Ny olona manam-pinoana tsy miandry valisoa eo no ho eo
Ry Kristianina havana handinika isika araky ny hafatry ny Papa amin’ny fankalazana ny faha 100 taona ny misiona izay hidirantsika koa amin’ny fandinihana ny maha misionera antsika ao anatin’ny Eglizy dia ny hoe vita batemy aho ka hirahina.
Ny antsika eto amin’ny diosezy dia mampahatsiaro antsika tamin’ny fanokanantsika ny tanana Antsiranana sy ny diosezintsika amin’i Masina Maria sy Fo madion’i Maria. Mitondra antsika amin’ny taonan’ny masin’ny misiona, hahatonga antsika ho EOV sy ETA ka ho génération mpanorina, manorina Eglizy fanjakan’Andriamanitra hahatonga antsika ho iraka eo anivon’ny mpiara-belona amintsika, hahatonga antsika ho Kristy mpiara-belona amin’olona. I Kristy no misionera voalohany nirahin’ny Ray hitory ny vaovao mahafaly, izy naniraka ny apostoly sy antsika mianakavy ho amin’izao tontolo izao ary ireo manodidina antsika no hanirahana antsika voalohany indrindra......[.......]
Ry olon’Andriamanitra, katsaho ny fahamarinana, ny fahazotoa-mivavaka, ny finoana, ny fitiavana, ny faharetana,
ny fahalemem-panahy
Ry kristianina havana, nandinika manokana araky ny fampianaran’ny Eglizy ny mikasika ny harena isika tamin’ny Alahady lasa, tsy ny harena no ratsy fa kosa tsy maintsy atao mifanaraka amin’ny fampianaran’ny Eglizy sy sitrak’Andriamanitra dia ny fomba nazahoana ny harena, ny fomba hampiasana ny harena ary ny tanjona ho tratrarina amin’ny harena. Mamerimberina antsika ary natao ho teny faneva sy filamatra eo anivon’ny sekoly katolika izay manabe amin’ny lafiny rehetra ny maha-olona sy maha zanak’Andriamanitra ny hoe “Harena ny harena raha mamokatra ary mamokatra ho an’ny besinimaro”. Amin’izao Alahady faha 26 mandavantaona izao dia mbola asain’ny Eglizy isika amin’ny alalan’ireo vakiteny handinika tsara fa ny hoavy ihany koa dia miankina amin’ny fomba fijerintsika ny harena......[.......]
"Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny harena ianareo”.
Ry kristianina havana, mbola tohizantsika hatrany amin’izao mandavantaona izao ny fandalinam-pinoana hahatonga antsika ho EOV manorina Eglizy Tranon’Andriamanitra sy hahatonga antsika mpanorina tokoa. Mbola anatin’ny volam-pahasoavana isika dia ny namangian’I Papa Ray masina antsika, mbola manakoako ao ampontsika ireo teny napetraky ny Papa ka hahatonga antsika ho taranaka mpamafy fanantenana sy fiadanana fa indrindra maro ny zavatra etrehintsika amin’ny fiainantsika ka mahatonga antsika hiraviravy tanana sy ho kivy.
Mahatoky isika fa ireny teny nampitain’ny Ray aman-dRenintsika Papa Fransoa antsika ireny hanentana ny fo amam-panahintsika fa indrindra ny vakiteny amin’izao Alahady faha 25 taona izao dia mampitodika antsika amin’ny fahaizana mampitraotra ny finoana sy ny fiainana andavanandro ka ho tena EOV isika amin’ny fiainantsika, ho EOV MISIONERA MAMENO SINY ENINA MAMAFY FANENTANA SY FIADANANA HAHATONGA NY TENY HO MOFO ARY MOFO HO AINA....[........]
Hisy hafaliana lehibe any an-danitra amin’ny mpanota iray mibebeka
Ry Kristianina havana, efa alahady maromaro no nandalinantsika sy nibanjinintsika ireo lohahevitra hahatonga ny finoana ho latsapaka ao amintsika mba ho tena fianakaviamben’Andriamanitra, ho olo araiky amin’ny Trinite masina isika, ho Kristy olona velona manorina Eglizy Tranon’Andriamanitra, hahatonga antsika ho taranaka mpanorina tokoa, hanorina tontolom-piainana, tontolo iainana sy tontolom-pinoana araka ny sitrak’Andriamanitra. Mbola ao ampontsika ireny hafatra maro nafafin’i Papa ireny anjarantsika ankehitriny no mivelona azy ireny mba hamokatra tokoa ka hahatonga antsika Olo Araiky ho EOV manorina ETA ka zary taranaka mpanorina ho misionera amin’izao taona masina izao. Amin’izao alahady faha-24 mandavantaona izao dia mbola ampatsiahivin’Andriamanitra amintsika amin’ny alalan’ireo vakiteny androany fa Ray be fitiavana Andriamanitra ka na dia manao akory ny toetrantsika dia mandray antsika izy..........
Izay manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra
Raha tamin’ny Alahady lasa teo isika nibanjina ny hoe “isika dia antsoin’Andriamanitra dieny ety an-tany ho fianakaviana iray aminy manomana sahady koa ny maha-olo araiky antsika ao Aminy any an-danitra ka tsy misy avakavaka izany fa ny tadiavin’Andriamanitra dia isika hivelona sahady ety an-tany ny maha zanak’Andriamanitra antsika araky ny nampianarin’i Kristy. Amin’izao Alahady faha-22 mandavantaona dia antitranterin’ny vakiteny fa indrindra ny fampianaran’i Kristy ao amin’ny Evanjely, toetra roa lehibe izay tsy azo ho sarahina, azo lazaina fa toetra mampihavaka ny mpanara-dia an’i Kristy tokoa no ambarany androany dia ny fanentrentena sy ny fahalemem-panahy. Toetra anankiray ihany anefa satria ny olona malemy fanahy tsy maintsy manetry tena ary ny manetry tena tsy maintsy malemy fanahy....[.....]
Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky
MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA