Home » FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

ALAHADY TSOTRA FAHA-6 MANDAVANTAONA B2021

Niala tamin-dralehilahy ny habokàna ka nadio izy

Ry Kristianina havana, matetika averimberina amintsika fa tsy misy kisendrasendra ao amin’Andriamanitra fa asehony amintsika ny fitiavany ka anjarantsika ny manana masom-pinoana, sofim-pinoana handray hizara ary hampiely ny Vaovao mahafaly ambarany amintsika dia ny fitiavany. Tamin’ny Alakamisy lasa teo isika no niaraka nankalaza ny andron’ny marary. Ny 11 février no natokan’I Papa Md Joany Paoly II, efa 29 taona lasa izay, ho andron’ny marary. Maninona no nisafidy ny 11 febroary ankalazana an’i Masina Maria “NotreDame de Lourdes” izay niseho tao Lourdes (Frantsa) efa 160 taona lasa izay ho andron’ny marary? Ny antony dia tsotra : Toerana fanaovan’ny marary pelerinajy. Maro izy ireo no tonga ao Lourdes, maro ireo izay maniry ny ho sitrana amin’ny aretina ananany sady mino ny vavaka ataon’i Masina Maria ho azy ireo. Maro ny mahazo fahasitranana ary maro ireo manao fivahiniana masina ao Lourdes na Kristianina na tsy Kristianina......[........]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY TSOTRA FAHA-5 MANDAVANTAONA B2021

“Nanasitrana olona maro nararin’ny aretina samihafa Izy” Mk. 1, 29-39


Ry Kristianina havana, tamin’ny 02 febroary isika nandinika sy nandalina mikasika ny jiro masina izay tsy iza fa I Jesoa satria Izy no Fahazavana ary isika vita batemy voatokana na relijiozy na tsia, izany hoe isika EOV MISIONERA JIABY VITA BATEMY KA IRAHINA zary Kristy mpiara-belona amin’olona. Isika no fahazavana amin’izao andro iainantsika izao, isika no modely ho an’ny mpiara-belona amintsika fa indrindra amin’izao fotoan-tsarotra diavintsika izao. Mila “repères” ny olona satria very “fanahy mbola velona”, very “identité” noho ity KORONTANAVIRUS ity. Nambara antsika amin’izao taom-pikatrohana izao fa tsy maintsy mila manao “départ vaovao” isika. Izany hoe mila manao “safidy vaovao” vokatry ny fiovam-penitra mahery vaika ka hametraka an’I Jesoa ho eo anivon’ny fiainantsika sy ivon’ny fiainantsika, amin’ny alalany sy miaraka Aminy ary ao Aminy no handrafetantsika ny fiainantsika mba hametraka kolontsaina sy kolom-piainana miahy mandrakariva ny fikolokoloana ny fifandraisana (culture des soins). Hiova noho ny fibebahana ny fifandraisana satria voakolokolo : fifandraisana amin’ny zava-boaary, fifandraisana amin’ny mpiara-belona, fifandraisana amin’Andriamanitra.......[.......]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

02 FEBROARY - FETY NANOLORONA NY TOMPO TAO AN-TEMPOLY

Ankehitriny, ry Tompo, vao alefanao am-piadanana araka ny teninao ny mpanomponao,
fa ny masoko nahita ny famonjena avy aminao


Ry Kristianina havana, izao 02 febroary izao no ankalazantsika ny nanolorana ny Tompo tao an-tempoly izay antsointsika hoe fetin'ny Jiro masina. Fanamasinana ny jiro masina, izay mahatonga antsika rehefa manomboka ny Eokaristia manao procession mitondra ny jiro ao amin'ny Eglizy. Nefa tsara ny mampahatsiahy ary efa naverina matetika amintsika fa tsy manao "théatre" na fampisehoana isika raha manao izany fihetsika izany fa litorjia, izany hoe asan'Andriamanitra ka mivelona izay ankalazaintsika isika. Tsy hoe mahatsiaro fotsiny fa noho ny asan'ny FANAHY MASINA ao amintsika dia sady mankalaza no mahatsiaro isika ka mivelona an'izay ankalazaina.
Androany dia mahatsiaro ny nanolorana ny Tompo tao an-tempoly isika, raha ny marina kokoa dia Izy no nanolotra ny tenany, Izy ilay fahazavana ka izany no mahatonga antsika androany maneho an'izany amin'ny alalan'ny fitondrana ny jiro miditra ao an-deglizy.....[........]

 

 Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY TSOTRA FAHA-4 MANDAVANTAONA B2021

« Fantatro raha Ianao, dia ilay Masin’Andriamanitra » (Mk. 1: 24)


Ry Kristianina havana, mitohy ny fandalinam-pinoantsika amin’izao vaninandro mandavantaona izao hivelomantsika ny “départ vaovao” hirosoantsika amin’ny maha EOV MISIONERA ANTSIKA TABERNAKLA.
Tamin’ny Alahady fahatelo lasa teo dia nohalalinintsika fa ny tarehy ratsy tsy azo ovana fa ny toetra ratsy azo ovana. Io fitondran-tenantsika ratsy io izany dia azontsika ovana raha mibebaka isika, io ilay lazaintsika “changement radical”, fiovam-penitra mahery vaika. Tanteraka io “fiovam-penitra mahery vaika” io raha mitoetra ao amin’Andriamanitra isika, raha mitoetra ao amin’i Jesoa ary i Jesoa mitoetra ao amintsika. Raha miova ho tsara ny fitondran-tenantsika dia miova ho tsara ny fifandraisantsika amin’ny zava-boaary ka mivelona ny vôkasiontsika hatramin’ny voalohany isika izany hoe “mpiambina, mpikolokolo”. Raha tanteraka io vôkasiontsika io dia hamokatra voa tsara isika ka ho feno hafaliana sy fiadanana. Manomboka eo anivon’ny fianakaviana, eglizy kely izany ezaka ataontsika izany, tarihin’ny Ray, Baba, tsy “sefo” mamoritra fa ray mpitarika amin’ny fifanasoavana sy fifampitsimbina hahitan’ny tsirairay sy ny rehetra fivelarana, ilay fivelaran’ny mahaolona manontolo sy olon-drehetra......[lire la suite]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY TSOTRA FAHA-03 mandavantaona B2021

“Andeha hanaraka Ahy, fa ataoko mpanarato olona ianareo”


Ry Kristianina havana, tamin’ny Alahady faharoa mandavantaona lasa teo isika dia nandinika manokana ny vôkasiona fa indrindra amin’izao fanombohan’ny taona izao ka nametrahantsika indrindra ny vôkasion’ny Ray satria mila Baba izao andro izao ka I Md Josefa no modely amin’izany ary izy koa no mpivavaka. Miroso hatrany isika ary manohy ny fandalinam-pinoana amin’izao vanim-potoana mandavantaona ka tohizantsika ny fandinihana ny vôkasiona miainga amin’ny Tenin’Andriamanitra. Samy nantsoin’Andriamanitra isika tsirairay avy mba ho EOV MISIONERA VITA BATEMY KA IRAHINA. Amin’izao Alahady fahatelo mandavantaona izao dia antintraterin’ireo vakiteny telo fa fotoana tsara izao sady vaninandro mitondra fahasoavana avy amin’Andriamanitra satria miantso antsika Andriamanitra mba hihavao sy hiala amin’ny toetra ratsy. Araka ny fitenin-drazantsika ny tarehy ratsy no tsy azo ovana fa ny toetra ratsy azo ovana. Izany rahateo ny votoatin’ny tenin’Andriamanitra androany.....[ lire la suite ]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Archidiocèse d'Antsiranana

EOV DIASPORA regroupe les originaires du diocèse d'Antsiranana résidant en Europe

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA - Archidiocèse d'Antsiranana

Ecoutez la Radio Faniry en ligne

Archidiocèse d'Antsiranana

Mission 2020 - 2021 Les prêtres du diocèse Antsiranana

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..