Home » FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

18 Marsa 2018 - ALAHADY FAHA - 5 KAREMY - TAONA B

« Tompoko, mba te hahita an’i Jesoa izahay » (Jo. 12: 21) 

Amin’izao Alahady fahadimy amin’ny karemy izao no anatanterahintsika ny pelerinajy na ny fivahiniana masina eny amin’ny ‘la montagne” arakaraky ny toerana misy antsika. Fivahianiana izay entintsika mandinika bebe kokoa ny tampon’ny kalivery mba hiara-mifantsika amin’i Kristy isika mandevina ny ratsy rehetra ka hiaraka hitsangana aminy.
Amin’izao taona hankalazantsika ny fanambarana olontsambatra an’i Lucien Botovasoa izao dia hiaraka aminy isika hamakivaky ny làlan’ny hazo fijaliana izay handinihantsika ny fijalian’i Kristy. Izany hoe ny pelerinajy izay tontosaintsika androany dia iainantsika ny “làlan’ny hazo fijalian’i Lucien Botovasoa” tsy hoe hamorona isika fa ho dinihintsika ahoana ny niainan’i Lucien Botovasoa ny hazofijalian’i Kristy tamin’izy natolotra ho faty noho ny finoany an’i Kristy ...[.......]
 

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

11 Marsa 2018 - ALAHADY FAHA - 4 KAREMY - TAONA B

Naniraka ny Zanany mba hamonjy an’izao tontolo izao Andriamanitra

Ry Kristianina havana, tonga amin’ny ivon’ny DIA sy ny ADY isika amin’izao karemy 40 andro irosoantsika tsikelikely amin’ny fiainam-baovao izay andrandraintsika amin’ny Paka. Amin’izao Alahady faha-4 ny karemy izao dia abaribarin’Andriamanitra amintsika fa na dia manao akory ny toetrantsika na korontan-dava ny fiainantsika dia i Kristy tonga nanolotra ny ainy ary vonona hanavotra antsika sy hanolotra ny fahasoavany, handrindra ny zava-drehetra fa anjarantsika kosa no miditra sy manaiky handray ny fahasoavana avy aminy fahasaovana izay omeny maimaim-poana. Izany no azo amintinana ny tantaran’ny fihaonan’i NIkodema tamin’i Jesoa. Nanomboka nahatsapa i Nikodema fa i Jesoa no i Kristy ka nanantona mangingina an’i Jesoa izy satria te-hahafantatra ny marina ny momba azy ....[........]

 

Tsindrioi eto hihaino ny toriteny

04 Marsa 2018 - ALAHADY FAHA - 3 KAREMY - TAONA B

« Ravao ity Tempoly ity, fa hatsangako indray amin’ny hateloana » (Jo. 2: 19)

Amin’izao Alahady fahatelon’ny karemy izao dia mampiditra antsika tanteraka  amin’ny fiomanana ny fankalazana ny Paka. Noho izany dia mampiroso antsika amin’ny Ady sy Dia izay mitondra antsika amin’ny Paka izay fandalovana (passage) satria miala amin’ny ratsy miaraka amin’i Kristy isika ka miditra amin’ny fiainam-baovao miaraka aminy koa. Izy nandresy ny fahafatesana no hankalazaintsika amin’ny Paka.
Manomboka izao Alahady fahatelo amin’ny karemy izao dia tantaran’i Jesoa mankany Jerosalema araky ny evanjelin’i Md Joany no vakina amintsika satria io no tandindon’ny fialantsika amin’ny fiainana mirefarera amin’ny tany ka miakatra amin’ny fiainam-baovao ao Jerosalema ilay tànana masina, tànanan’ny fiadanana ....[.......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

 

18 febroary 2018 - ALAHADY VOALOHANY KAREMY - TAONA B

« Tonga ny fotoana, ary efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra ; mibebaha ianareo ary minoa ny Evanjely » (Mk. 1: 15) 

Amin’izao Alahady voalohan’ny karemy izao dia tian’ny Eglizy sahady ho tsapantsika amin’ny alalan’ireo vakiteny fa izao fizorantsika mankany amin’ny Paka mandritra ny 40 andro izao no iezahantsika miala amin’ny fiainana tsizarizary izay mandrendrika antsika amin’ny fahotana ka hitondra antsika kosa amin’ny fiainam-baovao amin’ny Paka. Raha miara-maty amin’i Kristy isika dia hiaraka hitsangana aminy koa. “Ady sady Dia” ny fiainana maha zanak’Andriamanitra antsika ka ny fifikirana amin’Andriamanitra sy ny fiombonana amin’i Kristy no hery ho antsika. Maro ny ohatra azontsika sy modely mety ho tahafintsika fa tsara ampatsiahivina ny iray tanindrazana amintsika izay niaina ny fifikirana tamin’i Kristy ka tsy voahozongozona. Manana  modely amin’izany isika dia i Lucien Botovasoa  izay maty martiry, nijoro tamin’ny finoana izy na tao anatin’ny sarotra, tia vavaka izy no nahavita nanao ny fifadian-kanina ary ny fiainana ny fitiava-namana amin’ny alalan’ny fanaovana asa fiantrana. Ireo rahateo no fototra  manambara ny fibebahana sy ny toe-piainana vaovao ary ny fitondran-tena mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra ka miroso amin’ny fiombonana amin’i Jesoa......[........]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAROBIA FANOSORANA LAVENONA

ALAROBIA FANOSORANA LAVENONA - Archidiocèse d'Antsiranana

Mihavana re amin’Andriamanitra”

Amin’izao Alarobia fanosorana lavenona izao no idirantsika amin’ny vanim-potoanan’ny Karemy. Efa fantantsika mianakavy fa mandritra ny 40 andro ny karemy izay fotoana atolotry ny Eglizy hiomanantsika amin’ny fankalazana ny misterin’ny Paka izay midika hoe fandalovana (passage) ary ankalazantsika an’i Jesoa nandresy ny fahafatesana, maty izy kanefa nitsangan-ko velona.
Isika koa raha miara-maty amin’i Kristy amin’ny fahotana dia hiaraka hitsangana aminy ka miditra amin’ny fiainam-baovao. Miala amin’ny fiainana izay tsy mendrika ny maha zanan’Andriamanitra ka miditra amin’ny fiainana maha zanak’Andriamanitra ..... [.......]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

 

Archidiocèse d'Antsiranana

EOV DIASPORA regroupe les originaires du diocèse d'Antsiranana résidant en Europe

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA - Archidiocèse d'Antsiranana

Ecoutez la Radio Faniry en ligne

Archidiocèse d'Antsiranana

Mission 2020 - 2021 Les prêtres du diocèse Antsiranana

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..