Home » FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

ALAHADY TSOTRA FAHA-34 mandavantaona - Fetin'i KRISTY MPANJAKA

« Avia hianareo, ry nohasoavin’ny Raiko, handova ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay
nahariana izao tontolo izao » (Mt. 25, 34)


Ry Kristianina havana, izao Alahady izao no ankalazana manetriketrika an’i Kristy mpanjakan’izao tontolo izao sady hamaranana ny taona litorjika taona A. Mamarana ny taona isika Kristianina katolika ka miditra amin’ny taona litorjika vaovao manomboka amin’ny herinandro ho avy. Koa faly miarahaba antsika jiaby satria nahavita an’iny taona litorjika, taona A iny isika ary isaorantsika an’Andriamanitra noho izany satria tena navesatra ity taona ity. TAONAN’NY KORONATANAVIRUS. Nahavita azy isika. Sambatra isika fa nomen’Andriamanitra tombon’andro ka miara-misaotra azy ary manohy mivavaka mba ho vita tanteraka ity KORONTANAVIRUS ity ka HANAO DEPART VAOVAO FIAINGANA VAOVAO mba HO EOV MISIONERA ZARY TABERNAKLA VELONA MANORINA ETA....[.....]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY TSOTRA FAHA-33 mandavantaona A2020

AHAZOANA HASAMBARANA NY MIASA AMIN-KERIM-PO

Ry Kristianina havana, mamaramparana ny taona litorjika isika ka ireo vakiteny atolotry ny Eglizy amintsika dia hanampy antsika handinika ny fiafaran’izao fiainantsika izao satria isika izay nohariana dia misy fiafarany ka hanomana an’izany farany izany no irin’ny Eglizy ampianarina antsika amin’ny alalan’ireo vakiteny arosony amintsika amin’izao Alahady faha 33 mandavantaona izao mba hanampy antsika bebe kokoa ho EOV MISIONERA VITA BATEMY IRAHINA HO TABERNAKLA, ho Kristy mpiara-belona amin’ireo manodidina antsika. Arakaraky ny fiheverantsika izany fiafarana izany no entintsika hamolavolana an’izao fiainana izao, raha isika mieritreritra fa tsy misy antenaina aorian’izao fiainana izao dia aza gaga àry isika fa ny fahendren’izao tontolo izao no entintsika mamolavola ny fiainantsika andavanandro, izany hoe hanararaotra isika noho ny fitiavan-tena ka hanapotika sy hanilikilika ny hafa. Fa raha ny fiainan-ko avy izay fantatsika fa tsy fiafarana fa fidirana amin’ny tena fiainana iombonana amin’Andriamanitra kosa dia miomana isika ary izay sahady ny antitranterin’ny vakiteny tamintsika tamin’ny Alahady lasa teo raha nandinika ny virjiny adala sy ny virjiny hendry isika.....[.......]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY TSOTRA FAHA-32 mandavantaona A2020

ITY TANY ITY FANDALOVAM-BAHINY

Ry Kristianina havana, efa manakaiky ny famaranana ny taona litorjika izay mampianatra antsika hahay hibanjina sahady ny hoavy, hahay hiomana amin'izay hoavy izay satria fandalovana tokoa ity tany ity. Tsy ity no fiafarantsika fa fiomanantsika amin'ny tena fiainana ary fantantsika fa amin'ny maha-voaary antsika dia tsy maintsy misy fiafarana. Andriamanitra irery izay mpahary no tsy misy fiafarana ka noho izany dia misy farany isika olombelona. Izany indrindra no tian'ny Eglizy ho tsapantsika ka amin'izao Alahady faha-32 mandavantaona izao dia ampianarany isika amin'ny alalan'ireo vakiteny handalina tsaratsara kokoa ary hifikitra amin'izay tena fahendrena marina dia ny fahendrena izay tsy inona fa ny fahaizantsika mijery ny hoavy. Fahendrena tena mifanohitra amin’ny lojikan’izao tontolo izao satria ny azy dia ny fijerena ny anio ary io no andrafetana ny fiainana. Izay tokoa no aoka ho tsara fantatra miankina ny fiheveranao ny ho avy no handaminanao ny anio.
Raha ohatra ka matoky ianao fa tsy misy ny ho avy dia tsy mahagaga raha manararaotra au maximum izao andro izao ianao.....[......]

Tsindrio hihaino ny toriteny

01 novambra 2020 - Fankalazana ireo olomasina

Mifalia sy miravoravoa, fa lehibe ny valisoanareo any an-danitra

Ry Kristianina havana, omaly isika no namarana ny volan'ny raozery izay nibanjinantsika ny misterin'ny famonjena antsika : misterin'ny fahatongavana ho nofo, misterin'ny famirapiratan'ny fahazavana, misterin'ny fijaliana izay nibanjinantsika an'i Jesoa manolotra ny ainy ho fanavotana antsika ary ny mistery be voninahitra izay hibanjinantsika miaraka amin'i Masina Maria ny fiainan-ko avy izay andrasantsika. Nandritra izay volana Oktobra volan’ny Rozery ihany koa no nandalinantsika ny volan’ny misiona ka namakafakantsika ny maha EOV MISIONERA ANTSIKA VITA BATEMY KA IRAHINA HO TABERNAKLA VELONA araka ny hafatr’I Papa hoe “Inty aho ka iraho”. Volana oktobra izay nidirantsika amin’ny TAONA PASTORALY VAOVAO KA HANAOVANTSIKA DEPART VAOVAO AO ANATIN’NY PANTEKOTY VAOVAO ao aorinan’ity KORONTANAVIRUS. Ny HAFATRA PASTORALY FAHA-8 no tondro zotra sy toro-lalana ho antsika. Androany alahady izany hoe raha ny mandavantaona dia alahady faha-30kanefa noho izy mifanandrify amin’ny 1 Novambra , fankalazana manetriketrika ny Fetin’ny Olomasina rehetra.......[.......]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY TSOTRA FAHA-30 mandavantaona A2020

TIA AN’ANDRIAMANITRA SY NY NAMANA NO MAHA-KRISTIANINA

Ry Kristianina havana, amin'izao Alahady faha-30 mandavantaona izay hamaranantsika ny volan'ny raozery izao dia foto-kevitra lehibe no aroson'ny Eglizy ho saintsainintsika sy ho halalinintsika ary hivelomantsika eo amin'ny fiainantsika andavanandro, Raha atao teny hafa hivelomantsika izay voalazantsika tamin’ny alahady lasa teo dia NY SAFIDY ka tsy ny lojikan’izao tontolo izao no manentana ny fiainantsika fa ny FAHENDREN’ANDRIAMANITRA ka na dia mafy aza ity KORONTANAVIRUS ITY dia ampian’ny FANAHY MASINA isika miroso amin’ny DEPART VAOVAO, PANTEKOTY VAOVAO ka zary EOV MISIONERA VITA BATEMY KA IRAHINA ZARY TABERNAKLA. Izay indrindra no foto-pampianarana amin’izao Alahady faha-30 mandavantaona izao, mba tsy hisavoan-danitra ny resaka fa hivelomana tokoa dia ny mahakristianina, OLON’NY FINOANA, OLON’NY FITIAVANA, OLON’NY FANANTENANA no aroson’I Jesoa amintsika : TIA AN’ANDRIAMANITRA SY NY NAMANA.....[.......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Archidiocèse d'Antsiranana

EOV DIASPORA regroupe les originaires du diocèse d'Antsiranana résidant en Europe

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA - Archidiocèse d'Antsiranana

Ecoutez la Radio Faniry en ligne

Archidiocèse d'Antsiranana

Mission 2020 - 2021 Les prêtres du diocèse Antsiranana

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..