Home » FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

Fankalazana manetriketrika an’i Masina Maria Virjiny Nampiakarina any an-danitra

Mankalaza ny Tompo ny fanahiko

Ry Kristianina havana, tamin’ny Alahady teo faha-19 taona mandavantaona namaritra tsara isika fa ady sady dia ny fiainana fa indrindra isika miatrika an’ity KORONTANAVIRUS ITY nefa afaka namakivaky ny onjam-piainana isika satria i Jesoa Kristy no mitantana antsika tahaka nitantanany an’i Piera izay namakivaky ny onjan-dranomasina rehefa niantso an’i Piera hanatona azy i Jesoa Miantso antsika sy maniraka antsika koa i Kristy amin’izao vanim-potoana iainantsika izao satria isika no Kristy mpiara-belona, taranaka manorina ny fiainana araky ny sitrak’Andriamanitra fa tsy taranaka mandrava ary ho tody soa amantsara isika amin’ny fikarakarantsika ny tranobe iombonana ka afaka hivelona sy hivelatra anatin’ity tranobe ity ka hahita ny tena fampandrosoana marina dia ny fampandrosoana ny maha-olona sy ny olona manontolo na dia aza ny korontana maro isankarazany. Matoky isika fa noho ny asan’ny Fanahy Masina dia zary EOV MISIONERA TABERNAKLA VELONA eo anivon’ny olona sahirantsina mafy......[.......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY TSOTRA FAHA-19 mandavantaona A2020

MAMPATOKY NY MANATONA AN’I JESOA MPAMONJY

Ry Kristianina havana, tamin'ny Alakamisy lasa teo dia nankalaza an'i Jesoa niova tarehy teo an-tendrombohitra isika izay mampiditra antsika amin’izao fanjava vaova izao ihany izay raha ny marina tokony ho fanjavan’ny pretrantsika eto amin’ny diosezy izao. Nefa indrisy noho izao KORONTANAVIRUS dia tsy tanteraka. Tena korontana tokoa no ateraka ity covid 19 ity. Na izany aza dia matoky isika fa ho resy ity fahavalo tsy hita maso ity. Maniry mandrakariva isika mba ho tahaka ny fitraohofan’I Jesoa tamin’ireo Mpianatra tany an-tendrombohitra izay fanjavan’ny pretra irintsika tsy ho ela ka hankahery azy ireo anie I Jesoa tahaka ny nankaherezany an’ireo mpianatra hiatrika ny fijaliany....[......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

 

06 Aogositra - FANKALAZANA NY NIOVAN’NY TOMPO TAREHY

Ity no Zanako malalako, henoy izy

Ry kristianina havana, amin'izao 06 aogositra izao no ankalazain'ny Eglizy ny fiovan'i Jesoa tarehy teny an-tendrombohitra ka anolorany amintsika sahady amin'ny fankalazana izany : Voalohany ny toetran'i Jesoa rehefa tafatsangan-ko velona izy, faharoa ny toetra miandry antsika, ary fahatelo dia tsy maintsy miombona ao amin'Andriamanitra Ray isika raha miaraka amin'i Jesoa ka miova tanteraka koa ny fiainantsika ary afaka mampiova. Raha misy vanim-potoana tena maha marinaireo voalaza rehetra ireo dia izao fotoana mavesatra atrehintsika izao. Tsarovy fa ny hanomana ny mpianatra hiatrika ny fijaliany no nitondran’i Jesoa azy ireo hivavaka tany an-tendrombohitra. Mitovy an’izany koa izao vanimpotoana atrehintsika an’ity KORONTANAVIRUS ity izao. Mafy ny manjo antsika. Mijaly ny maro. Miandrandra fiovana tokoa isika. Indro àry i Kristy manoro antsika ny lalana mba tsy havesatra ho antsika izao sedra mafy izao. Ireo vakiteny aroson'ny Eglizy amintsika androany dia manampy atsika tokoa tsy ho very “repères” na dia maro aza ny korontanin’ity covid 19 ity....[.....]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY TSOTRA FAHA-18 mandavantaona A2020

“Ray aman-dreny Andriamanitra, fa mpamelona ara-nofo sy ara-panahy”

Tsy vao izao ihany vao niatrika vanim-potoana sarotra ka very fanahy mbola velona ny vahoakan’Andriamanitra. Efa nitranga izany tamin’ny vahoakan’Andriamanitra voasesitany tany Babilona. Soa ihany fa teo ny Mpaminany izany hoe ireo izay mahafantatra ny sitrak’Andriamanitra. Io no « repère » ka ahafahan’ny vahoaka tsy ho « very fanahy mbola velona » ka hanaraka mandrakariva na dia mety ho mafy ny ady ka tsy hanaraka ny lojikan’izao tontolo izao fa ny lojikan’Andriamanitra mandrakariva. Izany indrindra no tian’Izaia hasongadina amin’ny vakiteny voalohany ka zary foto-kevitra amin’izao Alahady faha-18 mandavantaona izao : «Tsy Andriamanitra lavitra no Andriamanitsika fa Andriamanitra eo anivontsika, Ray amandreny, Andriamanitra Izy ka mamelona ara-panahy sy ara-nofo. » Hoy indrindra Izaïa milaza izany ho fankaherezana ny vahoaka voasesitany ary ho fankaherezana antsika ihany koa miatrika izao KORONTANA VIRUS izao: Ianareo rehetra izay mangetahela, mankanesa aty amin’ny rano, na dia ianareo tsy manam-bola aza; avia mividiana vary ka mihinàna; avia mividv tsy amim-bola na takalo, hividy vary sy ronono.....[........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY TSOTRA FAHA-17 mandavantaona A2020

I JESOA ILAY VATOSOA SAROBIDY

Ry Kristianina havana, ny fivelomantsika ny maha-vavolombelona antsika eo anivon'ny fiaraha monina ka mahatonga antsika ho Kristy mpiara-belona amin'ireo manodidina antsika dia mitaky safidy matotra ary mitaky fahendrena izay tsy arak'izao tontolo izao fa ilay fahendrena omen'Andriamanitra tsilovin'ny Fanahy masina antsika. Izany ny foto-pampianarana amin'izao Alahady faha-17 mandavantaona handalinantsika ny finoantsika izao. Izao zava-misy iainantsika no mampibaribary fa tsy ny lojikan’izao tontolo izao no arahin’izay Krsitianina EOV MISIONERA fa ny lojikan’i Jesoa. Noho izany mitaky safidy matotra. Io no fotopampianarana amin’izao alahady faha-17 io. Amin’izao vanim-potoana sarotra izao indrindra no tsy maintsy mipetraka tsara io safidy io. Nahatsapa an'izany ny mpanjaka henontsika tamin'ny vakiteny voalohany androany fa ny faharitan-tsaina sy ny fahendrena tena izy dia tovozina ao amin'Andriamanitra fa tsy eo anivon'ny herin-tsaina na vokatry ny harena fotsiny.....[.......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Archidiocèse d'Antsiranana

EOV DIASPORA regroupe les originaires du diocèse d'Antsiranana résidant en Europe

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA - Archidiocèse d'Antsiranana

Ecoutez la Radio Faniry en ligne

Archidiocèse d'Antsiranana

Mission 2020 - 2021 Les prêtres du diocèse Antsiranana

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..