Home » FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

25 desambra 2018 - FAHATERAHAN'NY TOMPO - TAONA D

« Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny dia tao amin’Andriamanitra, ary Andriamanitra ny Teny » (Jo. 1, 1) 

Bonne fête de Nôel antsika rehetra, enga anie ho Noely hitondra fiadanana, tanteraka izany  fiadanan’ny Noely izany raha manome voninahitra an’Andriamanitra ny fiainantsika manontolo. Araky ny fantantsika ao amin’ny vakiteny faharoa taratasin’I Hebrio, efa ela tokoa isika olombelona no maniry sy mangetaheta mba hiova ny fiainantsika, samy nahatsapa fa niova izany fiainana izany raha ilay nahary no eo anivon’ny fiainantsika. Fantatr’Andriamanitra izany hetahetam-pontsika izany. Rehefa nanota isika ka nanome lamosina azy tao amin’ny sahan’I Edena dia tsy najanony tamin’ny maha mpanota antsika isika Andriamanitra fa be famindrampo tokoa izy Ray ka naniraka ny Zanany ho tonga nofo sy hitoetra eto amintsika satria fantany fa tsy afaka mamonjy ny tena samirery isika, tsara ho tsapantsika izany ry Kristianina havana.... [........]

 

02 desambra 2018 - ALAHADY FIAVIANA 1 - TAONA D

« Miandrandrà ka asandrato ny lohanareo, fa efa akaiky ny fanavotana anareo »

Nankalaza an’i Kristy mpanjaka isika tamin’ny Alahady lasa teo izay namaranantsika ny taona litorjika ary amin’izao Alahady voalohan’ny volana desambra izao no hidirantsika amin’ny taoana litorjika vaovao ka I Md Lioka no Evanjely ho banjinintsika manokana amin’ity taona D ity. Md Lioka izay mampisongadina bebe kokoa mikasika ny famindrampon’Andriamanitra sy i Masina Maria. Mandritra ny taona isika handalina izany. Faly sy ravo miarahaba antsika amin’izao taona vaovao litorjika izao izay taona ho entintsika Olo Araiky manorina araky ny lohahevitra noraisintsika taorian’ny filankevitra pastôraly. Manorina ho Eglizy Tranon’Andriamanitra sy Eglizy Olona Velona, ho Kristy mpiara-belona amin’olona satria ny teny Kristianina avy amin’i Kristy ka tahaka an’I Krsty isika kristianiana mpitory vaovao mahafaly amin’ny toerana rehetra misy antsika....[.....] 

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

25 novambra 2018 - ALAHADY FAHA 34 - TAONA B

Fankalazana an’i KRISTY MPANJAKA

« Dia hoy i Pilaty taminy: Koa Mpanjaka izany Ianao ? Ary novalian’i Jesoa hoe : Efa voalazanao : Mpanjaka Aho » (Jo. 18: 37)

Alahady mamarana ny volana novambra isika androany izay volana hibanjinantsika ny fiainan-ko avy rehefa nanantitrantitra isika tamin’ny Alahady lasa teo fa mbola hiverina amin’ny fomba manetriketrika I Kristy. Amin’izao Alahady faha 34 izao no famaranana ny taona litorjika ka ankalazantsika an’i Kristy mpanjakan’izao rehetra izao. Inona no tsara asongandina amin’izao fetin’I Kristy mpanjaka izao ?

Mampahatsiaro ny anjara toeran’ny finoana eo amin’ny fiainantsika, eo amin’ny fiainan’ny fiaraha-monina sy ho an’ireo izay maniry te-handray andraikitra bebe kokoa amin’ny fiaraha-monina. Tsy mpanjaka mamefy tany na faritra fa mpanjakan’izao rehetra izao i Jesoa Kristy, ny tany aman-danitra satria izy no Kristy nahary an’izao rehetra izao, mpanjaka tokoa izy nefa tsy araky ny fiheverantsika olombelona izany maha mpanjaka azy izany......[.......]


Tsindrio eto hihaino ny toriteny

18 novambra 2018 - ALAHADY FAHA 33 TSOTRA TAONA B

« Dia ho hita amin’izay ny Zanak’olona avy eo ambonin’ny rahona amin-kery lehibe sy voninahitra » (Mk. 13: 26)

tamin’ny Alahady  faha 32 mandavantaona lasa teo ny fampianarana azontsika dia ny hoe izay tia mahafoy, fototry ny fiainantsika sy ny maha zanak’Andriamanitra antsika ny fahafoizana, fototry ny maha Kristianina antsika ny fahafoizana eo amin’ny mpiara belona amintsika, fototry ny maha mpanorina antsika EOV sy ETA. Ao anatin’izao fiomanantsika amin’ny hasim-pinoana ary amin’izao Alahady izao mialoha ny fankalazana an’I Kristy mpanjaka no nofidin’ny Papa manokana ny Alahady faha 33 mandavantaona hahatsiarovana ny asa fanasoavana an’ireo mahantra. Indrisy fa mihamaro ny mahantra eto amintsika ka inty andro anio ity, izay andro hankalazantsika sy hirosoantsika bebe kokoa amin’ny asa fanasoavana an’ireo voahiliky ny fiaraha-monina.....[.......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

11 novambra 2018 - ALAHADY FAHA 32 TSOTRA TAONA B

« Lazaiko marina aminareo fa io mpitondratena mahantra io no nandatsaka be indrindra tamin’izay rehetra nandatsaka tao amin’ny fandatsahan-drakitra » (Mk. 12: 43)

Ry Kristianina havana, raha tamin’ny Alahady lasa teo isika nandinika ny fitsipika volamena mba ialantsika amin’ilay fivavahana ety ivelany sy ny fanatanterahana fitsipika fotsiny izay nanomezan’i Jesoa tsiny an’ireo mpanora-dalàna sy farisiana tamin’ny fotoanandrony, amin’izao Alahady faha 32 mandavantaona izao dia miditra lalindalina amin’izany fandinihana ny fitsipika volamena izany isika. Nilaza i Jesoa “Mihainoa ry Israely, ny Tompo Andriamanintsika no Tompo Andriamanitra tokana ka tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao, amin’ny fanahinao, amin’ny sainao ary herinao manontolo”, izany no didy voalohany, ny faharoa mitovy amin’izany : “Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao” ....[.......]

Archidiocèse d'Antsiranana

EOV DIASPORA regroupe les originaires du diocèse d'Antsiranana résidant en Europe

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA - Archidiocèse d'Antsiranana

Ecoutez la Radio Faniry en ligne

Archidiocèse d'Antsiranana

Mission 2020 - 2021 Les prêtres du diocèse Antsiranana

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..