“ Izao tontolo izao no irin’Andriamanitra ho Eglizy fianakaviany ”
Mbola ao anatin’ny fankalazana ny Noely isika, Andriamanitra eo anivontsika, Andriamanitra miseho amintsika. Amin’izao Alahady Epifania fankalazana ny nisehoan’ny Tompo izao dia mbola anatin’ny Noely. Niseho tamin’ny vahoakany izy Tompo dia ilay vahoaka feno fahamarinana, fanentrentena sy fahatsoram-po dia i Maria sy Josefa izay fianakaviana voafidy hiainany ny maha-olombelona azy ary ireo mpiandry ondry nanambaran’ny anjely fa misy zaza teraka ao Betlehema, ny anarany atao hoe Emanoela. Fa ireo mpiavonavona kosa dia tsy afaka nandray azy, hitantsika ireo mpandray vahiny nilaza fa tsy nisy toerana ho azy ireo tao antrano, tahaka an’I Heroda izay namono ny zaza tsy manantsiny. Toetrantsika olombelona izany, vokatry ny avonavona dia mifody ny fontsika ka tsy afaka mandray izay tena fahasambarana. ....[......]
Renin’Andriamanitra sy mpanjakavavin’ny fiadanana i Masina Maria
Ry Kristianina Havana, ankafaliana sy ankaravoana no anolorako ny fiarahabana mitafotafo amintsika rehetra amin’izao andro voalohan’ny volana janoary mampiditra antsika amin’ny taombaovao izao. Ho taom-pahasoavana, ho taon-jina hitondra fiadanana sy fahasoavana ho antsika mianakavy anie ity taona vaovao 2019 izay hodiavintsika ity.
Raha misokatra ny fontsika ka mandray an’Andriamanitra dia ho feno fiadanana ka afaka mandray sy mizara hafaliana amin’ireo manodidina antsika. Arakaraky ny fiainantsika ny hafaliana no hahatsara ny fiainantsika. Ho taona hitondra fiadanana ho antsika mianakavy tokoa anie ity taona ity.Bonne et sainte année 2019 .....[.......]
« Ary i Jesoa nitombo fahendrena sy tena, ary nandroso nahatehotia tamin’Andriamanitra sy ny olona » (Lk. 2: 52)
Amin’izao Alahady manaraka ny Noely izao dia mbola anatin’ny hafalian’ny Noely isika. Ny Teny Tonga Nofo no banjinin’ny fianakaviana masina izay modely ho an’ny fianakaviana rehetra.Tsy fianakaviana mikombona ny Fianakaviana Masina misy an’I jesoa, Maria, Josefa satria araky ny fantantsika dia nivelatra tamin’ny olon-drehetra izy ireo na dia tao antranon’omby no nahaterahany I Jesoa. Olona tsotra tahaka ny mpiandry ondry no nandray azy. Faly sy ravo isika mifampiarahaba satria ny fianakaviana dia isika miombona ho olona araiky ao amin’Andriamanitra ka dia miarahaba manokana ny fianakaviana tsirairay.....[......]
« Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny dia tao amin’Andriamanitra, ary Andriamanitra ny Teny » (Jo. 1, 1)
« Miandrandrà ka asandrato ny lohanareo, fa efa akaiky ny fanavotana anareo »
Nankalaza an’i Kristy mpanjaka isika tamin’ny Alahady lasa teo izay namaranantsika ny taona litorjika ary amin’izao Alahady voalohan’ny volana desambra izao no hidirantsika amin’ny taoana litorjika vaovao ka I Md Lioka no Evanjely ho banjinintsika manokana amin’ity taona D ity. Md Lioka izay mampisongadina bebe kokoa mikasika ny famindrampon’Andriamanitra sy i Masina Maria. Mandritra ny taona isika handalina izany. Faly sy ravo miarahaba antsika amin’izao taona vaovao litorjika izao izay taona ho entintsika Olo Araiky manorina araky ny lohahevitra noraisintsika taorian’ny filankevitra pastôraly. Manorina ho Eglizy Tranon’Andriamanitra sy Eglizy Olona Velona, ho Kristy mpiara-belona amin’olona satria ny teny Kristianina avy amin’i Kristy ka tahaka an’I Krsty isika kristianiana mpitory vaovao mahafaly amin’ny toerana rehetra misy antsika....[.....]
Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky
MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA