Home » FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

01 novambra 2017 - Fetin'ireo olomasina

Tamin'ny Alahady lasa teo, faha 30 mandavataona no namaranantsika ny volan'ny raozery izay nibanjinantsika ny misterin'ny famonjena antsika : misterin'ny fahatongavana ho nofo, misterin'ny famirapiratan'ny fahazavana, misterin'ny fijaliana izay nibanjinantsika an'i Jesoa manolotra ny ainy ho fanavotana antsika ary ny mistery be voninahitra izay hibanjinantsika miaraka amin'i Masina Maria ny fiainan-koavy izay andrasantsika. Androany izay mampiditra antsika amin'ny volana novambra ka hatsarovantsika ireo nialoha làlana antsika indrindra mampahatsiaro antsika fa any an-danitra no tena fiainana....[......]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

29 oktobra 2017 - ALAHADY FAHA 30 MANDAVANTAONA A

TIA AN’ANDRIAMANITRA SY NY NAMANA NO MAHA-KRISTIANINA ANTSIKA

Izao Alahady faha 30 mandavantaona iizao dia ny fototry ny fiainantsika tokoa no antintranterin'ireo tenin'Andriamanitra androany dia ilay lazaina amin'ny fomba matetika hoe ; ny didiy roa lehibe izay mifamatotra sy mifameno ary mifampitohy dia ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny fitiavana ny namana. Izany no maha Kristianina antsika, maha mpiara-dàlana amin'i Kristy ka mahatonga antsika ho Kristy mpiara-belona amin'olona. Ny hafatra androany dia ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny fitiavana namana, vokatr'izany dia isika ihany koa manaja ny hafa ary manaja ny tontolo iainantsika. Hiezaka tokoa isika araky ny averintsika matetika ho generation mpanorina fa tsy mpandrava isika raha manatanteraka io hafatra aroson'ny Eglizy ho antsika anio io....[....]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

 

 

22 oktobra 2017 - ALAHADY FAHA 29 MANDAVANTAONA A

NY ANDRIAMANITSIKA: MIZANA BE TSY MIANGATRA

Amin'ity fiainana ADY sady DIA ity dia tsy maintsy misy safidy ataontsika raha tsy izany dia rendrika isika, revo tanteraka ao anatin’izany Ady izany ary tsy ho tody amin'ny tiantsika aleha dia ny fiainana mandrakizay. 
Ry Kristianina havana ny fototry ny fampianarana amin'izao Alahady faha 29 mandavantaona izao dia ny fanontaniana hoe : iza no fidintsika, iza no manentana ny fiainantsika, ary hevitr'iza no arahintsika eo amin'ny fiainantsika andavanandro, ny hevitr'izao tontolo izao ve sa Andriamanitra ? Dia ambaran'i Jesoa amin'io hevitra sy amin'ny fampianarana io ny tiany ambara amin'ny hoe iza no arahintsika eo amin'ny fiainantsika andavanandro. Iza no tompointsika satria izay tompoina no andoavana “hetra” ......[........]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

15 oktobra 2017 - ALAHADY FAHA 28 MANDAVANTAONA A

ANTSOIN’NY TOMPO HANKEO AMIN’NY FANASANY ISIKA

Amin'izao Alahady faha 28 mandavantaona izao dia antsoin'Andriamanitra isika amin'ny fanasana lehibe iombonana aminy ka hazahoantsika ny tena hasambarana ary efa mampitsinjo antsika sahady amin'ny fiafarantsika koa. Averimberintsika matetika fa ady sady dia ny fiainana, ADY amin'ireo fakam-panahy manapotika sy mitady handrendrika antsika, tsy hahaizantsika mandavorary ny fiainantsika, tsy hahazoantsika ny tena fiadanana sy ny hasambarana, DIA mankany amin'ny tena fiainana, dia ny fiainana maha zanak'Andriamanitra ka hanasan'ny Tompo antsika ankehitriny ..[......]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

08 oktobra 2017 - ALAHADY FAHA 27 MANDAVANTAONA A

TANIMBOALOBOK’ANDRIAMANITRA ISIKA

Ry Kristianina havana, tsy mitsahatra isika fa indrindra moa ao anatin'izao volana oktobra volan'ny raozery hibanjinantsika miaraka amin'i Masina MARIA ireo misterin'ny famonjena antsika ka hahatonga antsika tokoa ho Kristy mpiara-belona amin'olona hitondra ny famonjena. Amin'izao Alahady faha 27 mandavantaona izao dia mampitodika antsika tokoa ireo vakiteny atolotry ny Eglizy amintsika, mampitodika antsika amin'ny fiainantsika, ny firenentsika , ny fiaraha monintsika, ny tanintsika ity, tsy iza tokoa ny tanimboalobok'Andriamanitra fa isika ihany....[.....]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Archidiocèse d'Antsiranana

EOV DIASPORA regroupe les originaires du diocèse d'Antsiranana résidant en Europe

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA - Archidiocèse d'Antsiranana

Ecoutez la Radio Faniry en ligne

Archidiocèse d'Antsiranana

Mission 2020 - 2021 Les prêtres du diocèse Antsiranana

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..