Home » FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

ALAHADY TSOTRA FAHA-16 mandavantaona A2020

 MANANA FAHARETANA ANDRIAMANITRA ARY MAMINDRA FO

Ry Kristianina havana, sahiran-tsaina tokoa isika mianakavy miatrika izao areti-mandoza izao. Izao indrindra anefa no tsy tokony hiraviravy tanana isika. Izao indrindra tokoa no tsy maintsy anaovantsika vavaka totoafo mba hihavao tokoa ny fo amam-panahintsika fa indrindra ny fon’ny EOV MISIONERA REHETRA MBA HO TABERNAKLA VELONA TOKOA isika miatrika izao fahavalo tsy hita maso mandripaka izao. Tsy fanorenana fotsiny no handrasantsika fa Pantekôty vaovao. Fihavaozana lavitry ny herisetra, ny hetraketraka mpanapotika ka samy hitafy ny Fanahy Masina. Mpanavao isika ka hiroso amin’ny fametrahana ny rafitra hirosoantsika amin’ny fampandrosoana mampivelatra ny mahaolona sy olona manontolo ivelomantsika ny maha-kristianina antsika  hahatonga ny diosezintsika ho diosezy maitso, ho diosezy feno fanantenana niany, anio tokoa ny ho avy fa tsy rahampitso, tsy amaray: TARANAKA MANORINA FA TSY SANATRIA TARANAKA MANDRODANA.....[.......]

Tsindrio to hihaino ny toriteny

 

ALAHADY TSOTRA FAHA-15 mandavantaona A2020

NOKENDREN’ANDRIAMANITRA HISY VOKANY EO AMIN’NY FIAINANTSIKA, NY TENINY

Ry Kristianina havana, mandeha hatrany fiainana na dia eo aza ity  areti-mandoza ity, na eo aza ity fahavalo tsy hita maso ity. Sahirana isika rehetra. Mitaky firaisan-kina bebe kokoa. Mitaky fifarimbonana na solidarité. Io ny fihavanana hiainana fa tsy resaka fotsiny. Tsy hoe mandeha anjambany isika amin’izany rehetra izany raha EOV MISIONERA TABERNAKLA VELONA MANORINA ETA KA ZARYTARANAKA MPANORINA, raha zary Kristy Mpiara-belona eo anivon'ny fiaraha-monina misy antsika ka tonga fahazavana sy fanasina fa eo ny Tenin'Andriamanitra manilo antsika, manilo ny fiainantsika, Izy no jiro maninteraka ny fiainantsika. Io no lohahevi-dehibe niany androany Alahady faha-15 mandavantaona. Mandavan-taona handinihantsika sy handalinantsika ny finoantsika irosoantsika bebe kokoa amin'ny maha-Kristy mpiara-belona amin’olona antsika tsirairay fa indrindra miatrika izao fotoan-tsarotra izao.....[.......]

 Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY TSOTRA FAHA-14 mandavantaona A2020

 JESOA: BE FITIAVANA SY MALEMY FANAHY

Ry Kristianina havana, manomboka volana vaovao isika. Tsy mbola mahita ny mazava anie isika miatrika ity aratin-mandoza ity. Mbola ao antin’ny ady mafy isika. Noho izany aoka tsy ho raviravintanana isika amin’ny fanarahana ireo fepetra fiarovantena rehetra. Tohizantsika ary hamafisintsika ny vavaka. Hiezaka mafy koa isika hametraka ny rafitra manampy antsika hahay hifarimbona hanampy ireo izay tena mila fanampiana. Io ilay lazaintsika solidarité ka ny ivon’izany solidarité izany ny voamiara sosialy miainga any amin’ny Eglizy fototra. Maharezà àry isika ary mitsodranao anareo aho. Araka ny voalazantsika tamin’ny alahady lasa teo dia isaky ny Alahady mandritra ny vaninandro mandavantaona dia manolotra toetra anankiray antsika ny Eglizy amin'ny alalan'ireo vakiteny izay henointsika ny Alahady ka halalinintsika mandritra ny herinandro mba hahatonga antsika ho Kristy mpiara-belona amin'olona, ho EOV MISIONERA TABERNAKLA VELONA MANORINA ETA KA ZARY TARANAKA MPANORINA LANITRA VAO SY TANY VAO. Ny fanaovana soa, ny fandraisana ny vahiny, ny fandraisana ny hafa no nohalalinintsika tamin'ny Alahady faha-13 lasa teo mba hahatonga antsika ho Kristy eo anivon'ny mpiara-belona amintsika, hahatonga antsika ho fanasina amin'ireo mpiara-belona amintsika fa indrindra amin’izao vanimpotoana sarotra izao....[lire la suite.....]

ALAHADY TSOTRA FAHA-13 mandavantaona A2020

NY SOA ATAO, LEVENAM-BOLA

Ry Kristianina havana, alohan’ny fandalinana miainga amin’ny tenin’Andriamanitra dia an-kafaliana an-karavoana no iarahabana antsika tsiraikiraiky satria tamin’ny zoma 26 jiona teo isika no niaranankalaza ny fetim-pirenentsika. Feno 6o taona ny fahaleovantena. Ao anatin’izao valan’aretina izao nefa izany fankalazantsika izany. Mafy ny manjo ny maro. Maro tokoa ny very fanahy mbola velona. Maro ny manontany hoe mbola ho afaka ihany ve? Izao indrindra isika no tsy maintsy manamafy ny vavaka ametrahantsika ny fitokisantsika amin’Andriamanitra. Hoy I Md Joany Paoly faharoa raha niatrika fotoan-tsarotra ny firenena polonais tamin’ny taona  1980. Matokisa, hoy izy, fa tsy maintsy mandresy Andriamanitra ary raha misy fandresena dia tsy maintsy mandalo amin’I Masina Maria izany. Matoky koa isika fa ho resy ity coronavirus ity ary ho fandresentsika azy dia handalo amin’I Notre de la Route isika. Faharoa ho resy ny fahavalon’I Pologne hoy ny Papa tamin’izay raha mipetraka tsara ny fifarimbonana marina. Averin’I Papa François io amin’izao. Aoka , hoy izy, hiezaka isika hametraka fifarimbonana firaisan-kina amin’ny fampanjakana ny fifamindram-po sy fifamelankeloka. Tsy resy izay mamela heloka na malemy fa manasoa ny hafa. Io indrindra ny fotokevitra amin’izao alahady faha 13 izao....[....Lire la suite]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY TSOTRA FAHA-12 mandavantaona A2020


MAHATOKY ANDRIAMANITRA KA RESEO NY TAHOTRA

Ry Kristianina havana, tapitra tamin'ny fankalazantsika tamin'ny fomba manetriketrika ny Sakramenta Masina fankalazana ny Vatana sy Ra masin'i Kristy, ireo vanim-potoana manokana manambara fa tsy Andriamanitra lavitra ny Andriamanitsika. Raha ny sitratsika tokoa dia tamin’ny alalan’ny prosesio vavaka mandeha no nanehoantsika an’izay maha anivontsika an’Andriamanitra. Nefa indrisy tsy afaka isika. Na dia izany aza anefa araka ny averimberintsika dia isika EOV MISIONERA, TABERNAKLA VELONA no eo anivon’ny fiarahamonina mamafy famindram-po, mamafy fiadanana, mamafy fanantenana na eo aza ity valan’aretina ity na eo aza ity “fahavalo tsy hita maso” ity.
Izany rehetra no mampiditra antsika tanteraka amin’ny mandavan-taona izay fotoana handalinantsika ny finoana ka hahatonga antsika ho Kristy mpiara-belona amin’ny olona eo amin’ny fiainana andavanandro. Izao Alahady faha-12 mandavan-taona izao no alahady voalohany iatrehantsika izao areti-mandoza izao ka anehoantsika ny finoana sy ivelomantsika ny maha Kristy mpiara-belona amin'olona antsika.....[.....lire la suite]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Archidiocèse d'Antsiranana

EOV DIASPORA regroupe les originaires du diocèse d'Antsiranana résidant en Europe

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA - Archidiocèse d'Antsiranana

Ecoutez la Radio Faniry en ligne

Archidiocèse d'Antsiranana

Mission 2020 - 2021 Les prêtres du diocèse Antsiranana

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..