Home » FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

08 Desambra - Masina Maria notorontorina tsy azon-keloka

Arahaba, ry ilay feno hasoavana, ny Tompo ao aminao

Ry Kristianina havana, raha ny marina dia omaly alahady 08 desambra no fankalazana manetriketrika ny Masina Maria notorontorinona tsy azon-keloka, mpiaro voalohany an’i Madagasikara kanefa izy latsaka ao anatin’ny Avent Alahady faharoa ka androany Alatsinainy ny Eglizy no mankalaza ny fety 08 desambra indrindra isika eto Madagasikara ka ankafaliana sy ankaravoana ny hitondrana ny firariantsoa, ny fiarahabana ho antsika tsirairay satria mpiaro antsika i Masina Maria virjiny, Immaculée Conception izay tamin’ny fotoan’andro efa ela no nofidiny ireo eveka ho mpiaro ny tanindrazantsika. Tsara raha miara misaotra an’Andriamanitra isika satria ny tenin’Andriamanitra aroson’ny Eglizy amin’izao fotoana izao dia mampitodika antsika amin’ny batemy izay noraisintsika, vita batemy aho ka hirahina....[.....]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

08 Desambra 2019 - ALAHADY - FIAVIANA FAHA-2 - TAONA A19

"Mibebaha fa efa akaiky ny Mesia ”

Ry Kristianina havana, efa tena tafiditra anatin’izao Dia sy Ady mankany amin’ny fankalazana ny noely isika amin’izao Alahady faharoa ny fiaviana izao ka abaribarin’ny tenin’Andriamanitra amintsika, asehony amintsika àry ny toe-panahy fototra amin’izany Dia sy Ady ataontsika amin’ny fankalazana ny noely izany. Ny tanjona dia ny Teny tonga nofo eo amin’ny fiainantsika izany hoe ny fontsika afaka handray ny Teny dia ilay zanak’Andriamanitra. Izany no ampitsihiavan’ny Tenin’Andriamanitra androany. Ny vakiteny voalohany bokin’Izaia mamaritra fa Andriamanitra dia famindrampo sy fitiavana....[....]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

 

01 Desambra 2019 - ALAHADY - FIAVIANA VOALOHANY - TAONA A19

"Koa aoka àry ho vonona koa ianareo, fa ho avy amin’ny ora  tsy ampoizinareo ny Zanak’olona”

Ry Kristianina havana faly miarahaba antsika mianakavy amin’izao Alahady voalohan’ny Fiaviana “Avent” izany hoe fanombohan’ny taona ho antsika Kristianina Katolika satria izao Alahady voalohan’ny Avent izao no hidirantsika amin’ny taona vaovao litorjika ka ankaravoana sy ankafaliana no hiarahabana ny fianakaviana rehetra, hirarahabana antsika Eglizy fototra, hiarahabana antsika Eglizy iraka, antsika sektera sy antsika Eglizy rehetra eto amin’ny diosezy ary antsika EOV Eglizy Olona Velona manorina Eglizy Tranoben’Andriamanitra, taranaka mpanorina ka vita batemy ka hirahina fa indrindra amin’izao taona masin’ny misiona izao. Ankafaliana no hitalahoana ny tsodranon’Andriamanitra ho antsika tsirairary na Kristianina na tsy Kristianina amin’izao taona masina anombohantsika taombaovao litorjika taona A .....[.....]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

 

17 novembre 2019 - ALAHADY FAHA 33 MANDAVANTAONA D19

HO AVY NY FARANDRO ARY HOTSARAIN’ANDRIAMANITRA ISIKA

Amin'izao Alahady faha 33 tsotra mandavantaona izao, milaza amintsika i Jesoa fa raha maharitra isika mifikitra amin’ny toetra maha zanak’Andriamanitra na dia hikorontana aza izao tontolo izao dia hahatoky azy antsika ary tsy hatahotra fa hiroso lalindalina kokoa ny fiainana maha zanak’Andriamanitra ary izany ny atao hoe fiainana misionera, izany no hampiova izao rehetra izao sy làlana hahafahantsika manova ny tontolo iainantsika sy ny tontolom-piainantsika. Ny ataontsika àry dia mameno ireo siny enina atolotr’i Jesoa amintsika, na dia mety misy aza ny fahakaviana satria sarotra ny làlana maha misionera, ny làlana izorantsika dia tokana ihany dia ny fifikifirana amin’i Kristy na inon-kidona na inon-kiatra tsy inona izay fa isika miezaka mameno ny siny....[........]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

10 novembre 2019 - ALAHADY FAHA 32 MANDAVANTAONA D19

 

Tsy mba Andriamanitry ny maty Izy fa Andriamanitry ny velona

Ry Kristianina havana, anatin’ny volana novambra isika izay hivavahantsika manokana ho an’ireo havantsika nialoha làlana antsika, raha ny tena marina volana hibanjinantsika ny fiainan-koavy. Arakaraky ny fiheverantsika ny fiainan-koavy no andrafetantsika ny fiainantsika, eo indrindra no tsy maintsy misy ny safidy tsy maintsy atao izany hoe : raha mihevitra isika fa ny hoavy dia ny fahafatesana tsy misy zavatra hafa intsony aorianan’izany, tsy mahagaga raha mifanipaka sy mifamono isika ka mametraka  ity fiainana fandalovana ity anaovana izay hazahoana ny hasambarana eto an-tany nefa tsy hasambarana mankaiza fa mitondra antsika amin’ny fahaverezana. Raha ny fiheverantsika ny hoavy kosa araky ny tenin’Andriamanitra renesintsika amin’izao Alahady faha 32 mandavantaona izao dia mahatonga antsika handrafitra ny fiainantsika mba ho fiainana araka ny maha zanak’Andriamanitra antsika hahatonga antsika ho zanany ka hahazoantsika hasambarana mandrakizay ....[......]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

 

Archidiocèse d'Antsiranana

EOV DIASPORA regroupe les originaires du diocèse d'Antsiranana résidant en Europe

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA - Archidiocèse d'Antsiranana

Ecoutez la Radio Faniry en ligne

Archidiocèse d'Antsiranana

Mission 2020 - 2021 Les prêtres du diocèse Antsiranana

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..