Home » FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

ALAROBIA LAVENONA 06 marsa 2019

Ny Rainao izay mahita ny miafina no hamaly soa anao

Amin’izao Alarobia fanosorana ny lavenona izao no hanombohantsika ny fotoanandro hiomanantsika sy hivelomantsika ny misterin’ny famonjena antsika mitondra antsika amin’ny fankalazana ny Paka. Fotoana izay hamakivakiantsika mandritra ny 40 andro ny karemy handalinana ny finoantsika, katolika aho ka halaliniko izay inoako. Ny isa 40 dia fiombonantsika amin’ilay 40 taona namakivakian’ny vahoakan’Israely ny tany efitra, “désert” tany karakaina mampatahotra satria tsy fantatra izay hiafarana, hainandro tsy misy rano ka manjary mahita zavatra maro tsy tokony ho hita ny fandalovana azy, maro ny fakampanahy sedraina .....[......]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

03 marsa 2019 - ALAHADY FAHA 8 - MANDAVANTAONA D

NY TENY LAZAINA NO AMANTARANA NY FO 

Amin’izao Alahady faha-8 mandavantaona izao dia mananatra antsika amin’ny fifandraisantsika andavanandro ireo vakiteny telo aroson’ny Eglizy satria mifototra amin’ny teny ataontsika izany, izay ambarantsika no hahafantarana antsika, ny teny ataontsika no maneho ny maha antsika antsika ary izay no mahatonga an’i Jesoa milaza fa tsy ny miseho ety ivelany no maharatsy antsika fa ny avy ao anatintsika. Ny teny no manambara ny ao anatintsika ao, io teny io no amborahantsika ny fontsika, ny maha antsika antsika ety ivelany ...[.......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

17 Febroary 2019 - ALAHADY FAHA 6 - MANDAVANTAONA D

ANDRIAMANITRA NO TENA MAHASAMBA IRA FA TSY NY HAREN’NY TANY 

Amin’izao Alahady faha-6 mandavantaona izao dia  manasa antsika tokoa ireo vakiteny aroson’ny Eglizy mba hiroso lalindalina kokoa isika eo anivon’ny fiainantsika satria irahina isika hikatsaka ny hasambarana. Vao tsy ela ny papa nanoratra ny “exhortation apostolique” momba ny fiantsoana ho amin’ny fahamasinana, ho amin’ny hafaliana, ho amin’ny fiadanana. Lazain’ny Papa fa làlana tokoa mankany amin’ny fahamasinana ny fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra satria masina izay miombona amin’ilay masina dia Andriamanitra, làlana mankany amin’ny fahamasinana sy fahasambarana no niantsoana antsika....[....]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

 

03 Febroary 2019 - ALAHADY FAHA 4 - MANDAVANTAONA D

 "Tsy ny zanak’i Jôsefa va ity? " (Lk. 4: 22)

Tena ao anatin’ny fivelomana ny mandavantaona tokoa isika izao izany hoe vanimpatoana amin’ny fandalinam-pinoana, katolika aho ka alaliniko izay inoako. Tsy hoe alalinina fotsiny ka hikombona irery fa ho tahaka an’I Jesoa tao an-tempoly nilaza hoe “Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo, hirahinao hitory ny vaovao mahafaly aho” izany no namaranantsika ny fandalinam-pinoana tamin’ny Alahady lasa faha 3 teo. Amin’izao Alahady faha 4 izao dia miditra lalindalina isika, miantso antsika Andriamanitra mba hampiombona ny olona rehetra satria Andriamanitra araka ny lohahevitra alalinintsika androany dia “Masoandro be lohataona ny fitiavan’Andriamanitra ka tsy mifidy olona hosoavina” izany hoe miantso antsika ho olo araiky ao aminy Andriamanitra. Tsy mikombona ny finoana, katolika aho ka zaraiko izay inoako, katolika aho ankalazaiko izay inoako. Ry Kristianina havamalala, miantso antsika tokoa Andriamanitra, miantso olona hijoro vavolombelona hanambara amin’ny manodidina ny fitiavan’Andriamanitra .......[......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

27 janoary 2019 - ALAHADY FAHA 3 MANDAVANTAONA D

« Nampianatra tao amin’ny sinagôgan’izy ireo Izy, ka nankalazain’izy rehetra » (Lk. 1: 15)

Amin’izao Alahady faha-3 mandavantaona dia manohy ny fianarana ny fiainan’I Jesoa antsika miaraka amin’I Md Lioka, na dia I Md Joany aza no novakiana tamin’ny Alahady lasa mitantara ny fanovan’I Jesoa ny rano ho divay, izay manambara fa eo anivontsika I Jesoa raha mitoetra ao aminy isika dia itoerany, miova ny fiainantsika no mamokatra tsara ka mahasoa amin’ny fiainantsika ary nahafaly ireo izay nasaina tao Kana tamin’izany fotoana izany, nino ny mpianatra satria nahita ny voninahitr’Andriamanitra tamin’ny famantarana nataon’I Jesoa io. Mba hivelomantsika an’izany rehetra izany dia ampitain’ny Eglizy androany ary fa ny tenin’Andriamanitra natao hanampy antsika hifanotrona, hifanasoa ka hiroso ho olo araiky ao amin’I Kristy isika, izany no antintraterin’ireo vakiteny androany ......[........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Archidiocèse d'Antsiranana

EOV DIASPORA regroupe les originaires du diocèse d'Antsiranana résidant en Europe

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA - Archidiocèse d'Antsiranana

Ecoutez la Radio Faniry en ligne

Archidiocèse d'Antsiranana

Mission 2020 - 2021 Les prêtres du diocèse Antsiranana

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..