Home » FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

ALAHADY TSOTRA FAHA-2 MANDAVANTAONA B2021

SAMY NANTSOIN’ANDRIAMANITRA TSIRAIRAY ISIKA


Ry Kristianina Havana malala, amin’izao Alahady tsotra faharoa mandavantaona dia mampiditra antsika tanteraka amin’ny fandalinam-pinoana ka hivelomantsika ny hafatra ao amin’ny taratasy pastoraly faha 8 fa indrindra ny annexe mikasika ny fianakaviana eglizy kely miara-mikolokolo sy mikarakara ny zavaboaary. Araka ny voalazantsika matetika tsy misy kisendrasendra ao amin’Andriamanitra fa ataony izao rehetra izao hahasoa izay tia azy ka inona tokoa fa mifanojo tsara ny hafatra pastôraly sy fanambaran’i Papa mikasika ny taoan’I Md Josefa sy taonan’ny Fianakaviana sy ny fikatrohana pastôraly ataontsika araka ny hafatra pastôraly n° 8 sy ireo annexes. Mila Baba, mila Ray izao tontolo izao hoy ny Papa ka I Md Josefa no modely sady mpivavaka mba ho tanteraka tokoa io faniriana io dia nataony ho taonan’ny Fianakaviana mandinika ny Amoris Laetecia ity taona ity izany hoe hivavahana sy handalinana ny fianakaviana fa fankalazana ny faha 5 namoahana an’io Fampirisihina Apostolika vokatry ny sinaoda mikasika ny fianakaviana ka namohana ilay vavaka ataontsika miaraka amin’ny Fianakaviana Masina ataontsika isaky ny sabotsy sy ny alahady......[lire la suite]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADIN’NY NANAOVANA BATEMY NY TOMPO


I JESOA NATAO BATEMY TANDINDON’NY BATEMINTSIKA


Ry Kristianina havana, tamin'ny Alahady lasa teo ny Epifania nisehoan'ny Tompo izany hoe eto anivontsika tokoa Andriamanitra. Izao Alahady izao no hankalazantsika ny Batemin’ny Tompo. Azo lazaina fa mbola Fisehoany ihany koa ary mitodika bebe kokoa amintsika olombeloa satria ny batemin’I Jesoa dia tandindon’ny batemintsika. Izany no mandrisika antsika hahafantatra sy handalina bebe kokoa ny tena dikan’ireny anarana entintsika ka mahatonga ireo Raiamandreny nanome anaran’ny batemy na dia eo aza ny anaran’ny mahaolombelona. Io fanomezana anarana hafa io no manambara fa tena fahateraham-baovao ho antsika tokoa ny batemy. Io ilay lazain’I Joany : Fa izay rehetra nandray azy dia nomeny fahazoana ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany, ka tsy mba nateraky ny rà, na ny sitra-pon'ny nofo, na ny sitra-pon'ny olona ireo, fa naterak'Andriamanitra.
Tanteraka izany mistery lehibe izany ao amin’I Jesoa Kristy satria Andriamanitra Izy tonga olombelona. Araka ilay Feo avy any an-danitra : “Ianao no Zanako malalako Ianao no ankasitrahako…...lire la suite

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY EPIFANIA TAONA B2021

IZAO TONTOLO IZAO NO IRIN’ANDRIAMANITRA HO EGLIZY FIANAKAVIANY

 
Ry Kristianina havana, mbola ao anatin’ny vanim-potoanan’ny Noely isika izany hoe Andriamanitra eo anivontsika Emanoela”. Tsy Andriamanitra lavitra tokoa ny Andriamanintsika fa Andriamanitra mikarakara sy mikolokolo antsika. Tonga Olombelona I Jesoa mba hanarina ny fiainantsika olombelona lavo amin’ny fahotana tamin’ny fototra izany hoe potika ny fifandraisana telo mandrafitra ny maha olona dia ny fifandraisana amin’ny zava-boary, amintsika samy olombelona ary amin’Andriamanitra. Izany no mahatonga antsika milaza fa fahariana vaovao ny fahatongavan’ny Zanak’olombelona hahatonga antsika ho zanak’Andriamanitra. Tahaka ny fahariana voalohany dia antsoin’Andriamanitra isika hiaraka Aminy hanarina ny potika. Io no antsoin’I Papa miainga amin’ny ekolojia feno mitandrify ny mahaolona ka amerimberenany amin’izao ny hoe fahaizana mitandro ny tontolo mitondra amin’ny fikoloana amin’ny lafiny rehetra : “culture des soins”. Mifanojo tsara amin’ny ezaka ataontsika manohy ny efa natao tamin’ny tapany voalohany : “Fianakaviana eglizy kely mikarakara sy mikolokolo ny zava-boary.”.....[ lire la suite.....]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

1 JANOARY - MASINA MARIA RENIN'ANDRIAMANITRA

ARAHABA RY FENO HASOAVANA

 

 
Ry Kristianina havana, amin’izao andro voalohany amin’ny taona vaovao 2021 izao dia mifampiarahaba isika no mifanolotra firarian-tsoa mba ho ny tsodranon’Andriamanitra sy ny fahasoavan’Andriamanitra no hanenika ny fiainantsika manontolo ka na dia eo aza ny zava- manahirana mety hitranga dia ho afaka hamakivaky ny taona isika noho ny fitahian’ny Tompo. “Tsy isika fa ny fahasoavan’Andriamanitra no miaraka amintsika” no entintsika manorina an’izao taom-baovao izao ka hitoetra ao amin’Andriamanitra tokoa isika. Raha misy tokoa taona tena nanahirana dia iny taona lasa 2020 izay samy miaiky fa tsy 20 sur 20. Maro ny korontana nentin’iny valan’aretintna iny ka nahatonga antsika niantso azy hoe KORONTANAVIRUS. Mino sy matoky fa tokana ny faniriantsika, ny fanirian’ny tsirairay dia ny mba ho tena TAOM-BAOVAO amin’ny lafiny rehetra ity taona 2021 ity. Iza no mahatonga antsika nametraka ho ny teny fanevantsika eto amin’ny diosezy amin’ny taom-pikatrohana vaovao : “DEPART VAOVAO FIAINGANA VAOVAO VOKATRY NY FIOVAM-PENITRA MAHERY VAIKA CHANGEMENT RADICAL”. Mila fibebahana tokoa mba ho hisy ny fiovana.......[.........lire la suite]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

 

 

ALAHADY FANKALAZANA NY FIANAKAVIANA MASINA Taona B2020

FIANAKAVIANA MIFANKATIA, LANITRA ETY AN-TANY


Ry Kristianina havana, anio Alahady manaraka ny Noely no ahatsiarovana manokana ny Fianakaviana masina. Somebiseby isika amin’izao famaranana ny taona izao amin’ny fanomanana ny fety fa aoka tsy hanadino ny fototry ny fiainantsika raha mahatsiaro izao fetin’ny Fianakaviana masina izao. Masina ny fianakaviana satria misy an’i Jesoa izay nankalazaintsika tamin’ny Noely, Andriamanitra eto amintsika. Raha eo anivon’ny fianakaviana tsirairay i Jesoa dia masina ny fianakaviana satria misy an’Andriamanitra ka na dia miatrika zavatra maro mety manahirana aza eo amin’ny fiainana dia matanjaka satria mitambatra amin’Andriamanitra ka feno fitiavana.
Noharian’Andriamanitra hitovy endrika Aminy isika, ary fitiavana ny endrik’Andriamanitra ka io fitiavana io no eo anivontsika raha Andriamanitra eo anivontsika ka izany no maha lanitra ny fianakaviana mifankatia. Raha mandinika sy mibanjina an’izany rehetra izany isika amin’izao Alahady sady famaranana ny taona izao no fifanoloran’ny mpianakavy ny firarian-tsoa dia henontsika tsara amin’ny Vakiteny voalohany bokin’ny Jenezy fa i Abrahama nahazo tsodrano manokana
tamin’Andriamanitra satria nandray an’Andriamanitra izy, fantantsika ny sedra niainan’i Abrahama......[lire la suite]

 

 Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Archidiocèse d'Antsiranana

EOV DIASPORA regroupe les originaires du diocèse d'Antsiranana résidant en Europe

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA - Archidiocèse d'Antsiranana

Ecoutez la Radio Faniry en ligne

Archidiocèse d'Antsiranana

Mission 2020 - 2021 Les prêtres du diocèse Antsiranana

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..