao no manana ny teny fiainana ary izahay efa nino sy nahalala fa ianao no ilay masin’Andriamanitra”, fiekem-pinoana izany ary mahatonga antsika ho iray ao amin’i Jesoa sy mahatonga antsika taranaka mpanorina satria mitoetra ao amin’i Jesoa sady itoreran’i Jesoa, finoana izany. Ny finoana tokoa no mampiombona amin’i Jesoa fa tsy zavatra hafa n’oviana n’oviana.

Ny fiainana sy fitoerana amin’i Jesoa no tena finoana, hifikitra sy hiaraka amin’i Jesoa ka mahatonga an’ireo ho Jesoa velona sy mpiara-belona amin’olona amin’izao fotoana izao. Fampianarana lehibe ho antsika ny voalazan’i Piera sy ny fiekem-pinoana nataony.....[........]

 

19 aogositra 2018 - ALAHADY FAHA 20 TSOTRA TAONA B

“TENA FIHINANA NY NOFOKO, TENA FISOTRO NY RAKO”

Amin’izao Alahady faha-20 tsotra mandavantaona izao dia manohy ny fampianarany i Jesoa ary momba ny mofon’aina ny voalaza amin’ny Evanjely androany Joany toko faha-6. Nisy fimonomononana sy fanafintohinana teo amin’ny jody raha nilaza izany i Jesoa. Nilaza tokoa I Jesoa fa mofo velona avy any an-danitra Izy. Tsy mahagaga raha nimonomonona ny vahoaka jody nandre ny tenin’i Jesoa ary toy izany koa isika raha tamin’ny toeran’izy ireo satria fantatr’izy ireo tsara ny fiavian’i Jesoa sy ny fianakaviany. Io indrindra ny fidirana amin’ny misterin’ny fahatongavana ho nofo sy ny misterin’ny fanavotana izay ankalazaintsika tanteraka amin’ny Eokaristia, izany no banjinintsika eo amin’ny Eokaristia, i Jesoa teraka tonga nofo eo anivontsika. Ny Eokaristia no mampisantatra antsika amin’ny fiainan-koavy sy mampiditra antsika amin’ny misterin’ny fanavotana......[........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny 

15 aogositra - Fankalazana nampakiarina any an-danitra an'i Masina Maria

Nanao zava-dehibe tamiko ilay Mahefa; nasandrany ireo manetry tena.

Izao faha 15 aogositra izao no iarahan’ny Eglizy eran-tany mankalaza amin’ny fomba manetriketrika ny nampiakarina an’i Masina Maria any an-danitra. Fety lehibe ho an’ny Eglizy izany satria ny fidiran’i Masina Maria ao amin’ny voninahitr’Andriamanitra no ankalazaintsika anio. Tsara marihina fa hafa ny fomba fiteny raha hilaza an’i Jesoa  nitsangan-ko velona sy niakatra any an-danitra.  Fa Masina Maria kosa  lazaina hoe Nampakarina any an-danitra izany hoe tsy vokatry ny famendrehan’i Masina fa vokatry ny fanomezam-pahasoavana manokana avy amin’i Jesoa zanany no ampakarana azy. Finoana no andraisantsika an’izany satria i Masina Maria no Renin’i Jesoa ary i Jesoa dia zanak’Andriamanitra ka noho izany dia Renin’Andriamanitra i Maria. Ao amin’ny voninahitry ny zanany izany i Masina Maria ary fanomezam-pahasoavana manokana avy amin’i Jesoa zanany, avy amin’ny famonjena nentin’i Jesoa izany ka i Masina Maria no nisantatra azy tahaka ny fandraisany an’i Jesoa tao ambohoka raha nitondra azy ho eo amin’izao tontolo izao izy vokatry ny asan’ny Fanahy Masina.....[......]

 

Tsindrio eto hiihaino ny toriteny

15 Jolay 2018 - ALAHADY FAHA-15 TSOTRA - TAONA B

« NOFIDIN’ANDRIAMANITRA ISIKA MBA HIRAHINY”


Ry Kristianina havana, tamin’ny Alahady tsotra faha-14 mandavantaona lasa teo isika nibanjina an’i Jesoa teo anivon’ny mpiray tanindrazana aminy kanefa tsy nahay nandray azy izy ireo na dia nitolagaga aza tamin’ny fahaizany niteny ka nahatonga an’i Kristy nanambara fa tsy misy mpaminany tsy heninkaja hafa tsy amin’ny taniny sy ny fianakaviany ihany. Araka ny voalazan’ny Evanjely ao amin’i Md Marka dia tsy nanao famantarana firy i Jesoa tamin’ny tanindrazany. Izany dia mitranga koa amin’ny fiainantsika andavanandro ka nahatonga antsika nandinika na dia maro aza ny fanenjehana sy fanaratsiana dia tsy maintsy mijoro ho vavolombelona isika ary manana modely isika amin’izany dia ny olontsambatra Lucien Botovasoa.

Fantantsika ny nanjo azy. Maninona ary isika no tsy maintsy mijoro ho martiry ? [.......]

 

 

01 Jolay 2018 - ALAHADY FAHA-13 TSOTRA - TAONA B

« Anaka, ny finoanao no nahavonjy anao ; mandehana amim-piadanana » (Mk. 5: 34)

Izao Alahady tsotra faha-13 mandavantaona izao no anombohantsika ny volana jolay izay volana manandanja ho antsika eto amin’ny diosezy satria fotoana hivorian’ny pretra rehetra antsointsika hoe “mois sacerdotal”. Miavaka ny volana jolay amin’ity taona ity satria ny 16 ka hatramin’ny 21 jolay no hivoriantsika eto Antsiranana renivohitry ny diosezy mikasika ny filankevitra pastôraly amin’izao 60 taonan’ny arsidiosezy izao ka hidirantsika amin’ny ezaka vaovao hahatonga antsika ho génération mpanorina Eglizy Tranon’Andriamanitra sy Eglizy Olona Velona, hahatonga antsika hiroso amin’ny lalindalina kokoa ny amin’ny fiainam-pinoana araky ny averintsika matetika amin’izao fotoana mandavantaona izao. Fandalinam-pinoana hahatonga antsika hitoetra bebe kokoa ao amin’i Jesoa sy itoerany koa ka hamokatra voa tsara ary ho feno hafaliana sy fiadanana....[........]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

TWITTER DE MGR RAMAROSON BENJAMIN

https://x.com/OloAraiky

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..