Home » FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

ALAHADY PAKA - TAONA B - 2018

« Dia mba lasa koa i Piera sy ilay mpianatra anankiray nankany amin’ny fasana, ka niara-nihazakazaka izy roa lahy » 

Ankafaliana sy ankaravoana  omban-tsodrano no iarahantsika mianakavy midera sy manome voninahitra an’Andriamanitra amin’izao Paka ankalazantsika an’i Kristy tafatsangan-ko velona izao. Paka fandalovana araka ny naverimbreintsika matetika nandritra ny karemy fiomanantsika amin’ny Paka, “Ady sy Dia” no làlana nandalovantsika, “Ady” amin’ny ratsy dia ny fahotana  manapotika ny fiainantsika ary “Dia” mankany amin’ny fiainana miaraka amin’i Kristy. Tonga inty ny fotoana, nandresy tamin’ny ady i Kristy, niara-maty taminy amin’ny fahotana isika dia niara-mitsangana aminy koa amin’ny fandresena ny ratsy ka miditra amin’ny fiainam-baovao.....[.........]

ASABOTSY MASINA - TAONA B

Efa nitsangan-ko velona i Jesoa Nazareanina, Ilay nofantsihana tamin’ny Hazofijaliana

Rehefa nangina isika toa resy nandinika ny fahatesana omaly Zomà masina, amin’izao fiaretan-tory izao kosa izay ankalazantsika sahady ny fitsanganan-ko velona dia faly mitotorebika isika fa nandresy ny tompontsika amin’izao alina masina izao.
Alina tomaratra soa no fiantsoantsika ity alina miavaka ity izay entintsika miandry ny Paka fandalovana.
Misy fizarana efatra ny fankalazana izao alina masina izao, manambara ny “passage” ny fiaretan-tory ataontsika, miala amin’ny fahatesana ka miditra amin’ny fiainam-baovao......[.......]

ZOMA MASINA - TAONA B

Nianatra ny Fanekena Izy, ka tonga fototry ny famonjena ho an’izay manaiky Azy

Mbola ao anatin’ny hateloana masina isika. Omaly isika no nankalaza sy nandinika ary niaraka niditra tamin’i Jesoa amin’izao hateloana masina izao tamin’ny fankalazana ny Alakamisy masina izay nanorenan’i Jesoa ny famonjena antsika. Tanteraka izany famonjena izany raha nanolotra ny aina tamin’ny alalan’ny vatana sy ràny izy tamin’ny Eokaristia sy nanasa ny tongotry ny mpianany anambarany fa io no làlam-pamonjena dia ny fanompoana ary nilaza izy ataovy izao ho fahatsiarovana ahy. Izany indrindra no tanteraka amin’izao zoma masina izao ka mangina ny tany fa mahatsiaro ny fijaliana sy nahafatesan’ny Tompo izay foto-kevitra lehibe ankalazaintsika androany rahateo. Toa resy isika satria maty tokoa ny tompontsika nefa ny ankalazaintsika dia tsy ny fahafatesana mankany amin’ny faharesena sy fahaverezana fa fahafatesana manambara fandresena ny ratsy, fandresena ny fahotana......[......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAKAMISY MASINA - TAONA B

Dia fara fitiavana no nataony taminy

Ry Kristianina havana, manomboka amin’izao alakamisy masina hariva izao ny fankalazana ataontsika izay mahazatra antsoina hoe “Tridium Pascal” izany hoe ny hateloana hankalazana ny Paka. Ho antsika ny fankalazana dia sady fahatsiarovana no fiainana izay ankalazaintsika ary izany no ataontsika amin’ny litorjia  izay asan’Andriamanitra satria miaina izay ankalazaintsika isika. Andro lehibe ho antsika androany satria mankalaza ny Paka isika mandritra ny hateloana. Paka izay midika  fandalovana ka miala amin’ny fiainana tsizarizary mitondra amin’ny fahafatesana mba hiditra amin’ny fiadanana lavorary.  Ny evanjely androany mampahatsiahy antsika ny sakafo farany niarahan’i Jesoa tamin’ny mpianany ary tian’ny Eglizy ho tsapantsika lalina tokoa ny fihetsika nataon’I Jesoa raha nanasa ny tongotry ny mpianany izy izay manambara fa i Jesoa dia maneho manontolo ny fahavononany hanompo ary izany no làlana hahafahantsika mampiova hihatsara ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra izay mihapotika sy ny fifandraisantsika amin’ny namantsika sy ireo manodidina antsika ary amin’ny tontolo iainantsika ....[..........]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

25 Marsa 2018 - ALAHADY SAMPANKAZO- TAONA B

Tsy nafeniko tamin’ireo nandatsa Ahy ny tavako, ary fantatro fa tsy ho menatra Aho

Amin’izao Alahady sampankazo izao dia miara-miditra amin’i Jesoa ao Jerosalema isika, Jerosalema tanàna masina, tanànan’ny fahandriam-pahalemana, tanànan’ny fiadanana. Isika koa miara-miditra amin’i Jesoa isika ankehitriny mba hiombona aminy koa amin’ny fijaliana ka amin’izay manantena ny hiara-hitsangana aminy koa. Izany ny misterin’ny Paka ankalazaintsika.

Mankalaza ny nijalian’i Jesoa isika ka mankalaza koa ny fitsanganany velona amin’ny Paka. Paka fandalovana passage.
Nobanjinintsika izany fijalian’i Jesoa izany isaky ny nanao ny làlan’ny hazo fijaliana isika fa indrindra tamin’ny niarantsika nanao ny pelerinajy teny amin’ny “montagne de français”. Ka amin’izao Alahady sampankazo izao dia  miara-miditra amin’ny herinandro masina isika handinika bebe kokoa ny fitiavan’Andriamanitra, ny famindrampon’Andriamanitra.....[........]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Archidiocèse d'Antsiranana

EOV DIASPORA regroupe les originaires du diocèse d'Antsiranana résidant en Europe

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA - Archidiocèse d'Antsiranana

Ecoutez la Radio Faniry en ligne

Archidiocèse d'Antsiranana

Mission 2020 - 2021 Les prêtres du diocèse Antsiranana

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..