MIANTSO ANTSIKA MBA HO IRAY TAM-PO AMINY NY ZANAK’ANDRIAMANITRA
Ry Kristianina havana, ankafaliana ankaravoana tokoa no anolorako ny fiarahabana sy ny firariantsoa ho antsika oloaraiky jiaby amin’izao andron’ny noely izao. Fety lehibe ho antsika ary indrindra amin’izao taona masina ny misiona izao. I Jesoa Kristy ilay olona faharoa amin’ny Trinite masina no misionera voalohany satria izy no nirahin’Andriamanitra Ray ho eto anivontsika ka Andriamanitra eto anivontsika no ankalazaintsika amin’izao Noely izao, Emanoela no anarany. Faly sy ravo miarahaba antsika rehetra ary hidirantsika amin’ny fankalazana ny faha 100 taona FET sy ny kongresy eokaristika. Ny eokaristia dia noely isanandro, isaky ny mankalaza ny eokaristia isika dia Andriamanitra eo anivontsika. Tsy misy vaovao lehibe mihoatra izao ankalazaintsika androany izao dia Andriamanitra miaramonina amintsika.....[......]
“Ary ny anarany hatao hoe Emanoela, izany hoe: amintsika Andriamanitra” (Mt 1, 18-24)
Ry Kristianina havana, akaiky dia akaiky tokoa ny hankalazantsika ny noely ka izao Alahady faha-4 amin’ny fiaviana izao dia mampiditra antsika tokoa amin’ny tontolon’ny noely, ny Teny tonga nofo araka ny averintsika matetika amin’izao fiomanantsika ny faha 100 taona ny FET fivondronan’ny eokaristika ny tanora sy irosoantsika amin’ny kongresy hanambrantsika ampinoana fa eo anivontsika tokoa Andriamanitra, izany ny Noely, Andriamanitra tonga manatona antsika, Izy Andriamanitra no misahirana miditra ao anatin’ny tontolontsika Andriamanitra eo anivontsika, Emanoela, Andriamanitra miara-monina amintsika ny Andriamanintsika. Asain’ny Eglizy isika hibanjina ny fianakaviana tao Nazareta izay hahitantsika ny cheminement na ny làlana izay nizoran’ny fianakaviana io handray an’I Jesoa....[.....]
ANDRASO AMIM-PITOKIANA NY TOMPO
Ry Kristianina havana, amin’izao Alahady fahatelo amin’ny fiavian’ny Tompo izao izay antsoina ihany koa alahadin’ny hafaliana satria arak’ireo vakiteny aroson’ny Eglizy amintsika,dia efa azo lazaina fa feno hafaliana isika satria ilay fanantenana izay andrasantsika tokoa amin’izao fiaviana izao dia eo anivontsika ary izay indindra no mahatonga an’I Md Paoly entanin’ny fanantenana izany fa hoavy tokoa ny fiadanana ary efa anivontsika ka milaza tsy ampisalsalana “Mifalia mandrakariva ao amin’ny Tompo, eny averiko indray mifalia satria efa akaiky ny Tompo”. Izany ny mahatonga ny litorjia manentana antsika na dia eo aza ny mety mavesatra na ny manahirana na ny sedra mety mitondra fahoriana amin’izao fiomanantsika ny fahatonganvan’ny Teny ho nofo izao, ny teny tonga nofo, nofo tonga mofo, mofo tonga aina. Ny tapan’ny voalohany io no andrandraintsika amin’izao noely izao dia ny fahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo ary tsapa sahady fa miezaka isika mihaona aminy fa ny marina tokoa dia Andriamanitra no manatona antsika izay no atao hoe “incarnation”, tonga nofo.....[......]
Arahaba, ry ilay feno hasoavana, ny Tompo ao aminao
Ry Kristianina havana, raha ny marina dia omaly alahady 08 desambra no fankalazana manetriketrika ny Masina Maria notorontorinona tsy azon-keloka, mpiaro voalohany an’i Madagasikara kanefa izy latsaka ao anatin’ny Avent Alahady faharoa ka androany Alatsinainy ny Eglizy no mankalaza ny fety 08 desambra indrindra isika eto Madagasikara ka ankafaliana sy ankaravoana ny hitondrana ny firariantsoa, ny fiarahabana ho antsika tsirairay satria mpiaro antsika i Masina Maria virjiny, Immaculée Conception izay tamin’ny fotoan’andro efa ela no nofidiny ireo eveka ho mpiaro ny tanindrazantsika. Tsara raha miara misaotra an’Andriamanitra isika satria ny tenin’Andriamanitra aroson’ny Eglizy amin’izao fotoana izao dia mampitodika antsika amin’ny batemy izay noraisintsika, vita batemy aho ka hirahina....[.....]
"Mibebaha fa efa akaiky ny Mesia ”
Ry Kristianina havana, efa tena tafiditra anatin’izao Dia sy Ady mankany amin’ny fankalazana ny noely isika amin’izao Alahady faharoa ny fiaviana izao ka abaribarin’ny tenin’Andriamanitra amintsika, asehony amintsika àry ny toe-panahy fototra amin’izany Dia sy Ady ataontsika amin’ny fankalazana ny noely izany. Ny tanjona dia ny Teny tonga nofo eo amin’ny fiainantsika izany hoe ny fontsika afaka handray ny Teny dia ilay zanak’Andriamanitra. Izany no ampitsihiavan’ny Tenin’Andriamanitra androany. Ny vakiteny voalohany bokin’Izaia mamaritra fa Andriamanitra dia famindrampo sy fitiavana....[....]
Tsindrio eto hihaino ny toriteny
Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky
MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA