Home » FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

23 Jiona 2019 - ALAHADY VATANA SY RA MASIN'I KRISTY - TAONA D

 

« Dia nihinana izy rehetra ka voky » (Lk. 9: 17)

Amin'izao Alahady izao miaraka amin’ny Eglizy manerantany isika no mankalaza ny Vatana sy ny Ràn’i Kristy na koa antsoina hoe “Fête-Dieu” miaraka manao procession isika mankalaza an’Andriamanitra eo anivontsika dia i Kristy izay banjinintsika amin’ny Eokaristia masina. Izany no mahatonga ny olona manao “Fête Dieu”. Izy Andriamanitra tokoa hajaintsika amin’ny Sakramenta Masina no  mitsodrano antsika ary amin’ny alalany sy miaraka aminy ary ao aminy no hahazoantsika ny tsodrano mitondra ny fahasoavana rehetra. Nolazain’i Jesoa tamin’ny alakamisy masina hoe “ Raiso ary hano, fa Vatako ity ho anareo, manaova izao ho fahatsiarovana Ahy” .....[....]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

16 Jiona 2019 - ALAHADY TRINITE MASINA - TAONA D

« Fa rehefa tonga ny Fanahy fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo amin’ny marina rehetra » (Jo. 16: 13)

Tamin’ny Alahady lasa teo isika nankalaza ny Pantekôty dia nilaza hoe enga anie ny fankalazana izany hahatsapantsika ny asan’ny Fanahy Masina izay mampiombona antsika amin’Andriamanitra ka mahatonga antsika ho zanak’Andriamanitra ao amin’ny Trinité Masina.
Izany no ankalazantsika rehefa mandray ny batemy isika satria mahatonga antsika ho zanak’Andriamanitra. Ny Fanahy masina no mankahery antsika ka na dia eo aza ny olana maro mety mitranga amin’ny fiainantsika ka mahavery fanantenana antsika dia matoky isika satria ny Fanahy nanangana an’i Jesoa ho velona no ato amintsika koa ka feno fanantenana isika ary hamafy izany eo amin’ny mpiara-belona amintsika .....[......]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

02 Jiona 2019 - ALAHADY PAKA VI- TAONA D

" Mba ho iray izy rehetra, tahaka Anao, Ray ato amiko, ary Izaho ao aminao "

Tamin’ny Alakamisy lasa teo isika no nankalaza manetriketrika an’i Kristy niakatra any an-danitra manambara tanteraka fa nandresy tokoa izy ary an-danitra koa no tanjona ho antsika. Voalazan’i Md Paoly amintsika fa izay misy an’i Kristy no katsaho ary ny misy an’i Kristy dia any an-danitra toerana hasambarana ka izany ny mahatonga antsika milaza sy mino fa any ambony izy any no misy ny fahasambarana. Ny lanitra dia ny fiombonana amin’Andriamanitra. Masina izay miombona amin’Andriamanitra.
Miombona tanteraka ao amin’ny Trinité masina i Jesoa, tsy nisaraka amin’ny Trinité masina izy fa nirahin’ny Ray ho eto amintsika  hanambara indrindra ny fiombonana amin’ny Trinité masina......[.......]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

 

FANKALAZANA FIAKARAN'NY TOMPO AN-DANITRA - D2019

« Raha mbola nitso-drano azy Izy, dia nisaraka taminy, ka nakarina ho any an-danitra »

Ry Kristianina havana, efapolo andro lasa izay no nankalazantsika ny Paka, nankalazantsika ny nitsanganan’i Jesoa ho velona, izy izay tsy nanota nanaiky ho fahotana mba hanapotika ny fahotana ao am-pasana. Nilevona izy ka nalevina niaraka Aminy ny fahotana nitondra fiainam-baovao ho antsika izy ka nahatonga antsika ho zava-boahary vaovao, ho Eglizy Olona Velona tokoa isika manorina Eglizy Tranon’Andriamanitra dia ilay tranobe iombonantsika nolazain’ny Papa Ray masina tamin’ny Karemy fa noho ny fahotantsika, ny tontolom-piainantsika dia potika satria tsy voakolokolontsika noho ny fitiavan-tena dia manaraka ny sitrapontsika ka lasa fahavalo ny zava- boahary izay no mahatonga antsika ho sahirana......[........]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

26 Mey 2019 - ALAHADY PAKA VI- TAONA D

« Aoka tsy hitebiteby na hatahotra ny fonareo » (Jo. 14 : 27) »

Ry Kristianina havana, Alahady faha-6 amin’ny Paka izao ka tsy mahagaga raha mampitodika antsika sahady amin’ny aorian’ny Paka izany hoe ny hivelomantsika ny Paka ka ireo vakiteny aroson’ny Eglizy amintsika nandritra izay Alahady dimy izay dia nentina nanampy antsika nandalina ny toe-panahin’i Kristy sy ny toe-piainan’i Kristy mpiandry ondry tsara, Kristy endriky ny famindram-po, Kristy velona eto amintsika, Kristy foto-boaloboka ka amin’izao dia ny vakiteny manampy antsika hihaina izany toe-panahy rehetra izany.

Tsy hoe hiady irery isika na hikombona fa nomen’i Jesoa ny Fanahiny masina izay niasa tao aminy ka nampibaribary ny fiombonan’ny Trinite masina ka ho oloaraiky tokoa, ho Ray Zanaka Fanahy Masina [.........]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Archidiocèse d'Antsiranana

EOV DIASPORA regroupe les originaires du diocèse d'Antsiranana résidant en Europe

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA - Archidiocèse d'Antsiranana

Ecoutez la Radio Faniry en ligne

Archidiocèse d'Antsiranana

Mission 2020 - 2021 Les prêtres du diocèse Antsiranana

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..