Home » FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

ALAHADY TSOTRA FAHA-24 mandavantaona A2020

IZAY MAMELA NO HAVELA

Ry Kristianina havana, rahampitso no mankalaza ny FANANDRATANA NY HAZOFIJALIANA isika, izany hoe ny loharano sy fototry ny fifamelan-keloka sy ny famindram-po. Mbola hiverenantsika bebe kokoa ny mikasika an’izay fa mino aho fa tadidintsika tsara ny fampianaran’I Papa François ilay Mpamafy fiadanana sy fanantenana. Matetika izy no mamerina hoe “raha maniry fandriampahalemana sy fiadanana isika dia aoka hamboly fifamelan-keloka ary famindram-po”. Mino aho fa mbola mahatsiaro ny fandalovan’I Papa isika. Iray taona izay no tonga teto amintsika izy namafy fanantenana sy fiadanana teto amintsika izy. Indrisy tsy afaka nigoka sy nandalina ireo fampianarana maro navelany isika satria tonga ity KORONTANAVIRUS ity. Izao misy ny fotoana raha ny marina nametrahantsika ireo vokatry ny fankalazana ny jobilin’ny FET sy Kongresy eokaristika. Matoky isika fa hisy ny fankalazana ary izay fihibohana izay nanampy antsika hanana ainga vaovao.....[......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY TSOTRA FAHA-23 mandavantaona A2020

NY KRISTIANINA TSY MIFAMPIJERY ARINA AN-TAVA

Ry Kristianina havana, indro fa tena ao anatin’ny volana septambra isika. Isaorana Andriamanitra fa na dia tsy mbola resintsika tanteraka aza ity KORONTANAVIRUS ity dia azo lazaina fa efa mahita mangirana isika, manomboka mazava ny lalan-kombana. Ady sady dia tokoa ny fiaianana : ady tamin’ity KORONANAVIRY fa dia kosa mankany amin’ny fiainambavoaoa. Aoka anefa tsy hiraviravin-tanana isika ka ho varimbariana. Izao indrindra ny fotoana ilàna ny fitandremantsika IREO MESURES BARRIERE REHETRA. Matoky ny fahendrentsika aho. Ao anatin’izany koa anefa no handalinantsika ny finoana araka ny voalazantsika tamin’ny alahady lasa teo. Tsy maintsy miezaka isika mameno ireo SADJOA SAOTA. Ao anatin’ny fanjavan’ny pretra rahateo isika izao. Aoka hoentintsika am-bavaka izao fihaonana izao mba ho SENAKLA tokoa, izany hoe ho faniraham-baovao taorian’izay ady sy dia mafy izay. Mila DEPART VAOVAO ISIKA MBA HO EOV MISIONERA TOKOA, HO VITA BATEMY IRAHINA MBA HO TABERNAKLA VELONA.......[........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY TSOTRA FAHA-22 mandavantaona A2020

NY FAHASAMBARANA NO TAMBIN’NY FIJALIANA

Ry Kristianina havana tamin'ny Alahady lasa faha-21 mandavantaona isika dia niaraka tamin’i Piera nanambara ny finoantsika, ny fifikirantsika amin’i Jesoa ao anatin’izao adim-piainana sarotra aterak’izao KORONTANAVIRUS izao. Tsy tany malemy anorenampangady anefa hoy isika ny finoana fa tany lonaka iasan’ny fahasoavan’Andriamanitra. Porofon’izany sady modely no mpivavaka ho antsika I Victoire Rasoamanarivo izay nankalazaintsika ny fetiny. Mino isika fa Izy sy ireo Olomasina sy Olontsambatra Malagasy razambentsika hivavaka ho antsika ka ho resy ity fahavalo tsy hita maso KORONTANAVIRUS ity. Ho tanteraka tokoa amin’izay ny ventin-kevitra amin’izao Alahady faha-22 izao hoe :

NY FAHASAMBARANA NO TAMBIN’NY FIJALIANA izany hoe ho tanteraka ny nofintsika dia ny LALAN’NY HAFALIANA eny amin’ny la Montagne des français!!! Dia zary EOV MISIONERA ISIKA VITA BATEMY IRAHINA HO TABERNAKLA VELONA tahaka an’i Masina Maria, tahaka an’i Victoire Rasaoamanarivo Olontsambatra.....[.......]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

 

 

ALAHADY TSOTRA FAHA-21 mandavantaona A2020

I KRISTY NO IORENAN’NY FIAINANTSIKA SY NY FAHEFAN’NY EGLIZY

Ry Kristianina havana, tsy mitsahatra ny mifankahery isika eo am-piatrehana izao KORONTANAVIRUS. Aoka isika hanamafy ny finoantsika fa tsy Jesoa, tsy Andriamanitra velively no matory fa ny finoantsika no mila fohazina. Izao indrindra ny vanimpotoana handalinana ny finoana, fotoana hanaovana ezaka hamenoana ny sadjoa faha 2. Raha ny tokony ho izy dia mamarana ny fanjava ho an’ny pretra isika (mois sacerdotal) ka nankalaza ny Eokarisita Fanamasinana izay nampiditra antsika tamin’ny Jobily faha-100 taonan’ny FET ary ny fankalazana ny Kongesy Eokaristika nandraisantsika ny teny faneva hoe : “ NY TENY TONGA NOFO, NOFO TONGA MOFO, MOFO TONGA AINA ZARAINA MBA HO EOV MISIONERA VITA BATEMY KA ZARY TABERNAKLA”.....[......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY TSOTRA FAHA-20 mandavantaona A2020

NY OLOMBELONA REHETRA NO KENDREN’ANDRIAMANITRA HIDITRA AO AMIN’NY FANJAKANY

Ry Kristianina havana, raha nibanjina an'i Masina Maria nampakarina amim-boninahitra vatana sy fanahy any an-danitra isika tamin'ny 15 aogositra iny dia faly sy ravo tokoa satria nisy havantsika tafita. Izany koa no miandry antsika raha miombona amin'Andriamanitra isika, raha mivelona tahaka ny niveloman'i Masina Maria ny finoany, izy no ohatra voalohany ho antsika amin'ny fiombonam-po tanteraka amin'i Kristy. Tsy ity KORONTANANAVIRUS ITY tokoa no mandresy fa I Kristy ka I Masina Maria no porofo mitoka amin’ny tenda. Misaotra Andriamanitra ary matoky anao izay Masina Maria satria Reny ka sady hikolokolo no hampandresy anay. Merci Maman Maria. Amin'izao Alahady faha-20 mandavantaona izao dia azo lazaina fa mbola manohy an'izany fifaliana sy firavoana izany isika satria ireo vakiteny izay aroson'ny Eglizy androany dia handalinantsika ny finoana ka hahatonga antsika Kristy mpiara-belona amin'ireo manodidina antsika, hahatonga antsika ho EOV MISIONERA VITA BATEMY KA IRAHIANA ZARY TABERNAKLA VELONA......[........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Archidiocèse d'Antsiranana

EOV DIASPORA regroupe les originaires du diocèse d'Antsiranana résidant en Europe

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA - Archidiocèse d'Antsiranana

Ecoutez la Radio Faniry en ligne

Archidiocèse d'Antsiranana

Mission 2020 - 2021 Les prêtres du diocèse Antsiranana

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..