« Raha mbola nivavaka Izy, dia niova toetra ny Tarehiny » (Lk. 9: 29)
Nasongandintsika tamin’ny Alahady voalohany Karemy lasa teo fa Ady sady Dia ny fiainana izay hitondra antsika amin’ny fankalazana an’i Kristy nitsangan-ko velona. Ady amin’ny ratsy hampivelatra antsika ka hahatonga ho Zanak’Andriamanitra miaraka amin’I Kristy nandresy ny ratsy. Sady Dia mankany amin’ny fiainana tsara misy an’Andriamanitra. Ady amin’ny fahotana araka ny voalazan’i Papa amin’izao karemy izao fa ny fahotana no mahatonga antsika tsy mivelona ny maha zanak’Andriamanitra antsika ary manapotika ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra ka noho izany potika ny tontolom-pinoana Hitantsika izany amintsika amin’ireny fifangaroan’ny fiainantsika ireny.......[......]
« Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra avy amin’Andriamanitra »
Amin’izao Alahady voalohan’ny Karemy izao dia apetraky ny Eglizy mazava amin’ny alalan’ireo vakiteny fa ADY sady DIA ny fiainana. Averimberintsika matetika izany teny izany ary io tokoa no fiainam-pinoantsika. Izao Karemy izao dia fivelomantsika izany finoana izany satria ny fototry ny finoantsika dia ny fitsanganan’i Jesoa ho velona izay hankalazaintsika amin’ny Paka. Izao no fotoana antenaintsika sy iainantsika izany finoana izany, tsy tany malemy anorenam-pangady ny finoana fa tany lonaka iasan’ny fahasoavan’Andriamanitra ka hamokatra be araky ny sitrak’Andriamanitra isika ary sitrany ny hahavelona sy hahasambatra antsika .....[.......]
Ny Rainao izay mahita ny miafina no hamaly soa anao
Amin’izao Alarobia fanosorana ny lavenona izao no hanombohantsika ny fotoanandro hiomanantsika sy hivelomantsika ny misterin’ny famonjena antsika mitondra antsika amin’ny fankalazana ny Paka. Fotoana izay hamakivakiantsika mandritra ny 40 andro ny karemy handalinana ny finoantsika, katolika aho ka halaliniko izay inoako. Ny isa 40 dia fiombonantsika amin’ilay 40 taona namakivakian’ny vahoakan’Israely ny tany efitra, “désert” tany karakaina mampatahotra satria tsy fantatra izay hiafarana, hainandro tsy misy rano ka manjary mahita zavatra maro tsy tokony ho hita ny fandalovana azy, maro ny fakampanahy sedraina .....[......]
NY TENY LAZAINA NO AMANTARANA NY FO
Amin’izao Alahady faha-8 mandavantaona izao dia mananatra antsika amin’ny fifandraisantsika andavanandro ireo vakiteny telo aroson’ny Eglizy satria mifototra amin’ny teny ataontsika izany, izay ambarantsika no hahafantarana antsika, ny teny ataontsika no maneho ny maha antsika antsika ary izay no mahatonga an’i Jesoa milaza fa tsy ny miseho ety ivelany no maharatsy antsika fa ny avy ao anatintsika. Ny teny no manambara ny ao anatintsika ao, io teny io no amborahantsika ny fontsika, ny maha antsika antsika ety ivelany ...[.......]
ANDRIAMANITRA NO TENA MAHASAMBA IRA FA TSY NY HAREN’NY TANY
Amin’izao Alahady faha-6 mandavantaona izao dia manasa antsika tokoa ireo vakiteny aroson’ny Eglizy mba hiroso lalindalina kokoa isika eo anivon’ny fiainantsika satria irahina isika hikatsaka ny hasambarana. Vao tsy ela ny papa nanoratra ny “exhortation apostolique” momba ny fiantsoana ho amin’ny fahamasinana, ho amin’ny hafaliana, ho amin’ny fiadanana. Lazain’ny Papa fa làlana tokoa mankany amin’ny fahamasinana ny fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra satria masina izay miombona amin’ilay masina dia Andriamanitra, làlana mankany amin’ny fahamasinana sy fahasambarana no niantsoana antsika....[....]
Tsindrio eto hihaino ny toriteny
Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky
MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA