Home » FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FANKALAZANA NY NAHATERAHAN'NY TOMPO

Tonga nofo ny Teny ary nonina tety amintsika.

Ry Kristianina havana, an-kafaliana sy an-karavoana tokoa ny anolorana ny fiarahabana sy ny fiarian-tsoa ombam-bavaka ho antsika ao anatin’izao fankalazana ny Noely izao. Arahabaina isika oloaraiky jiaby tratrin’izao Noely izao. Arahabaina isika EOV MISIONERA VITA BATEMY IRAHINA HO TABERNAKLA VELONA. Matoa eto anivontsika i Jesoa amin’izao Noely izao dia satria hanavao ny zava-dretra nikorontana, hitondra aina sy fivelomana, raha isika olombelona tratry ny fahotana
tamin’ny fototra ary voasariky ny fakam-panahy ka mifanapotika dia miantso antsika àry Izy Andriamanitra amin’izao Noely izao hanokatra ny fontsika handray an’i Jesoa eo amin’ny fiainantsika mba ho ivon’ny fianantsika Izy, mba ho génération mpanorina tokoa isika sy ho mpandavorary, hitoetra ao
Aminy tokoa isika ary Izy hitoetra amintsika dia hamokatra be isika ary ho feno ny hafaliantsika. Raha Izy mitoetra eo amintsika dia hamokatra be isika. Matoa ny fiainantsika izao tsy mamokatra dia satria tsy mitoetra ao amintsika i Kristy ilay Mesia tonga eto anivontsika......[.......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY FAHA EFATRA FIAVIAN'NY TOMPO

« Aza matahotra, ry Maria, fa sitrak’Andriamanitra ianao, ka hiteraka Zazalahy, ary Jesoa no hataonao Anarany » (Lk. 1: 30)

Ry Kristianina havana, Alahady faha-efatra amin’ny Fiaviana izao Alahady mialoha ny fankalazana ny Noely izao. Noho izany, antomotra dia antomotra ny fankalazantsika ny nahaterahan’ny Tompo. Nanomana isika ary asain’ny Eglizy isika amin’izao Alahady mamaramparana izao hiomana bebe kokoa ka anomezan’ny Eglizy antsika fampianarana amin’ny alalan’ireo vakiteny amin’izao Alahady fahaefatra amin’ny fiaviana izao. Atolotry ny Eglizy antsika ireo olona nahay nandray an’i Kristy ilay mpamonjy antsika. Ny dikan’ny hoe Kristy dia Mesia izay midika mpamonjy. Tsara ny mampahatsiahy antsika mba samy hitandrina satria amin’izao fotoan-tsarotra diavintsika izao dia maro ny mampanantena famonjena na amin’ny alalan’ny politika izany, na resaka fivavahana na resaka tsara lahatra na amin’ny alalan’ny zavatra ataony ka mahasarika nefa mahavoafitaka. Aoka isika ry Kristianina havana fa indrindra amin’izao fiomanantsika amin’ny fankalazana ny Noely mba Vakiteny I : 2 Sam. 7, 1-5. 8b-11. 16 Tononkira : SALAMO 88 Vakiteny II : Rôm. 16, 25-27 Evanjely : Lk. 1, 26-38 tsy ho voasarika amin’ny zavatra manaitra ety ivelany fa hiditra amin’ny lalindalina ka handinika ary hahay hisivana aiza ny tena fototry ny fiainantsika, aiza ny tena hahitantsika ny lalam-pamonjena ?....[......]

 

Tsindrio eto  hihaino ny toriteny

ALAHADY FIAVIANA FAHATELO - TAONA B2020

Eo afovoanareo misy Olona anankiray izay tsy fantatrareo


Ry Kristianina havana, raha namakafaka isika tamin’ny Alahady lasa teo fa tsy maintsy miverina amin’ny Tompo isika, izay midika hoe manamboatra ny làlany, dia ny fiainantsika no tsy maintsy ho volavolaintsika mba hahaizantsika mandray ny Tompo. Io no lazaintsika FIOVAM-PENITRA MAHERY VAIKA, CHANGEMENT RADICAL entintsika miatrika izao KORONTANAVIRUS IZAO ka mitondra antsika amin’ny DEPART VAOVAO. Izany tokoa ny vavaka sy ny faniriantsika entin’ity Noely 2020. Ny fahatongavan’ny Tompo hanova ny zava-drehetra eo amin’ny fiainantsika. Raha mandray ny Tompo tokoa isika dia voavoatrantsika ny làlana hidiran’ny Tompo eo amin’ny fiainantsika satria araka ny averimberintsika tsy manery antsika Andriamanitra, tiany ho soa sy ho tsara isika ary izay ny lahatra nahariany antsika raha nahary antsika hitovy endrika Aminy Izy. Tsy manery Izy fa miantso. Izao vanim-potoanan’ny Avent izao dia miantso antsika Andriamanitra hiverina ao Aminy. Mila fiomanana anefa izany......[........]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

 

ALAHADY FIAVIANA FAHAROA - TAONA B2020

" Dia niseho tany an’efitra i Joany Batista nitory batemim-pibebahana ho famelan-keloka " (Mk. 1, 4)


Ry Kristianina havana, raha tadidintsika tsara tamin’ny Alahady lasa teo izay nanombohantsika ny Fiaviana dia nantintraterintsika fa mitaky toe-panahy ny fiainana ny Fiaviana izay manana fomba fisehoana telo. Ny voalohany dia izay niainana tamin’ny fiandrasana ny Mesia izay ankalazaintsika amin’ny Noely ny fahatongavany. Rehefa miresaka ny hoe fankalazana, noho ny asan’ny Fanahy Masina isika dia sady mahatsiaro no entanin’izany Fanahy izany ka mivelona ny fiomanana ny fahatongavana. Izany no antony anoloran’ny Eglizy izao vanim-potoanan’ny Avent na Fiaviana izao mba hamelombelona sy hivelomantsika ary hidirantsika amin’ny fahatongavan’i Mesia.
Misy akony manokana ho antsika ity Avent ity satria noho ny KORONTANAVIRUS dia maniry isika mba ho PANTEKOTY VAOVAO, HO DEPART VAOVAO, ho FIAINGANA VAOVAO aorian’izao. Miainga eo anivon’ny Fianakaviana Eglizy kely mifototra amin’ny vavaka sy fandalinam-pinoana izany DEPART VAOVAO IZANY HAHATONGA ANTSIKA HO EOV MISIONERZA ZARY TABERNAKLA VELONA MANORINA ETA.....[........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY FIAVIANA VOALOHANY - TAONA B2020

« Mitandrema, miambena, ary mivavaha, fa tsy fantatrareo izay hiavian’ny fotoana » (Mk. 13: 33)

 
Ry Kristianina havana, tamin’ny Alahady lasa teo no nankalazantsika tamin’ny fomba manetriketrika an’i Kristy Mpanjakan’izao rehetra izao, Mpanjaka tokoa i Kristy ary tsy araky ny hevitr’izao tontolo izao. Ny mpanjaka amin’izao tontolo izao dia matetika mpanjakazaka, mpamoritra, manilikilika izay mitovy hevitra aminy. Tena Mpanjaka tokoa I Kristy ary mihoatra noho izany aza satria Andriamanitra Izy. Mpanjakan’izao rehetra izao, Mpanjaka mikolokolo anefa izy, Mpanjaka manompo, Mpanjaka manasoa ny olony sy ny vahoakany ary mitondra azy hivelona ny fiainana maha-zanak’Andriamanitra. Izy no Mpiandry ondry tsara mahafoy ny ainy ho an’ny ondriny. Izany no maha-modely Azy amin’ny mpanjaka rehetra sy ny mpitondra rehetra na ara-nofo na ara-panahy, ary aminizay manana andraikitra rehetra. Nifampiarahaba isika tamin’ny fankalazana an’i Kristy Mpanjaka satria famaranana ny taona litorjika izany. Milaza miara-mahita fa tena taona hafahafa ho an’ny rehetra iny taona iny noho ny KORONTANAVIRUS. Miatrika ity taona litorjika vaovao ity isika olo Araiky. Mifampiarahaba sy mifampirary soa isika isika amin’izao fanombohan’ny taona izao mba ho taona masina, ho taom-pahasoavana mba ho tena Départ vaovao tokoa ity taona ity......[......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Archidiocèse d'Antsiranana

EOV DIASPORA regroupe les originaires du diocèse d'Antsiranana résidant en Europe

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA - Archidiocèse d'Antsiranana

Ecoutez la Radio Faniry en ligne

Archidiocèse d'Antsiranana

Mission 2020 - 2021 Les prêtres du diocèse Antsiranana

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..