Home » FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

ALAHADY FAHAEFATRA NY PAKA TAONA B 2021

“Izaho no mpiandry ondry tsara, sady mahalala ny ahy Aho no fantatry ny Ahy” (Lk 24, 35-48)

Ry Kristianina havana, mbola ao anatin’ny fankalazana ny Paka tanteraka isika ary raha mahatsikaritra isika mba hivelomantsika izany hafaliana lavorary vokatry ny fiadanana atolotry ny Paka amintsika izany ka hitoerantsika ao amin’i Jesoa sy hitoeran’i Jesoa tafatsangan-ko velona ao amintsika dia atolotry ny Eglizy isaky ny Alahady ny toetran’i Jesoa ho fankaherezana antsika hiroso lalindalina kokoa eo anivon’ny fiainana hizara ny hafalian’ny Paka. Efa nampahatsiahivintsika teto io tamin’ny Alahady lasa. Alahadin’ny Paka mibanjina an’I Jesoa nandresy ny ratsy rehetra nitsangan-ko velona. Izy no Aina velona amintsika zanak’Andriamanitra ka mahatonga antsika ho EOV. Alahady faha-2, I Jesoa Famindrampon’Andriamanitra velona. Alahady faha-3, Jesoa miara-belona amintsika mizara ny manta sy ny masaka. Tsy matoatoa sanatria I Jesoa nitsangan-ko velona fa olona velona miaraka misakafo amintsika. Alahady faha-4, Jesoa Mpiandry ondry tsara mahalala antsika ondriny ; mamelona sy mitsimbina.....[ tsindrio eto hamaky ny tohiny]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY FAHATELO NY PAKA TAONA B 2021

« Araka ny voasoratra, dia tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsanganko velona amin’ny andro fahatelo » (Lk. 24: 46)

Ry Kristianina havana, tamin’ny Alahady lasa isika dia nibanjina ny vokatry ny Paka, ny famindram-pon’Andriamanitra. Miara-belona amintsika i Jesoa Kristy izay nizara ny fiadanana vokatry ny famindram-pon’Andriamanitra. Tsara ny manamarika fa isaky ny alahady dia misy toetr’Andriamanitra tian’ny Eglizy asongadina mba hanampy antsika ivelona bebe kokoa izao Paka izao. Tamin’ny Alahady lasa dia ny FAMINDRAMPO no banjinintsika. Amin’izao Alahady izao Andriamanitra MIARA-BELONA AMINTSIKA MIZARA NY MANTA SY NY MASAKA. Tsy azontsika hadinoina ihany koa izao daty izao na dia eo aza ity KORONTANAVIRUS ity ka miombona amin’ireo Kristianina sy olontsotra manao Fivahiniana Masina any Vohipeno ivon-toerana hanajana manokana an’i Ramose Lucien Botovasoa Olontsambatra.
Manana modely isika izao......[......]

 

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY FAHAROA NY PAKA TAONA B 2021

« Ho aminareo anie ny fiadanana ! Tahaka ny nanirahan’ny Raiko Ahy no anirahako anareo koa » (Jo. 20: 21)

Ry Kristianina havana, nandresy ny ratsy rehetra i Jesoa ary ny fahafatesana no farantampon’ny ratsy. Eo anivontsika nefa i Jesoa nandresy fa tsy hoe lavitra antsika, miara-miaina amintsika Izy ary indrindra mitondra ny ainy izay aim-baovaon’ny Paka ho antsika. Izany no tian’ireo vakiteny aroson’ny Eglizy amin’izao Alahady faharoa fankalazana ny Paka izao. Alahadin’ny famindrampo araka ny efa fantatsika. Mahery tokoa ny finoana ka mitondra fanantenana ary mamelona ny fitiavana mba hahafahantsika mivelona ny fiadanana andrandraintsika, sy ny hasambarana tiantsika ho tanteraka ary izany no ambaran’i Jesoa isaky ny miseho izy rehefa tafatsangan-ko velona : “Homba anareo anie ny fiadanana”. Izany no fiarahaban’i Jesoa an’ireo mpianany isaky ny miseho Izy......[.......]

Tsindrio eto  hihaino ny toriteny

ALAHADY FANKALAZANA NY PAKA TAONA B 2021

« Dia mba lasa koa i Piera sy ilay mpianatra anankiray nankany amin’ny fasana, ka niara-nihazakazaka izy roa lahy » (Jo. 20: 3 – 4)

Ry Kristianina havana, an-kafaliana sy an-karavoana no anolorako fiarahabana sy firarian-tsoa omban-tsodrano ho antsika Olo Araiky , “Fratelli Tutti” amin’izao Paka 2021 izao. Tsy mihambahamba aho fa tena Paka manokana sy miavaka ity Paka satria iarahantsika mianakavy midera sy manome voninahitra an’Andriamanitra noho ny fankalazana an’i Kristy tafatsangan-ko velona fa indrindra hanambarantsika amin’ny feo manakoako ny fandresen’ny ratsy ary matoky isika fa anisan’ny ratsy ho resy ity KORONTANAVIRUS ITY. Paka fandalovana araka ny naverimberintsika matetika nandritra ny karemy fiomanantsika amin’ny Paka. “Ady sy Dia” “Ady” amin’ny ratsy dia ny fahotana manapotika ny fiainantsika ary ity areti-mandoza niteraka korontana maro amin’ny fiainantsika ity dia anisan’ireo ratsy nirintsika ho potika tokoa ary “Dia” mankany amin’ny fiainana miaraka amin’i Kristy ka hanaovantsika “départ vaovao”, “Fiaingana vaovao”......[........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ASABOTSY ALINA MASINA taona B 2021

Efa nitsangan-ko velona i Jesoa Nazareanina, Ilay nofantsihana tamin’ny Hazofijaliana

 

Ry Kristianina havana, rehefa nangina sy toa resy isika nandinika ny fahafatesana omaly Zomà masina, amin’izao fiaretan-tory, alina masina, izay ankalazantsika sahady ny fitsanganan-ko velona izao kosa dia faly mitotorebika isika fa nandresy ny Tompontsika. Raha misy Asabotsy Masina misy akony manokana ho antsika dia ity Asabotsy Masina ity. Alina tomaratra soa no fiantsoantsika ity alina miavaka ity izay entintsika miandry ny Paka fandalovana. Misy fizarana efatra ny fankalazana izao alina masina izao, manambara ny “passage” ny fiaretan-tory ataontsika, miala amin’ny fahafatesana ka miditra amin’ny fiainam-baovao. Ny fizarana voalohany dia ny fankalazantsika an’i Kristy Fahazavana. Noho ny fahotana dia ivelan’ny fanjakan’Andriamanitra isika, ny Eglizy no tranobe iombonana ka ny fidirantsika an-deglizy no manambara ny fidirantsika indray amin’ny fanjakan’Andriamanitra noho ny fanavotan’i Kristy. I Kristy miala amin’ny fahafatesana sy ny haizin’ny fahafatesana no mampiditra antsika amin’ny fahazavana. Izany no mahatonga antsika tsy mamelona jiro ao an-deglizy amin’ny fanombohana ny fiaretan-tory fa miditra miaraka amin’ny fahazavan’ny labozia mirehitra isika mba hanambarana fa i Kristy no nandresy ka mitondra fahazavana amintsika, amin’ny fiainantsika....[........]

 

 

Tsindrio eto hihaino  ny toriteny

 

Archidiocèse d'Antsiranana

EOV DIASPORA regroupe les originaires du diocèse d'Antsiranana résidant en Europe

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA - Archidiocèse d'Antsiranana

Ecoutez la Radio Faniry en ligne

Archidiocèse d'Antsiranana

Mission 2020 - 2021 Les prêtres du diocèse Antsiranana

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..