Home » FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

19 Mey 2019 - ALAHADY PAKA V- TAONA D

Mifankatiava, ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo.

Ry kristianina havana, tsy nitsahatra isika namerimberina nanomboka tamin’ny Paka fa isaky ny Alahady dia misy endrik’i Kristy ilay famindrampon'Andriamanitra no asongadin'ireo vakiteny. Tamin’ny Alahady lasa teo isika dia nibanjina ary niezaka hahalala bebe kokoa fa i Kristy no endriky ny famindrampon'Andriamanitra mpiandry  ondry tsara. Amin’izao Alahady fahadimy amin’ny Paka izao dia endrika anankiray no banjinintsika dia i Kristy loharano niavian’ny anarana hoe Kristianina.  Izay anarana niaviantsika izay no “identité”ntsika ka banjinintsika izany hoe ;
- inona ny maha-Kristianina mpanaradia an’i Kristy atsika ?
- aiza ny fototra sy loharano maha-Kristianina atsika ?
- iza marina i Kristy arahintsika io ? ........[..........]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

12 Mey 2019 - ALAHADY PAKA IV- TAONA D

« Izaho sy ny Ray dia iray ihany » (Jo. 10 : 30) »


Ry Kristianina havana, mbola ao anatin’ny Paka tokoa isika, Alahady faha-efatra amin’ny Paka izao. Noraisintsika nandritra izany fankalazana izany hibanjinana ny toe-panahin’i Jesoa arak’ireo vakiteny aroson’ny Eglizy isaky ny Alahady mba hianarantsika ka hahatonga antsika ho mpanara-dia an’i Kristy tokoa izany hoe ho Kristianina. 

Amin’izao Alahady faha-efatra izao dia hibanjinantsika an’i Jesoa Mpiandry Ondry tsara ka hivavahantsika manokana ho an’ny fiantson’Andriamanitra indrindra ho an’ny voatokana sy ny pretra ary hivavaka manokana ho an’I Papa Fransoa izay hamangy antsika ka ho tahaka an’i Piera izy hankahery antsika. Halalinintsika ny finoantsika mba ho Kristianina mpiara-belona amin’olona tokoa isika ka ho mpamafy ny fiadanana sy ny fanantenana....[....]

TSINDRIO ETO HIHAINO NY TORITENY

05 Mey 2019 - ALAHADY PAKA III- TAONA D

"Dia nanatona i Jesoa, nandray ny mofo, sy nanome azy ireo » (Jo. 21 : 13)" 

mbola ao anatin’ny Alahady fankalazana ny Paka isika. Isaky ny Alahady dia omen’ny Eglizy lohahevitra iray isika hibanjinantsika ny toetran’i Kristy mba hianarantsika hiaina ny toetrany ka hahatonga antsika ho Kristianina, Kristy mpiara-belona amin’olonaTamin’ny Alahady lasa dia nibanjina an’i Kristy mpamindra fo isika mba hahatonga antsika koa ho mpamindra foAmin’izao Alahady fahatelo izao dia ireo mpianatra miverina amin’ny asan’izy ireo andavanandro izany hoe niverina amin’ny maha-mpanarato azy ireo nefa tsy nahazo na inona na inona ka tonga teo aminy I Jesoa nankahery azy ireo sy naniraka azy ireo hoe “Alatsaho ao ankavanan’ny sambo kely àry ny haratonareo, fa hahazo ianareo”, I Jesoa velona tokoa eo anivontsika no banjinintsika androany. Koa amin’ny asa rehetra sahanintsika sy iandraketantsika, miaraha amin’I Jesoa fa velona izy ary manampy antsika hamokatra.....[......]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

28 aprily 2019 - ALAHADY PAKA II- TAONA D

" Raiso ny Fanahy Masina: ny fahotana izay havelanareo dia ho voavela, ary izay hotananareo dia ho voatana "  

Mbola anatin’ny herinandro fankalazana ny Paka isika. Namakivaky ny havaloana masina isika nanomboka ny alatsinainy ny Paka ka tonga amin’izao Alahady faharoa ny Paka izao. Antritantrerin’ny tenin’Andriamanitra aroson’ny Eglizy ho antsika ho sakafo mamelona ny fototry ny finoantsika dia I Jesoa nandresy ny ratsy ka nitsangan-ko velona. Tafatsangan-ko velona tokoa ny Tompo, Aleloia. Ny Aleloia dia fankalazana ny fandresen’Andriamanitra. Izany no hibanjinintsika miaraka amin’ireo tenin’Andriamanitra amin’izao Alahadin’ny famindrampo, faharoan’ny Paka izao......[.......]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

14 aprily 2019 - ALAHADY SAMPANKAZO - TAONA D

" Fiadanana anie any an-danitra, ary voninahitra anie any amin’ny avo indrindra "

 

Ry Kristianina havana, izao Alahadin’ny sampankazo izao no mampiditra antsika amin’ny herinandro masina izay ankalazantsika ny famonjena antsika dia Andriamanitra nanaiky hanavotra antsika, nanaiky nanolotra ny ainy ho antsika, nanaiky ho faty hanafaka antsika amin’ny fahotana. Masina izay miombona amn’Andriamanitra. Masina izao herinandro izao satria mampiombona amn’Andriamanitra. Masina isika satria miombona amin’Andriamanitra. Araraoty ary izao herinandro masina izao iombonantsika bebe kokoa amin’Andriamanitra. Maro ny famantarana hibanjinintsika mandritra izao herinandro masina izao hanampy antsika mamelombelona ny finoantsika ary ny finoana no hahaizantsika mandray izao herinandro izao ho masina ka mitondra antsika amin’ny Paka izay hahatonga antsika ho zava- boahary vaovao ao amin’Andriamanitra.....[......]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Archidiocèse d'Antsiranana

EOV DIASPORA regroupe les originaires du diocèse d'Antsiranana résidant en Europe

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA - Archidiocèse d'Antsiranana

Ecoutez la Radio Faniry en ligne

Archidiocèse d'Antsiranana

Mission 2020 - 2021 Les prêtres du diocèse Antsiranana

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..