Home » FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

ALAHADY - FAHAFITO PAKA - TAONA B

« Ankamasino amin’ny fahamarinana izy ireo. Ny teninao no fahamarinana »

Tamin’ny Alakamisy lasa teo isika no nankalaza ny niakaran’ny Tompo any an-danitra. Naniraka antsika izy hizara ny Vaovao Mahafaly eo anivon’izao tontolo izao na dia tsy anisan’izao tontolo izao aza isika, naniraka antsika hanambara ny fandresena ny ratsy. Maro ny zavatra manahirana antsika sy mahatonga antsika ho feno fisalasalana ary indrindra mety mitady hanome tsiny an’Andriamanitra aza nefa isika izao no apostôly, isika izao no Kristianina mpanara-dia an’i Kristy, isika izao no Kristy mpiara-belona amin’ny olona hoy isika matetika. Nandritra ny vanimpotoan’ny Paka dia nandinika ny toetran’i Jesoa isika, nasongadintsika isaky ny Alahady ny toetran’i Jesoa mba hivelomantsika tahaka azy ka androany Alahady fahafito izay manomana antsika amin’ny Pantekôty fandraisantsika ny Fanahy Masina izay mampiombona fa tsy mampikombona...[.......]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY - FAHADIMY PAKA - TAONA B

 

« Izaho no foto-boaloboka ary ianareo no sampany. Izay mitoetra ao amiko sy itoerako no mamoa be » (Jo. 15: 5)

Ry Kristianina havana, araky ny efa voalazantsika isaky ny Alahady amin’izao Paka izao dia mampisongadina ny toetran’i Jesoa anankiray ireo vakiteny atolotry ny Eglizy. Tamin’ny Alahady lasa teo dia i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara no nankalazaintsika, tamin’ny Alahady fahatelo dia I Jesoa Mpiara-belona amintsika, ny Alahady faharoa dia I Jesoa Endriky ny Famindrampon’Andriamanitra eo anivontsika, ny Alahady ny Paka I Jesoa Aina Vaovao. Amin’izao Alahady fahadimy ny Paka izao dia I Jesoa Foto-boaloboka, I Jesoa Voaloboka ary isika no rantsany. Io no asongadin’ny vakiteny androany. Isika no rantsana, sampana mitoetra sy mifikitra aminy, mifanaraka tsara amin’ny fiomanantsika amin’ny filankevitra pastoraly ity Alahady fahadimy ity....[.......]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY - FAHA EFATRA PAKA - TAONA B

“Izaho no mpiandry ondry tsara, sady mahalala ny ahy Aho no fantatry ny Ahy” (Lk 24, 35-48)

Ry Kristianina havana, mbola ao anatin’ny fankalazana ny Paka tanteraka isika ary raha mahatsikaritra isika mba hivelomantsika izany hafaliana lavorary vokatry ny fiadanana atolotry ny Paka amintsika izany ka itoerantsika ao amin’i Jesoa sy itoeran’i Jesoa tafatsangan-ko velona ao amintsika dia atolotry ny Eglizy isaky ny Alahady ny toetran’i Jesoa ho fankaherezana antsika hiroso lalindalina kokoa eo anivon’ny fiainana hizara ny hafalian’ny Paka .....[........]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY - FAHATELO PAKA - TAONA B

« Araka ny voasoratra, dia tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona amin’ny andro fahatelo » (Lk. 24: 46)

Tamin’ny Alahady lasa isika nibanjina ny vokatry ny Paka dia ny famindrampon’Andriamanitra miara-belona amintsika tsy iza fa i Jesoa Kristy izay nizara ny fiadanana vokatry ny famindrampon’Andriamanitra. Amin’izao Alahady fahatelo ny Paka izao dia any Vohipeno ny fo amam-panahintsika tsirairay, miombona amin’ny diosezin’i Farafangana, miombona amin’ny Eglizy eran’i Madagsikara, miombona amin’ny Eglizy eran-tany mankalaza sy misaotra an’Andriamanitra satria mibaribary eo anivon’ny fiainantsika tokoa izany famindrampon’Andriamanitra izany. Ny voninahitr’Andriamanitra no ankalazaintsika amin’ny fanambarana olontsambatra an’i Ramose Lucien Botovasoa. Manana modely isika izao ka miara- misaotra sy mankalaza ny famindram-po sy ny fitiavan’Andriamanitra nasehony tamin’ny alalan’olontsambatra......[......]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY - FAHAROA PAKA - TAONA B

« Ho aminareo anie ny fiadanana ! Tahaka ny nanirahan’ny Raiko Ahy no anirahako anareo koa » (Jo. 20: 21)

Nandresy ny ratsy rehetra i Jesoa ary ny fahafatesana no farantampon’ny ratsy. Eo anivontsika nefa i jesoa nandresy fa tsy hoe lavitra antsika, miara-miaina amintsika izy ary indrindra mitondra ny ainy izay aim-baovaon’ny Paka ho antsika. Izany no tian’ireo vakiteny aroson’ny Eglizy amin’izao Alahady faharoa fankalazana ny Paka izao. Mahery tokoa ny finoana ka mitondra fanantenana ary mamelona ny fitiavana mba hahafahantsika mivelona ny fiadanana andrandraintsika, sy ny hasambarana tiantsika ho tanteraka ary izany no ambaran’i Jesoa isaky ny miseho izy rehefa tafatsangan-ko velona

“ Homba anareo anie ny fiadanana”. Fiadanana tsy araky ny hevitr’izao tontolo izao .....[........]

Archidiocèse d'Antsiranana

EOV DIASPORA regroupe les originaires du diocèse d'Antsiranana résidant en Europe

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA - Archidiocèse d'Antsiranana

Ecoutez la Radio Faniry en ligne

Archidiocèse d'Antsiranana

Mission 2020 - 2021 Les prêtres du diocèse Antsiranana

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..