Home » FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

03 novembre 2019 - ALAHADY FAHA 31 MANDAVANTAONA D19

“Tonga amin’ity trano ity androany ny famonjena, satria zanak’i Abrahama koa ity lehilahy ity, fa ny hitady sy hamonjy ny very no nahatongavan’ny Zanak’olona”

Izao alahady faha 31 mandavantaona izao no Alahady voalohany amin’ny novambra, volana hibanjinantsika manokana ny fiainan-koavy, hivavahantsika ho an’ireo havantsika nialoha làlana antsika. Mbola mandalina ny finoana amin’ny maha iraka antsika isika satria ny volana fankalazana no tapitra fa isika kosa miditra amin’ny fandalinam-pinoana ho entintsika mamakivaky ity taona ity, taonan’ny misiona, taona maha iraka  ka ho entintsika mankalaza ny faha-100 taona AFAFI- FET indrindra ny hankalazantsika ny kongresy eokaristika eto amin’ny diosezintsika, ka amin’izao Alahady faha 31 izao dia feno fanantenana isika satria tahaka an’i Zake isika, kely sy bitika te hahita an’i Jesoa, fohy ka nihazakazaka te hamonjy an’i Jesoa nefa fantaro fa ny vaovao mahafaly dia i Jesoa no manatona antsika ary izy no mamonjy antsika, izy no mampandroso antsika ao an-tranony ka tahaka ny nolazainy tamin’i Zake hoe « Tonga amin’ity trano ity androany ny famonjena, satria zanak’i Abrahama koa ity lehilahy ity, fa ny hitady sy hamonjy ny very no nahatongavan’ny Zanak’olona
........[.........]

 

27 oktobra 2019 - ALAHADY FAHA 30 MANDAVANTAONA D19

Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko fa mpanota aho!’

 

Ry Kristianina havana, izao Alahady faha-30 mandavantaona izao no hamaranana ny volana voatokana nandalinana ny momba ny misiona ary hamaranantsika koa ny volan’ny raozery fa isika eto amin’ny diosezy kosa miditra amin’ny taona masin’ny misiona hahatonga antsika ho iraka.  Ampitsiahivina antsika ireo hafatra avy amin’ny papa Ray masina amin’izao fankalazantsika ny taona masin’ny misiona izao. Matoa isika mankalaza an’izao dia noho ny faha 100 taona ny taratasy nosoratan’i Papa Benoà faha-15 « Maximum illud » izay maniraka ny Kristianina vita batemy rehetra ho iraka hanambara eo anivon’izao tontolo izao ny famonjena nentin’i Kristy......[........]

20 oktobra 2019 - ALAHADY FAHA 29 MANDAVANTAONA D19

 Andriamanitra indray va no tsy hanome rariny ny olom-pinidiny izay mitaraina aminy andro aman’alina, ary tsy halaky hamonjy azy ?

tamin’ny Alahady lasa teo isika nibanjina manokana ny finoana izay nahitantsika taratra ny nanjo an’i Naàmana ilay jeneraly sirianina raha niditra tao amin’ny ranon’ny joridany izy ka nadio ary afaka ny aretinkodiny, niverina tamin’ny toebatany teo aloha izy. Nahitantsika koa ireo marary hoditra folo lahy izay nositranin’i Jesoa sy nodioviny fa anankiray ihany no nahatsiaro nankasitra an’Andriamanitra. Ho famintinana izany rehetra izany dia nilaza isika fa ny finoana velona dia mitaky faharetana, raha mitoetra amin’ny finoana isika ka manompo anatin’ny faharetana  isika manatanteraka ny sitrak’Andriamanitra dia ho tsara ny fiainantsika. Zary EOV Misionera. Ny famenoana sajoa saota, siny enina no fanehoantsika fivelomantsika ny finoana.
Amin’izao volana oktobra volana voatokana ho an’ny misiona dia hanirahana antsika hibanjina kokoa ny maha misionera antsika Kristianina zanak’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny batemy noraisintsika.....[....]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

13 oktobra 2019 - ALAHADY FAHA 28 MANDAVANTAONA D19

Mitsangàna, ary mandehàna, fa ny finoanao no nahavonjy anao”.

Ry Kristianina havana ao anatin’ny volana oktobra izay hibanjinantsika manokana ny maha misionera antsika  sy ny maha iraka antsika isika, Vita batemy aho ka hirahina ho vavolombelona eo anivon’ny mpiara-belona. Ny volana oktobra hibanjinantsika koa amin’ny alalan’ny fanaovana ny raozery ny misterin’ny famonjena antsika hiarahana amin’i Masina Maria. Izany no maha misionera antsika, manorina EOV sy ETA ka manitatra ny fanjakan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fitoriana ny vaovao mahafaly ka mahatonga antsika Kristianin ho Kristy mpiara-belona amin’ireo manodidina antsika ka ho génération mpanorina tokoa isika. Amin’izao ady sady dia mitondra antsika amin’ny fankalazana ny Kongresy Eokarisitka  sy ny faha-100 taona amin’izao Taona Masina izao dia ezaka iarahana manao ary indrindra ataon’ny tsiraray no mameno IREO SAJOA, SINY SAOTA, ENINA. Maherezà àry isika amin’ny ady amin’ny ratsy mety misakana ny dià.....[........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny 

06 oktobra 2019 - ALAHADY FAHA 27 MANDAVANTAONA D19

Ny olona manam-pinoana tsy miandry valisoa eo no ho eo

Ry Kristianina havana  handinika isika araky ny hafatry ny Papa amin’ny fankalazana ny faha 100 taona ny misiona izay hidirantsika koa amin’ny fandinihana ny maha misionera antsika ao anatin’ny Eglizy dia ny hoe vita batemy aho ka hirahina. 

Ny antsika eto amin’ny diosezy dia mampahatsiaro antsika tamin’ny fanokanantsika ny tanana Antsiranana sy ny diosezintsika amin’i Masina Maria sy Fo madion’i Maria. Mitondra antsika amin’ny taonan’ny masin’ny misiona, hahatonga antsika ho EOV sy ETA ka ho génération mpanorina, manorina Eglizy fanjakan’Andriamanitra hahatonga antsika ho iraka eo anivon’ny mpiara-belona amintsika, hahatonga antsika ho Kristy mpiara-belona amin’olona. I Kristy no misionera voalohany nirahin’ny Ray hitory  ny vaovao mahafaly, izy naniraka ny apostoly sy  antsika mianakavy ho amin’izao tontolo izao ary ireo manodidina antsika no hanirahana antsika voalohany indrindra......[.......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Archidiocèse d'Antsiranana

EOV DIASPORA regroupe les originaires du diocèse d'Antsiranana résidant en Europe

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA - Archidiocèse d'Antsiranana

Ecoutez la Radio Faniry en ligne

Archidiocèse d'Antsiranana

Mission 2020 - 2021 Les prêtres du diocèse Antsiranana

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..