Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao
Ry Kristianina havana, miditra amin'ny vanim-potoana mandavantaona isika manomboka amin'izao Alahady ankalazantsika ny Trinite Masina izao. Miditra amin'ny fiainana andavanandro, miditra amin’ny fivelomanana ny maha EOV MISIONERA ANTSIKA manorina ETA miezaka ho “tabernakla velona” fa indrindra miatrika izao areti-mandoza izao. Izao indrindra ny vanim-potoana fampitrahaofana ny fiainana sy ny finoana, tsy mahagaga àry raha taritin'ny Eglizy isika amin'izao Alahady izao hibanjina ny Trinite Masina izay Loharano sy fototry ny fiainantsika. Tamin'ny Alahady lasa teo, Alahady ny Pantekôty no nanambarana fa miditra ao anatin'ny fianakaviamben'Andriamanitra tokoa isika, olo araiky ao amin'Andriamanita isika. Izao Alahady manaraka ny Pantekôty izao no handalanintsika ny finoana hivelomantsika ny maha-kristianina antsika vokatry ny batemy ka hahatonga antsika ho Kristy mpiara-belona amin'ny manodidina antsika. Entanin'ny Eglizy isika hibanjina ny fianakaviam-ben'Andriamanitra, ny Trinite Masina.....[.......]
Tsindrio eto hihaino ny toriteny
MPANKAHERY SY MPANAZAVA ARY MPAMPIHAVANA, NY FANAHY MASINA
Ry Kristianina havana, amin'izao Pantekôty izao dia azo lazaina fa fankalazana ny fahaterahantsika vita batemy, izany hoe sady mahatsiaro ny nahaterahantsika ho anisan'ny fianakaviamben'Andriamanitra sy olo araiky ao amin'Andriamanitra isika no mankalaza ny fahaterahan'ny Eglizy. Araka ny averimberintsika matetika ny fankalazana tsy hoe fahatsiarovana fotsiny fa noho ny asan'ny Fanahy masina izay ankalazaintsika androany, dia miditra tanteraka amin' izany fankalazana izany isika.....[.......]
NY FIAINANA MANDRAKIZAY DIA NY MAHALALA AN’ANDRIAMANITRA
Ry Kristianina havana, mbola ao anatin'ny hafalian'ny Paka isika izao na dia mbola miatrika an’ity fahavalo tsy hita maso ity izay tena manapotika tokoa satria zary “fahavalo avokoa izay manodidina”. Miseho izany satria tsy afaka mifandray tanana ny rehetra….. Matoky anefa isika fa nandresy tokoa I Jesoa ka hopotehin’ny Fanahy Masina io “fahavalo tsy hita maso” io. Tamin'ny Alakamisy lasa teo isika no nankalaza ny fiakaran'i Jesoa any an-danitra izany hoe nankalaza fa nisy havantsika tafita ary dia mbola anatin'ny hafalian’izany isika amin'izao Alahady fahafiton’ny Paka izao. Efa manampy antsika hiroso bebe kokoa amin'ny fandalinana an'i Jesoa Mpiara-belona izany fibanjinana an’I Jesoa tafita izany. Tena niavaka tokoa ho antsika teto amin’ny diosezy ny fankalazana ny Fiakaran’I Jesoa satria nankalazana ny fanamasinana ny Menaka Masina sy ny Fanavaozana ny Tokim-panompoana nataon’ny pretra eto amin’ny diosezintsika.....[.......]
Nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany.
Ry Kristianina havana, faly sy ravo isika mianakavy amin'izao andro ankalazantsika ny fiakaran'ny Tompo izao satria nisy havantsika tafita. Rehefa misy havantsika tafita na eo amin'ny fanadinana na eo amin'ny fiainana dia mifampiarahaba isika. Ka androany olo araiky amintsika, iray lio amintsika, iray rà amintsika no tafita ka mifampiarahaba satria tafita i Jesoa lohan'ny Eglizy ary isika no Eglizy fianakaviamben'Andriamanitra, Olo Araiky amintsika. Niakatra any an-danitra i Jesoa, any izany no hitoerantsika rehetra. Efapolo andro izao no nihiboka ny Apostoly. Isika koa efa ho roa volana izao no nihiboka anatin’ny confinement. Maro ny very hevitra toa tsy misy farany izy ity ary toa mihasarotra aza. Nampianaran'i Jesoa tamin’ireo Apostoly fa mpiara-belona amintsika izy. Tanteraka ara-bakiteny ny voalazany tamin’izy ireo.....[.......]
Tsy havelako ho kamboty ianareo, fa hankaty aminareo aho
Ry Kristianina havana, efa herinandro maromaro isika no nivelona ny hafalian'ny Paka na dia ao anatin’ny fihibohana aza satria tsy ny coronavirus no faran-teny fa I Kristy nandresy ny ratsy, Alpha sy Omega. Mitohy hatrany diantsika satria I Jesoa Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana no banjinintsika tamin’ny alahady lasa teo dia miara-dalana amintsika tokoa, mpiara-belona amintsika eto anivontsika mamelona. Andriamanitra Famindram-po tokoa izy ka matoky isika fa ho resy ity fahavalo ity. Noho izany na dia eo aza izao sedra izao dia manenika ny fiainantsika ny hafalian’ny Paka vokatry ny fiadanan’I Kristy......[......]
Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky
MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA