Home » FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

ALAHADY FAHA-4 KAREMY TAONA B 2021

Naniraka ny Zanany mba hamonjy an’izao tontolo izao Andriamanitra

 
Ry Kristianina havana, tonga amin’ny ivon’ny DIA sy ny ADY isika amin’izao karemy 40 andro irosoantsika tsikelikely amin’ny fiainam-baovao izay andrandraintsika amin’ny Paka izao hanaovantsika “nouveau départ”, fiaingana vaovao vokatry NY FIOVAM-PENITRA MAHERY VAIKA NY FITONDRAN-TENA entanin’ny safidy matotra hametraka an’I Jesoa ho ivon’ny fiainana sy eo anivon’ny fiainana, ho ivon’ny FIANAKAVIANA “EGLIZY KELY” ka hahatonga antsika ho EOV MISIONERA TABERNAKLA VELONA.
Amin’izao Alahady faha-4 ny karemy izao dia abaribarin’Andriamanitra amintsika fa na dia manao akory ny toetrantsika na korontan-dava ny fiainantsika vokatry ny KORONTANAVIRUS dia tonga nanolotra ny ainy i Kristy ary vonona Izy hanavotra antsika sy hanolotra ny fahasoavany, handrindra ny zava-drehetra fa anjarantsika kosa ny miditra sy manaiky handray ny fahasoavana avy Aminy, fahasoavana izay omeny maimaim-poana.....[........]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY FAHA-3 KAREMY TAONA B 2021

« Ravao ity Tempoly ity, fa hatsangako indray amin’ny hateloana » (Jo. 2: 19)

 
Ry Kristianina havana, izao Alahady fahatelon’ny karemy izao, dia azo lazaina fa tena miditra tanteraka amin’ny fiomanana akaiky ny Paka isika raha ireo vakiteny aroson’ny eglizy no jrena sy dinihina. Mibaribary fa tena “ady” tokoa no atrehina mba hampisy ny safidy mitondra amin’ny “départ vaovao”. Io safidy io no “ady” satria mandrirotra hatrany ny lojikan’izao tontolo izao sy ny forongony ka mitondra korontana sy fifangaroan-javatra. Tsy herisetra na oviana na oviana no lalana. Tsy maintsy misy “rupture” anefa, izany hoe “fisarahana”. Io fisarahana io no mamparary nefa tsy maintsy tanterahina mba hahasitrana. Io ilay lazaintsika hoe mila “fiovam-penitra mahery vaika” izao androntsika izao raha tiantsika hanao “nouveau départ” isika. Io no “ady” satria mamolaka antsika hiala amin’ny fahazaran-dratsy ka mampiditra amin’ny fiainam-baovao.......[..........]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY FAHA-2 KAREMY TAONA B 2021

Tonga nanjelanjelatra sady fotsy hoatra ny oram-panala ny fitafiany » (Mk. 9: 2)


Ry Kristianina havana, amin’izao Alahady faharoan’ny karemy izao dia tian’ny Eglizy sahady ho tsapantsika fa raha miara-mitoetra amin’i Jesoa isika ary itoeran’i Jesoa ny fiainantsika dia asehony amintsika àry amin’ny alalan’ny vakiteny telo fa indrindra ny evanjely fa misy voka-tsoa tokoa ny fiainantsika, miova ho tsara ary mamirapiratra aza. Izany no fanantenana tian’I Papa hananantsika. Ny finoana no ahafahantsika mifikitra amin’io fanantenana “rano velona” voalazan’I Papa io. Io ihany koa ilay lazain’I Md Paoly mikasika ny finoan’ i Abrahama : “Nino izy, fa nanantena na dia tsy nisy tokony hanantenany aza, ka tonga rain'ny firenena maro, araka ny voalaza taminy hoe: Ho tahaka izany ny taranakao. Rom 4, 18......[.......]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY VOALOHANY KAREMY TAONA B 2021

« Tonga ny fotoana, ary efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra ; mibebaha ianareo ary minoa ny Evanjely » (Mk. 1: 15)


Ry Kristianina havana, amin’izao Alahady voalohan’ny karemy izao dia tian’ny Eglizy sahady ho tsapantsika amin’ny alalan’ireo vakiteny fa izao fizorantsika mankany amin’ny Paka mandritra ny 40 andro izao no iezahantsika miala amin’ny fiainana tsizarizary izay mandrendrika antsika amin’ny fahotana ka hitondra antsika kosa amin’ny fiainam-baovao amin’ny Paka ka hanaovantsika “départ vaovao”, fiaingana vaovao ka hahatonga antsika ho EOV MISIONERA VITA BATEMY KA IRAHINA HO TABERNAKLA VAOVAO HIZARA NY FAMINDRAMPON’ANDRIAMANITRA HO MPAMAFY FIADANANA SY FANANTENANA. Raha miara-maty amin’i Kristy isika dia hiaraka hitsangana Aminy koa. “Ady sady Dia” ny fiainana maha zanak’Andriamanitra antsika ka ny fifikirana amin’Andriamanitra sy ny fiombonana amin’i Kristy no hery ho antsika......[.......]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAROBIA LAVENONA TAONA B 2021

Ny Rainao izay mahita ny miafina no hamaly soa anao.

 
Ry Kristianina havana, amin’izao Alarobia fanosorana lavenona izao no idirantsika amin’ny vanim-potoanan’ny Karemy. Efa fantantsika mianakavy fa mandritra ny 40 andro ny karemy izay fotoana atolotry ny Eglizy hiomanantsika amin’ny fankalazana ny misterin’ny Paka izay midika hoe fandalovana (passage) ary ankalazantsika an’i Jesoa nandresy ny fahafatesana, maty izy kanefa nitsangan-ko velona.
Isika koa raha miara-maty amin’i Kristy amin’ny fahotana dia hiaraka hitsangana Aminy ka miditra amin’ny fiainam-baovao. Miala amin’ny fiainana izay tsy mendrika ny maha zanak’Andriamanitra ka miditra amin’ny fiainana maha-zanak’Andriamanitra. Vokatry ny SAFIDY nentin’ny FIOVAM-PENITRA MAHERY VAIKA (changement radical de comportement) ka mitondra antsika amin’ny NOUVEAU DEPART, FIAINGANA VAOVAO ka hahatonga antsika ho EOV MISIONERA TABERNAKLA VELONA. Izany no irintsika amin’izao Paka 2021 izao. Paka MANDRESY ITY KORONTANAVIRUS ITY......[........]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Archidiocèse d'Antsiranana

EOV DIASPORA regroupe les originaires du diocèse d'Antsiranana résidant en Europe

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA - Archidiocèse d'Antsiranana

Ecoutez la Radio Faniry en ligne

Archidiocèse d'Antsiranana

Mission 2020 - 2021 Les prêtres du diocèse Antsiranana

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..