Home » FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

ALAKAMISY FANKALAZANA NY FIAKARAN'I KRISTY AN-DANITRA Taona 20

Nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany.


Ry Kristianina havana, faly sy ravo isika mianakavy amin'izao andro ankalazantsika ny fiakaran'ny Tompo izao satria nisy havantsika tafita. Rehefa misy havantsika tafita na eo amin'ny fanadinana na eo amin'ny fiainana dia mifampiarahaba isika. Ka androany olo araiky amintsika, iray lio amintsika, iray rà amintsika no tafita ka mifampiarahaba satria tafita i Jesoa lohan'ny Eglizy ary isika no Eglizy fianakaviamben'Andriamanitra, Olo Araiky amintsika. Niakatra any an-danitra i Jesoa, any izany no hitoerantsika rehetra. Efapolo andro izao no nihiboka ny Apostoly. Isika koa efa ho roa volana izao no nihiboka anatin’ny confinement. Maro ny very hevitra toa tsy misy farany izy ity ary toa mihasarotra aza. Nampianaran'i Jesoa tamin’ireo Apostoly fa mpiara-belona amintsika izy. Tanteraka ara-bakiteny ny voalazany tamin’izy ireo.....[.......]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY FAHA-6 PAKA Taona A20

Tsy havelako ho kamboty ianareo, fa hankaty aminareo aho

Ry Kristianina havana, efa herinandro maromaro isika no nivelona ny hafalian'ny Paka na dia ao anatin’ny fihibohana aza satria tsy ny coronavirus no faran-teny fa I Kristy nandresy ny ratsy, Alpha sy Omega. Mitohy hatrany diantsika satria I Jesoa Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana no banjinintsika tamin’ny alahady lasa teo dia miara-dalana amintsika tokoa, mpiara-belona amintsika eto anivontsika mamelona. Andriamanitra Famindram-po tokoa izy ka matoky isika fa ho resy ity fahavalo ity. Noho izany na dia eo aza izao sedra izao dia manenika ny fiainantsika ny hafalian’ny Paka vokatry ny fiadanan’I Kristy......[......]

 

 

ALAHADY FAHA-3 TSOTRA MANDAVANTAONA TAONA A2020

MASOANDRO BE LOHATAONA I KRISTY KA TSY MIFIDY OLON-KOSOAVINA 

Ry Kristianina havamalala, tena anatin’ny mandavantaona isika izao, hivelona izay nankalazaintsika tamin’ny noely isika izany hoe Andriamanitra eto anivontsika. Izany no antitranterin’ireo vakiteny telo amin’izao Alahady faha-3 mandavantaona izao, mananatra antsika mba hibebaka tokoa, ohatra velona amintsika amin’izany i Md Paoly izay nankalazantsika tamin’ny 25 janoary ny fibebahany, niara nankalaza izany ny eglizy rehetra maneran-tany  ary isika eto amin’ny diosezy dia mampahatsiaro antsika ny 6 taona lasa izay nankalazantsika sy nanombohantsika ny làlan’i Damasy, làlana niarahantsika rehetra hiroso amin’ny fiaraha-miasa amin’i Kristy dia isika tolagna telo : lahika, voatokana ary ny pretra. Mbola izany koa no iezahantsika ho tanterahina amin’ity taona ity, tahaka an’i Md Paoly teny amin’ny làlan’i Damasy ka niova tanteraka ny fiainany noho izy nanaiky ny antson’i Kristy, izy izay Saoly lasa Paoly satria nihaona tamin’i Jesoa izy.....[.....]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny 

ALAHADY FAHA-2 TSOTRA MANDAVANTAONA TAONA A2020

I KRISTY NO ZANAK’ANDRIAMANITRA VELONA

Ry Kristianina havamalala, tamin’ny Alahady lasa teo isika nankalaza ny batemin’i Jesoa izay nampahatsiaro ny batemintsika isika : vita batemy ka irahina, izay koa no mampiditra antsika amin’ny vanimpotoana mandavantaona mahatonga antsika hivelona ny batemy fa indrindra amin’izao taona masina ny misiona izao ka mahatonga antsika hirahina, EOV misionera, taona mitondra antsika araka ny averimberintsika matetika amin’ny fankalazana fankalazana ny faha 100 taona FET AFAFI, izany hoe 100 taona ny FET nivelona ny batemy ka nitondra izany amin’ny mpiara-belona, mitondra antsika koa amin’ny fankalazana ny kongresy eokaristika. Eokaristia anorenantsika ny finoantsika, ny finoana no mahatonga antsika ho zanak’Andriamanitra, fanomezan’Andriamanitra ny finoana ka isika no mandray azy, mamaly azy, rehefa mandray azy dia ho tahaka ny voalaza amin’ny tenin’Andriamanitra androany, i Md Joany Batista no manolotra sy manoro ireo mpianany sy ireo tonga teo aminy fa io Jesoa, io Kristy izay midika mpamonjy, mesia, izy no zanak’Andriamanitra,.... [......]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY FANKALAZANA NY BATEMY NY TOMPO

  1. I JESOA NATAO BATEMY TANDINDON’NY BATEMINTSIKA

Ry Kristianina havana, androany isika no mankalaza ny batemin’ny Tompo, amin’izao Alahady manaraka ny nisehoan’ny Tompo dia ny Epifania ary Alahady mamarana ny vanim-potoan’ny noely izay nandinihinatsika sy nibanjinantsika an’I Jesoa eto anivontsika. Nivoaka ny Trinite masina izy, nirahin’Andriamanitra Ray ilay zanany lahitokana dia I Jesoa, tonga eto anivontsika izy, nitondra ny fiadanana sy fanantenana. Tsy hoe sarisarin’olombelona izy fa tena olombelona natera-behivavy, izay no nibanjinintsika ny teny tonga nofo ary miara-dàlana amintsika izy mamakivaky izao taona vaovao izao sy ny taona manaraka rehetra ary ny taona teo aloha koa aza.....[........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Archidiocèse d'Antsiranana

EOV DIASPORA regroupe les originaires du diocèse d'Antsiranana résidant en Europe

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA - Archidiocèse d'Antsiranana

Ecoutez la Radio Faniry en ligne

Archidiocèse d'Antsiranana

Mission 2020 - 2021 Les prêtres du diocèse Antsiranana

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..