Home » FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

ALAHADY FAHA FITO NY PAKA TAONA B 2021

« Ankamasino amin’ny fahamarinana izy ireo. Ny teninao no fahamarinana » (Jo. 17: 17)

Ry Kristianina havana, tamin’ny Alakamisy lasa teo isika no nankalaza ny niakaran’ny Tompo any andanitra. Naniraka antsika Izy hitory ny Vaovao Mahafaly eo anivon’izao tontolo izao na dia tsy anisan’izao tontolo izao aza isika, naniraka antsika hanambara ny fandresena ny ratsy. Maro ny zavatra manahirana antsika sy mahatonga antsika ho feno fisalasalana ary indrindra mety mitady hanome tsiny an’Andriamanitra aza kanefa isika izao no apostôly, isika izao no Kristianina mpanaradia an’i Kristy, isika izao no Kristy Mpiara-belona amin’ny olona araky ny tenintsika matetika. Tsy afenina tokoa fa mafy izao ady atrehina noho ity KORONTANAVIRUS ity izao ka maro voan’ny fakam-panahy samy mandeha samy mitady. Io indrindra no nampitandreman’I Papa antsika satria mitondra antsika amin’ny fifanapotehina, amin’ny faharavana tanteraka. Izany tokoa ve no lalana ? .......[.........]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAKAMISY FANKALAZANA NY FIAKARAN'I KRISTY AN-DANITRA

Ankamasino amin’ny fahamarinana izy ireo. Ny teninao no fahamarinana » (Jo. 17: 17)

Ry Kristianina havana, efapolo andro izao isika no niara-nankalaza ny Paka izany hoe i Jesoa nandresy ny ratsy ary isika niaraka Aminy. Izany no dikan’ny batemy sy ny fanavaozana ny toky nataontsika tamin’ny Batemy niarahantsika nanao tamin’ny Asabotsy masina. Paka manana endrika manokana, hoy isika, satria tao anatin’ny krizy maro lafy entin’ity KORONTANAVIRUS ity. Paka fandalovana anefa ka nanosika ao anatin’ny ady sady dia atrehina izany krizy izany hanao safidy vokatry ny fiovam-penitra mahery vaika ny fomba fitondran-tena “chargement radical de comportement”. Manantena isika ary mino fa hiroso amin’ny “depart vaovao” isika na dia mavesatra aza ny voka-dratsy entin’ity areti-mandoza ity. Hiroso isika EOV MISIONERA TABERNAKLA VELONA hanorina ny fianakaviam-ben’Andriamanitra OLO ARAIKY ISIKA JIABY, FRATELLI TUTTI. Tanteraka izany raha samy mahafoy isika,.........[.........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY FAHA ENINA NY PAKA TAONA B 2021

« Tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa noho ny mahafoy ny ainy ho an’ny sakaizany » (Jo. 15: 13)

Ry Kristianina havana, araky ny nantitranterintsika isaky ny Alahady amin’izao ankalazantsika ny vanim-potoanan’ny Paka izao dia misy toetran’i Jesoa manokana atolotry ny Eglizy amintsika amin’ny alalan’ireo vakiteny mba hivelomantsika ny maha-Kristianina antsika. Satria ny Kristianina dia avy amin’ny teny hoe Kristy ka ireo toetran’i Jesoa asongadin’ireo tenin’Andriamanitra no hivelomantsika mandritra ny herinandro, fa indrindra hivelomantsika mandritra ny fiainantsika ka hahaizantsika mampitraotra ny finoana sy ny fiainana andavanandro mba hahatonga antsika ho Eglizy Olona velona, ho EOV MISIONERA TABERNAKLA VELONA, ho génération mpanorina eo amin’ny fiainantsika. Ho fahazavana sy fanasina tokoa isika amin’ny alalan’ny fanorenantsika izany Eglizy Olona Velona izany feno fahafoizana ka hifampitsimbina sy hifanasoa hikatsaka ny soa iombonana. Amin’izao Alahady faha-enina ny Paka izao àry dia ny fitiavana nampianaran’I Jesoa sy niainany no tian’ny Eglizy ho tsapantsika sy ho halalinintsika ary hivelomantsika eo amin’ny fiainana

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY FAHADIMY NY PAKA TAONA B 2021

« Izaho no foto-boaloboka ary ianareo no sampany. Izay mitoetra ao amiko sy itoerako no mamoa be » (Jo. 15: 5)

Ry Kristianina havana, amin’izao Paka izao, araky ny efa voalazantsika dia mampisongadina ny toetran’i Jesoa anankiray ireo vakiteny atolotry ny Eglizy isaky ny Alahady. Tamin’ny Alahady lasa teo dia i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara no nankalazaintsika, tamin’ny Alahady fahatelo dia I Jesoa Mpiara-belona amintsika, ny Alahady faharoa dia I Jesoa Endriky ny Famindram-pon’Andriamanitra eo anivontsika, ny Alahadin’ny Paka kosa dia I Jesoa Aina Vaovao. Amin’izao Alahady fahadimy amin’ny Paka izao dia I Jesoa Foto-boaloboka, I Jesoa Voaloboka marimarina kokoa ary isika no rantsany. Io no asongadin’ny vakiteny androany. Isika no rantsana, sampana mitoetra sy mifikitra Aminy. Tsy mila ambara fa izao zava-doza iainantsika izao, izao KORONTANAVIRUS izao dia manosika antsika hitoetra ao amin’I Jesoa raha tsy izany zary sampana maina ary maty. Mety tsy ho azontsika loatra ny fanoharana an’i Jesoa foto-boaloboka satria tsy maro amintsika no efa nahita voaloboka. Raha lazaina amin’ny fomba hafa dia i Jesoa no kakazo anankiray ka isika no rantsany.....[.......]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

1er MAI - FETIN'i MD JOZEFA MPIASA

Nitso-drano azy ireo Andriamanitra ka nanao taminy hoe: miteraha maro, mitomboa, mamenoa ny tany, ka mizakà azy; ary … Hitan’Andriamanitra fa tsara izany….

Ao anatin’izao jobilin’i Md Josefa Mpiaron’ny Eglizy Eran-tany izao, izany hoe izao tontolo izao ary miatrika izao ady mafy izao dia ity KORONTANAVIRUS ity no mankalaza an’i Md Josefa Mpiasa isika. Aoka ho ao an-tsaintsika ireo toetr’i Md Josefa izay tian’i Papa hianarantsika ka hahatonga antsika ho Baba, Ho Ray, ho Ray aman-dreny tahaka an’i Md Josefa dia tsy inona fa i Md Josefa ilay lehilahy Marina ka nomen’Andriamanitra ho vadin’i Masina Maria ho Ray Mpitaiza an’i Jesoa. Mila izany tokoa izao androntsika izao. Mila olona marina. Mila raim-pianakaviana marina ny fianakaviana miatrika izao KORONTANAVIRUS izao, manambara ny marina, tsy mivadibadika fa tokam-pilana. Enga anie ny ray aman-dreny rehetra ho « marina » tokoa ka hahatonga ny fianakaviana, « eglizy kely » mifampitsimbina, mifanasoa mikatsaka ny soa iombonana miara-manorina ny FRATELLI TUTTT = OLO ARAIKY ISIKA JIABY.....[.........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Archidiocèse d'Antsiranana

EOV DIASPORA regroupe les originaires du diocèse d'Antsiranana résidant en Europe

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA - Archidiocèse d'Antsiranana

Ecoutez la Radio Faniry en ligne

Archidiocèse d'Antsiranana

Mission 2020 - 2021 Les prêtres du diocèse Antsiranana

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..